Manampahefana Shinoa Tratra An-Tsary Nanao Firaisana Ara-Nofo Sy Ny Ady Amin'ny Kolikoly

Ny ady amin'ny kolikoly no lasa fandaharan'asa fototra ho an'ny Antoko Komonista Shinoa hatramin'ny nanatanterahana ny Kongresy Nasionaly faha-18. Nampitandrina [zh] ny mpikambana kongresin'ny antoko komonista [CCP] shinoa rehetra nandritra ny fivoriana voalohan'ny Komity Foibe ny Sekretera Voalohan'ny CCP voafidy Xi Jinping fa raha mbola mitohy ny olana momba ny kolikoly dia vita amin'izany ny fisian'ny CCP izany ary vita tahaka izany ihany koa ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina.

Fomba roa no azo hamakiana ny fanambaran'i Xi: na tena matotra amin'ny ady amin'ny kolikoly ny Antoko Komonista Shinoa [CCP], na efa tena lasa lalina loatra ny olana ka tsy azo leferina intsony. Mahazo ny mpikambana amin'ny ambaratonga rehetra ao amin'ny CCP ny kolikoly ary efa tafiditra amin'ny fiainana andavanandro na dia eo aza ny ezaka iadiana amin'ny kolikoly. Lasa vazivazy izany fahadiovan'ny mpikambana CCP izany.

Nanasongadina ny Bilaogera Zhu Zhenqiang(祝振強)fa lasa tafalatsaka anelanelan'ny “ady amin'ny tigra” sy ny “misambo-dalitra” ny adi-hevitra momba ny ady amin'ny kolikoly any Shina, izay manazava [zh] fa ny “ady amin'ny kolikoly no mitarika kolikoly kokoa”, na dia hita tokoa aza ny fahombiazana tamin'ny “raharaha tigra” vitsivitsy:

但是,所有這些,並不能說明反腐敗“打老虎”就卓有成效,並不能說明反腐敗“打老虎”就應打盡打、該打都打。換言之,反腐敗中的“打老虎”、“拍蒼蠅”皆有選擇、有取捨,至少打得不是很主動、很天羅地網,很在劫難逃。這個才是很值得反思、思量的。

[Na eo aza ireo raharaha nahitana fahombiazana etsy ambony], tsy afa-milaza isika fa nahomby tamin'ny “ady amin'ny tigra” na mikendry ny “tigra rehetra” ny fiadiana amin'ny kolikoly. Ny marina, na “ady amin'ny tigra” io na or “misambo-dalitra”, nisy kajikajy sy [fikendrikendrena] avo lenta ny ady amin'ny kolikoly. Sady tsy misoroka no tsy fantatra izay fizotrany; sahala amin'ny aretina tsy maintsy ho avy. Toe-javatra mendrika hojerena tokoa.

A screen grab of the leaked sex tape of Lei Zhengfu, a former Chongqin CCP secretary of the Beipei District.

Notazana avy amin'ny sarina firaisana ara-nofo nataon'i Lei Zhengfu, sekreteran'ny CCP taloha tao Chongqin avy amin'ny distrikan'i Beipei.

Raha mbola nangorintsina ao an-tsofina ny kabarin'ny sekretera voalohan'ny CCP momba ny ady amin'ny kolikoly, tafaporitsaka sy nalaza vetivety an-tserasera ny firaisana ara-nofo mahamenatra azo sary nataon'ny Sekreteran'ny CCP teo aloha tao Chongqin CCP avy amin'ny distrikan'i Beipei antsoina hoe Lei Zhengfu (雷政富). Asehon'ny lahatsary ny zazavavy tanora iray miray ara-nofo amina lehilahy 50-anona iray. Nitsipka izany i Zhengfu tamin'ny voalohany, saingy nohadihadiana ny lehilahy tao anatin'ny 63 ora ary nolazaina fa sekreteran'ny CCP “teo aloha”.

Nivoka ny antsipirihany kokoa momba ilay sary voarakitra. Nalaina dimy taona lasa io sary io ary anisan'ny fifampiraharahana teo amin'i Zhengfu sy ny orinasam-panorenana iray io firaisam-batana io. Tafiditra amin'ity raharaha ity ilay lehiben'i Chongqin teo aloha izay nibaiko ilay olona fanta-daza mahery fo Wang Lijun hisambotra ilay vehivavy hita tao amin'ny rakitra sy lehiben'ilay orinasam-panorenana. Izany no nahatonga ny bilaogera Yao Xiaoyuan (二爺姚小遠) mino [zh] fa tsy kisendrasendra fotoana nampiporitsaka ny raki-tsary niporitsaka:

重慶的新官已經上任,更高層面的新官們,也已經粉墨登場,站台排座。舊時代或者愚昧迷信地區有臨事祭旗的風俗和傳統,看起來,這次雷政富視頻事件,就是一場高調的祭旗儀式,山雨欲來風滿樓,中國正面臨著一場風暴。但願,這場風暴所蕩滌的,是污泥濁水,而非藉機整肅和排斥異己。

Efa naseho sehatra ny ankamaroan'ny mpitarika sy ny mpikambana vaovao ao amin'ny governemanta. Araka ny fombantsika fahiny, mila karazana sorona isika mandritra ny vanim-potoanan'ny fiovana mahery vaika. Azo jerena ho karazana fombafomba ny sarim-piraisam-batan'i Lei. Rehefa mialoha ny orana ny rivotra, ary miatrika tadio i Shina. Manantena fa hamafa ny maloto fa tsy hanaisotra ny tsy mitovy hevitra ny tadio.

Ny fanalana an'i Zhengfu, izay nitranga tao anatin'ny 63 ora dia fombafomba mahazatra amin'ny toe-javatra sahala amin'izao, ary ny haingana indrindra tamina fanafintohinana hafa rehetra teo aloha ny nikarakarana azy. Manahy [zh] ny mpampianatra anjerimanontolo Guo Yenyuan (郭賢源):

雷政富是黨的書記,屬於黨的人;但他又是官,卻又沒有經過人民與政府的關係來選舉。於是,我們就需要問,沒有經過人民與政府原則的“官”,他是否有權力的授予關係?如果有人民授予他權力,那出現了問題,也就必定需要按照相應的程序來處置;如果沒有,那麼他的權力來源就存在問題……

Sekreteran'ny CCP i Lei Zhengfu; mpikambana governemanta notendrena tsy nisy fifidianana ihany koa izy. Tokony hanontany isika raha raha eken'ny vahoaka ny manampahefana ao amin'ny governemanta tahaka itony? Raha izany, rehefa mipoitra ny olana, antso andraisana an-tanana ny raharaha izany. Raha tsy izany, avy aiza ny fahefany? […]

Rehefa tsy tratran'ny fanaraha-mason'ny vahoaka ny fahefana, tsy azo ihodivirana ny kolikoly.

Tafiditra ihany koa ny adihevitra miresaka fiainana manokana. Miresaka momba ny fahazarana Amerikanina amin'ny fiainana manokan'ny olona fanta-daza ny lahatsoratr'i [zh] He Qinglian's (何清漣) raha miady hevitra avy amin'ny fijery mahalahy na mahavavy i Hu Caiming (胡賽萌):

在當下社會,女性的身體如同土地等其他資源一樣,已經淪為一種可以被肆意買賣、租售的社會資源。在權力主導一切的現今,權力擁有主導一切社會資源的天然優勢,無論是經濟資源還是自然資源,甚至包括女性身體這種'新興資源'。這也就是為什麼倍受關注的官僚群體會頻頻發生艷照門事件的根本原因……

Lasa loharanon-karena tahaka ny tany ny vatam-behivavy, izay azo amidy sy ampanofaina ary atakalo. Afa-mikirakira ny loharanon-karena, loharano ara-boajanahary eny fa na dia ny vatam-behivavy, loharanon-karena vaovao, aza ireo eo amin'ny fahefana ao amin'ity tsena mirongaronga ity. Izany no nahatonga ny mpiasa am-birao tratra matetika tratra nanao firaisam-batana.

Vetivety foana taorian'izany dia niala ny sekreteran'ny CCP Zhengfu, nisy fanafintohinana hafa nivoaka an-tserasera indray. Nivoaka [zh] ary fa manana renivola RMB 20 alinalina [2 lavitrisa vola shinoa] (manakaiky ny 2 arivoarivo livra britanika) i Chou Weisi (周偉思), filohan'ny komitin'ny tanàna ambanivohitra iray any Shenzhen distrikan'i Long Gang ary hadihadiana amin'izao fotoana izao. Lasa sehatra ahitana ireo karazam-panafintohinana toy ny sigara lafovidy, aferam-pitaovam-pananahana, trano mirentirenty ananan'ny sekreteran'ny antoko komonista shinoa ny aterineto, raha mbola taraiky be amin'ny adidiny iadiana amin'ny kolikoly ny komitim-pifehezana ao amin'ny Antoko.

Mampihomehy ihany fa efa nanao izao kabarim-piadiana amin'ny kolikoly manaraka izao [zh] indray mandeha i Lei Zhengfu [ranamana tantaraina voalohany]:

(領導幹部)要牢固樹立正確的權力觀、地位觀和利益觀,從政先修德,做官先做人,律人先律己,時時處處自重自省、自警自勵,慎行慎獨、慎始慎終,認真算好利益賬、法紀賬、良心賬,自覺築牢拒腐防變的道德防線。

Tokony hanana fitondra-tena mety manoloana ny fahefana, toerana ary tombontsoa ny [Mpitarika sy ny manam-pahefana] . Ho an'ireo izay te-hanao politika, ny fahamendrehena no voalohany. Mijoroa ho lehilahy marina mialoha ny hahatonga anao ho manam-pahefana. Velaro ny fifehezantena mialoha ny ifehezana ny hafa. Hajao ny tenanao ka manaova ho maodely. Mahaiza mitondra tena ary miaraha miasa amin'ny hafa. Mailoa ary mitandrema tsara amin'ny fanaovan-javatra. Ataovy ao an-tsaina, raha mahazo tombontsoa ianao, ny matoky tsara fa mifanaraka amin'ny lalàna sy ny feon'ny fieritreretanao ny fanapaha-kevitrao. Aoreno ny fototry ny maoralinao hiambenanao amin'ny fakam-panahy ho tratran'ny kolikoly.

Raha tsy manana fahazarana mahomby iadiana amin'ny kolikoly isika dia hitranga hatrany hatrany ny toe-javatra tahaka izao.

Ampandrosoana tsara ianao hitsidika ny my1510.cn [zh] raha te-hahita ny adihevitra mifandraika amin'izy ity.

Notsarain'i Georgi McCarthy ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.