Iran: Nofaranan'Ilay Mpisolovava Nogadraina Nasrin Sotoudeh ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina 49 Andro Taty aoriana

Nasrin Sotoudeh, loharano: http://ahurai.com/social

Feno hafaliana ny tontolom-bilaogy Iraniana rehefa voatatitra fa namarana ny fitokonana tsy hihinan-kanina ilay mpisolovava sady migadra noho ny fanehoan-kevitra Nasrin Sotoudeh [mg] 49 andro taty aoriana. Loharanom-baovao maro, ka anisan'izany ny Habaka Kaleme izay mikambana ao amin'ny Hetsika Maitso an'ny mpanohitra, no nanatsonga ny tenin'ny vadin'i Nasrin Sotoudeh, Reza Khandan, fa ny fihaonana tamin'ny depiote sy ny fifanarahana tamin'ny mpitondra tenin'ny Parlemanta Iraniana ary ny Lehiben'ny Rafi-pitsarana no nahafahana nanala ny fandraràna tsy hahazo mivezivezy natao tamin'ny zanaky ry zareo vavy [mg]. Rehefa novaliana ny fangatahan'i Nasrin Sotoudeh dia tsy nitokona tsy hihinan-kanina intsony izy. Bilaogera Iraniana iray tena faly sy mirehareha antsoina hoe Azadi Esteghlal Edalat (midika hoe Fahafahana, Fahaleovantena ary Rariny) no nanoratra [fa]:

Mijoro manohitra ny fahalozàna sy ny tsy rariny mandra-pahafaty sy manao ny tany manontolo hiaraka amin'ny adiny manohitra ny tsy rariny nataon'ny fitondrana tamin'ny zanany vavy tiany [Mehraveh], Nofaranan'i Nasrin Sotoudeh ny fitokonana tsy hihinan-kanina rehefa nisorina tamin'i Mehraveh ireo didy nandraràna azy. Nampianatra tamin'ny vahoaka Iraniana ny leson'ny fanantenana sy ny fijoroana izy. Nasrin Sotoudeh, ilay liombavin'i Iran, reharehan'ny Iraniana liberaly tsirairay. Fandresena Mahafaly!

Tsangan'asa avy amin'ny vondrona mpanohana an'i Nasrin Sotoudeh ao amin'ny Facebook. Toy izao ny fivakin'ny soratra: “Fahitana anao dia mandrava ny aizina.”

Azadeghi midera ny herim-pon'i Nasrin Sotoudeh's ka niteny hoe [fa]:

Iny no fandresen'ny faniriam-behivavy Iraniana amin'ny fitondrana Taliban [misy ny mpikatroka Iraniana sasantsasany no mampitaha ny Repoblika Islamika amin'ny Taliban any Afghanistan]. Tokony hahafantatra i Nasrin Sotoudeh fa tsy irery izy ary maro ny Iraniana no manohana azy.

 Niresaka momba ny famonoana ara-pitsarana ny tanora i Nasrin Sotoudeh

Ao amin'ny tafatafa fohy (misy dika an-tsoratra amin'ny teny anglisy) no itsikeran'i Nasrin ny rafi-pitsarana ao amin'ny Repoblika Islamika, ka iantsoany ny fitondrana hampitsahatra ny famonoana ara-pitsarana ny gadra latsaky ny 18 taona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.