Resaky ny Mpisera Shinoa: Nohosen'ny The Onion ny People’s Daily

Efa tapitra ny amin'ity vaovao ity ankehitriny: Namingana ny tenany ihany ny gazety Shinoa People’s Daily tamin'ny herinandro raha nitatitra tamim-pahamatorana fa ny mpitarika koreana tavaratra Kim Jong-un no lehilahy manaitra-manintona indrindra mbola velona araka ny fanondroan'ny The Onion, gazety mpananihany iray avy any Etazonia. Rehefa tonga an-tserasera ny resaka dia naka ny vaovao ny fampahalalam-baovao iraisampirenena manana ny lazany tahaka ny The New York Times sy ny The Wall Street Journal. Nanara-dia ihany koa ny gazety avy any Angletera The Telegraph miaraka amin'ny fehezanteny notsongaina avy amin'ny tonian'ny People’s Daily, nilaza fa tsy hahasarika loatra ity resaka ity (efa najanona moa ny tantara avy eo).

Efa tahaka ny tara loatra anefa, tsy vitan'ny hoe niely tany amin'ny fampitam-baovao iraisam-pirenena ny resaka fa nalaza dia nalaza ihany koa tao amin'ny Weibo, izay tahaka ny Twitter any Shina. Raha nisy mpiserasera mavitrika “Milaza ny tenany ho any NY” [New York] nizara ny vaovao voalohany tao amin'ny Weibo, nahazo fampitan-kafatra mihoatra ny 40.000 io sy fanehoan-kevitra 7.900.

Netizen “Pretend in NY” shared foreign media's comments on Chinese social media

Maro ny Shinoa ny nitokelaka tamin'izy ity. Ny sasany nahatsiaro menatra ka nitsikera ny fitondrana; nisy ny hafa tena tezitra ka nanontany izay tanjon'ny gazety vahiny.

Hehy sy Eso iray vilia 

OnionWeekly nanoratra tamim-panesoana:

洋葱周刊:深夜获悉人民日报和洋葱新闻进行了业务交流,并获得得了洋葱新闻的高度赞赏,我们略感欣慰地表示,洋葱周刊和人民日报代表着中国最真实的声音。

Hariva madiva ho alina, renay fa ny The Onion sy ny People’s Daily dia nampita tamin'ny fomba ofisialy, ary nahazo fankasitrahana avo dia avo avy amin'ny The Onion ny People’s Daily. Faly izhay milaza fa ny The Onion Weekly sy ny People’s Daily no mitondra tokoa ny tena feon'i Shina.

Mampiako ny resaka i Miresaka ny asa ao amin'ny tranom-boky:

中传戏剧戏曲所暨图书馆覅谈工作:人民网原以为自己是天下第一大忽悠,哪想到,天外有天,山外有山,楼外有楼,强中还有强中手。这次,除了默默地删除以外,没有说别的。

Mieritreritra ny tenany ho habaka tsara indrindra amin'ny fakan-tahaka amin'ny fomba mampihomehy ny People’s Daily, nefa tsy tsapan-dry zareo fa misy hatrany ny fifaninanana. Tamin'ity indray mitoraka ity, tsy nanan-kambara ry zareo ka tsy nanao afa-tsy ny namafa azy tamim-pahanginana.

Mpnao gazety zokiolona sady mpikaroka Xu Shenghai niresaka:

余胜海: 中朝两国只会相互吹捧,去年朝鲜媒体竟然说中国是世界上最民主最幸福的国家,美国是最不民主最不幸福的国家,真搞笑!

Tia mifanorokoro-body ny Shinoa sy ny KOreana Tavaratra, niteny aza moa tamin'ny herintaona ny Koreana Tavaratra fa i Shina no firenena demokratika indrindra eto an-tany ary i Amerika no tsy demokratika indrindra, izay teniteny foana!

gdaygluck nanao hatsikana:

gdaygluck:人民网的编辑们成天认真学习党的精神,哪有时间了解洋葱、土豆什么的除了吃还能干些啥。

Tsy manam-potoana hianarana ny fomba fihevitry ny antoko isan'andro ny tonian'ny People’s Daily, ahoana moa no ahafantarany fa mety hihinana azy [tampoka] ny tongolo [onions] na ny ovy.

Tsy misy mamaky ny People's Daily? 

Liang Weihao, tonian'ny Central Broadcasting Station no manoratra:

梁卫浩: 全世界媒体都被嘲笑了,他们竟以为中国网民会相信人民网。

Mihomehy ny gazety vahiny rehetra, satria na ry zareo aza mieritreritra fa mamaky People’s Daily isika Shinoa.

Xunxi’s sheep dad namaly:

淳溪家的羊爸爸:人民日报想增加曝光度,平时大家都不看。

Te-hisarika ny maso fotsiny ny People’s Daily, satria tsy misy mamaky ry zareo amin'ny ankapobeny.

Feon'ny Tsikera 

News Lecturer Yi Qiliang niresaka:

易前良:把恶搞当新闻,这是无知,无知其实还是可以原谅的,人民网通过不断学习,开拓视野还是可以补上这一课的。金恩这副权力膨胀起来的皮囊,要说性感,那是对性感的侮辱,人民网编辑莫非真没有美感?以丑为美,这种赤裸裸的权力崇拜才让人吐吐。

Fahadisoana tsy nahy iny, izay azo avela satria afa-mianatra ny People’s Daily amin'ny fanokafana bebe kokoa ny fijeriny, saingy, tia fahefana loatra i Kim Jong-un, ompa amin'ny hatsarana na dia ny mieritreritra azy fotsiny hoe manaitra-manintona, tsy mahalala ny atao hoe meva ve ny tonian'ny People’s Daily? Makandoa ny mieritreritra hoe ankafizin-dry zareo ny fahefana mitanjaka.

Diso fanantenana i Taorock No 2:

taorock二号:看看,党报犯了贱,人国外媒体就取笑中国人傻,人民日报和中国人民有啥关系啊,中国人民这都背黑锅背了多少年了。

Jereo, nanao fahadisoan'ny gazetin'ny antoko, manala azy amintsika Shinoa ny fampitam-baovao iraisampirenena. Manan-javatra ho antsika sarambaben'ny olom-pirenena ve ny People’s Daily? Tsy maintsy mifampiraharaha amin'izao diky betsaka izao amin'ny anaran'ny Antoko isika Shinoa tao anatin'ny taona maro.

Nitsikera i Between Light & Dark:

黑暗与光明之间: 可见中国官媒的固步自封到了什么程度.

Azonao jerena izao hoe lasa moramorainy tahaka ny ahoana moa ny fampitam-baovao ofisialy.

Fisainam-pitiavan-tanindrazana 

 Xu Jinbo, lehiben'ny fampahalalam-baovao Asia News tena hita mivandravandra fa tezitra:

徐静波微博:日本媒体很恶毒,人民网就发了一篇金正恩被评为「最佳美男子」的消息,这些电视报纸连番攻击,矛头直指党报。人民日报应该游说中央有关部门,坚决封杀这些反动媒体,不让他们参加重要记者会!

Masiaka ny fampitam-baovao Japoney, mba mitatitra fotsiny ny People’s Daily momba an'i Kim Jong-un ho “lehilahy mahafinaritra jerena indrindra,” ary dia mamelively antsika ireo fantsona fahitalavitra sy gazety ireo, tondroin'izy ireomivantana ny gazetin'ny antoko. Tokony handresy lahatra ny manam-pahefana ny People's Daily ny hanakana ireo gazety mora taitaitra ireo ary handra azy ireo amin'ny fanatrehana valan-dresaka manan-danja!

Namaly i Democratic Rice:

民主米粒:为什么要封杀?因为日本做出了批评就要这么做么?难道这就是中国的一惯做法?这件事情首先是,人民日报作为拥有权威性的媒体机构,在对新闻审评如此的不谨慎,闹出如此荒唐的笑话,本就应该作出检讨。苍蝇叮不了无缝的蛋,一个所谓的大国,不要总是这么没气量。

Nahoana no raràna izy ireo? Satria tsikera avy any Japana? Izany angaha ny fomba fanao eto Shina? Nanao fahadisoana amin'ny tsy misy dikany ny People's Daily amin'ny maha-loharanom-baovaon'ny manampahefana azy, tokony eritreretin-dry zareo ny momba ny fhadisoany. Tsy manaikitra atody tsy vaky ny moka; tokony hahazaka tsikera ny milaza tena ho firenen-dehibe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.