Nahoana no Mandao an'i Shina Ny Mpandraharaha Mpanankarena Shinoa?

Mandao an'i Shina ny mpandraharaha Shinoa. Araka ny fitsapan-kevitra, notarihan'ny China Merchants Bank and Bain & Co., 27% isan-jaton'ny mpandraharaha manamboloa mihoatra ny 100 arivoarivo [tapitrisa] RMB no efa nifindra monina ary ny 47% heverina fa nivoaka nankany ivelany.

Tsikaritra fa miteraka lonilony avy amin'ny olom-pirenena shinoa ho amin'ireo mpanankarena mifindra monina ny olom-pirenena Shinoa izany. Ary vao maika niteraka adihevitra sy sahotaka ao amin'ny fiaraha-monina shinoa ny nanehoana ho hita imasom-bahoaka ny fifindra-monin'ilay vehivavy mpandraharaha sady mpikambana ao amin'ny CPPCC (holafitry ny fanoloran-tsaina ara-pilitikan'i Shina) Zhang Lan faramparany teo.

Mandry andriran'antsy ara-toekarena

Manadihady ny CGazetim-boky Fandraharahana Shinoa:

Niteraka adihevitra tao amin'ny fiaraha-monina Shinoa ny fifindra-monin'i Zhang Lan. Pikantsary avy avy amin'ny tati-baovao ao an-toerana tamin'ny alalan'i  Youku.

中国企业家杂志:分析认为,缺乏安全感是众多商人共同的感觉。迁往其他经济体,可以提供其他的、独立于中国经济的财富来源的新机会。多样化可以降低风险,避免因只在一国经营、或从事一种经济活动的损失,提高富人阶层的“安全感”。

Miaritra tsy fisian'ny fiarovana azo antoka ny mpandaharaha shinoa rehetra. Vantany vao mifindra monina any amin'ny rafitra ara-toekarena hafa ry zareo dia tolorana fahafaha-mampiasa vola vaovao tsy miankina amin'ny toekarena shinoa. Mampihena ny fitaintainana ny [fampiasam-bola amin'ny toerana maro] raha oharina amin'ny fandraharahana amin'ny firenena tokana monja (Shina) izay mety tsy mitombina tsara ny politika. Amin'ny ankapobeny, manampy azy ireo hahatsapa ho mandry fahalemana izany.

Mizara hevitra mifanahaka amin'izany ny ifeng.com[zh], gazety shinoa malaza:

老实说,在目前的中国很难给人以安全感,普通老百姓可能觉得有钱人比较安全,自己因为各种社会保障不全的缘故比较焦虑,但有钱人的安全感更低。前段时间三一重工的梁稳根说过,自己的财产与生命都是国家的,党员的太太也比较漂亮。这话看上去挺谄媚,实际上更像是一种恐惧的表达。任何做企业的人都知道,只有产权清晰才好做事,自己的产业怎么可能做这样的表述?

Tsorina, tsy manome fahafahana ny olona handry fahalemana ny fiaraha-monina shinoa. Maro ny olona no mieritreritra fa tsy mitaintaina ny mpanankarena satria tsy mila miahiahy momba ny fiarovana ara-tsosialy; saingy ny mpanankarena any Shina no tena mitaintaina kokoa. Vao haingana ny iray amin'ny mpanankarena indrindra ao Shina Liang Wengen no niteny fa an'ny firenena ny ainy sy ny fananany ary tsara tarehy kokoa ny vadin'ny mpikambana ao amin'ny antoko. Heverina ho teniteny foana izany, saingy mampiseho ny tahony. Ahoana moa no itenena-na mpandraharaha manao fanambarana tahaka izany? Samy mahalala ny mpandraharaha tsirairay fa ilaina ny fananana harena mazava hanaovana fandraharahana.

Lalàna henjana ho an'ny Orinasa Shinoa 

Nasongadin'i Huang Song[zh], Sekretera-Jeneralin'ny Ivotoeran'ny Fikarohana Fampandrosoana sy ny Indostria misahana ny vola ao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking ny antony ambadiky ny fifindra-monina:

企业家移民有很多原因,舆论通常关注的有两方面:一是对社会未来没有信心,二是做过亏心事怕事后被追究。但还有一个日益重要的原因却常常被忽视,那就是中国企业对外投资和海外融资的种种政策障碍和审批限制。第一,由于资本账户下的外汇管制,中国企业对外投资需要外汇管理部门审批,直接投资方面的审批政策不断放松,但仍存在不少限制,而金融投资则受到严格管理。第二,中国企业对外投资项目需要发展改革部门核准,在时间上、获批性上都存在较大不确定性。
中国的金融体系本质上还是一个支持国有企业和大型企业的垄断金融,大量民营企业和中小企业存在融资难问题:银行贷款难、上市更难、发债是难上加难。

Maro ny antony mahatonga ny mpandraharaha hisafidy ny hifindra monina. Antony roa no mampiahiahy ny hevitry ny mpiara-belona: voalohany, tsy matoky ny hoavin'i Shina ry zareo; faharoa, miezaka ny mandositra zavatra tsy ara-dalàna mihatra amin-dry zareo ry zareo. Fa misy ny antony tena lehibe hafa matetika adino [tsy raharahiana], dia ny karazan-tsakasakana sy faneriterena ataon'ny governemanta amin'ny fampiasam-bola atao any ivelany. Voalohany, noho ny fanaraha-maso ny fifanakalozam-bola amin'ny any ivelany eo ambanin'ny kaontin'ny renivola, tsy maintsy mila fankatoavana avy amin'ny Departemantan'ny Fandraharahana ny Fifanakalozam-bola amin'ny any ivelany ny fampiasam-bola ataon'ny orinasa shinoa any ampitan-dranomasina. Ary na dia somary goragora kokoa noho ny taloha aza ny politikam-pampiasam-bola, dia mbola misy ihany ny karazana fameperana ary mbola ambany fitantanana henjana ny resaka ara-bola eo amin'ny sehatra ara-bola. Faharoa, tsy maintsy mbola ankatoavin'ny Departemantan'ny Fanitsiana sy ny fampandrosoana ny fampiasam-bola any ivelany, izay miteraka fanjavozavoana betsaka amin'ny tetikasa.

Ny orinasa an'ny fanjakana sy ny orinasa lehibe ihany no tohanan'ny rafi-pampiasa-mbola Shinoa amin'ny ankapobeny. Misy ny fahasarotana amin'ny fanohanana ara-bola ho an'ny orinasa tsy miankina kely sy salantsalany: sarotra ny fahazoana mindram-bola, vao maika sarotra kokoa ny mahazo petrabola.

Nampiako izany i Yang Yongmin[zh], mpikambana ao amin'ny fila-kevi-pitantanan'ny Vondrona Offshore Incorporations manana ny biraony ao Beijing:

晒歪歪:不出所料,俏江南张兰移民到了那个加勒比海的一个岛国。了解这个情况的都知道,这跟张兰是否爱国没任何关系,纯粹是资本项下的移民,为公司海外上市考虑。 中国总有很多傻比的政策,坑了自己人,肥了外国人。

Tsy gaga aho raha nifindra monina any amin'ny nosy karaiba i Zhang Lan. Ny olona mahalala zavatra kely momba ny orinasa tsy miankina shinoa dia mahalala fa tsy misy ifandraisany na tsia amin'ny resaka fitiavan-tanindrazana io. Satria mora ho an'ny orinasa ny mivoaka mankany ivelany. Maro loatra ny politika tsy misy dikany izay tsy mety ho an'ny shinoa fa manome vahana ny firenena vahiny.

Nisy hevitra nivoaka tao amin'ny famoaha-kevitry ny mpamaky People's Daily hoe maninona raha manao toy ny an'ny Amerikanina manatovana hetra be amin'ny mpandraharaha mpanankarena mba tsy hifindrany monina, fa nisy avy hatrany ny mpiserasera tsy miombon-kevitra amin'izany. Nitsikera ilay mpanentana malaza ao amin'ny fahitalavitra  Meng Fei hoe:

孟非: 这个思路有问题!你见过几个美国富豪放弃美国国籍?应该思考的为什么那么多官员家眷、演艺明星、大小富豪、著名学者都想移民?而不是琢磨怎么给他们移民设置更高的门槛。不反省这个问题,设置再高的门槛也留不住。

Diso lalana izany fomba fisaina izany. Firy moa ny Amerikana mpanankarena no niala tamin'ny zom-pireneny? Ny tokony heverintsika dia hoe nahoana no maro dia maro ny manampahefana, olo-malaza, mpanankarena ary mpampianatra fanta-daza te-hifindra monina, fa tsy hoe ahoana no atao isorohana ny tsy hanaovan'izy ireo izany. Rehefa tsy mieritreritra lalina momba io olana io isika dia tsy ho afa-mitazona azy ireo na dia henjana sahala amin'inona aza ny lalàna.

Nampiako i Zhi Qiangli :

志强李:张兰就是甩给僵化体制的耳光。

Tefaka eny amin'ny endriky ny rafitra henjana ny fifindra-monin'i Zhang Lan.

Misy ihany koa ny fitsipika sy politika maro mampahasarotra ny orinasa tsy miankina shinoa hanokatra ny renivolany ho azo ampidirana petrabola nefa tsy ampiharina amin'ny orinasa vahiny izany politika izany. Angamba ny ny tenin'i Shi shusi, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny Worker's Daily no mamehy tsara ny olana ilain'i Shina vahana amin'ny taompolo manaraka:

石述思:目前争议继续,抛开爱不爱国的充满道德绑架的争论,一个黑色幽默的结果是:作为民营餐饮企业的老板,如果张兰不移民,那么,无论是国内A股市场还是香港资本市场,按照现行政策都难以完成上市融资的诉求,但现在移民了,上市却成功在望。当然,这样的结果不美好,但罪魁是谁呢?实际上,富豪资金外流,只是中国经济出现问题的一种表现、一个信号而已,与其谴责他们,不如推动改革共识的形成,呼唤中国塑造尊重私权、依法行政、进一步解放生产力的法治市场环境。

Mbola mitohy ny ady hevitra, tsy ampidirina ny resaka fitiavan-tanindrazana; lasa tantara mampihomehy mahasosotra ny vokany. Koa satria moa ny deban'ny orinasa tsy miankina iray tsy afa-manokatra ny renivolany ahafahana mampiditra petrabola aty Shina noho ny lalàna henjana sy ny fahasarotana amin'ny fahazoam-bola [indrindra ho an'ny fandraharahana vondrona restaurant iray]; saingy, ankehitriny efa nifindra monina izy, ary manam-bintana kokoa hanangana orinasa misokatra amin'ny petra-bola. Mazava loatra fa tsy tonga lafatra ny vokany ho an'i Shina, saingy iza no tompon'andraikitra tamin'izany? HIta fa mariky ny olana ara-toekaren'i Shina ny fironana goavana hifindra monina. Tsy tokony ho ny mpandraharaha no omena tsiny, nahoana no tsy ampiroboroboantsika ny marimaritra iraisana hisian'ny fanitsiana ka antsoina ny hanajana kokoa ny zom-panànan'ny tsirairay, ny fampanjakana ny lalàna ary ny fametrahana ny fifaninanana masina eto Shina?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.