Iran: Famaizana Sy Tsy Fahampiana, Kitapo Foana Ho An'ny Fiahiana Fahasalamana

Tao amin'ny Arseh Sevom ity lahatsoratra ity no navoakan'i Peyman Majidzadeh voalohany.

Avy ao anatiny ihany ilay ratsy.

Tsy azo isalasalàna ny fisian'ny dona mivantana nentin'ireo famaizana teo amin'ny fiainan'ireo marary an-tapitrisa ao Iran. Tsy misy andro iray tsy andrenesanao tantara vaovao mikasika ny tsy fahampiana fanafody ao Iran sy ny fomba fiantraikany amin'ireo Iraniana, indrindra fa ireo mila mampiasa fanafody tsy tapaka.

Nandritra ny roatokom-bolana farany teo, nasongadin'ireo mpampahalala vaovao tao Iran ny filazana fa misy tsy fahaiza-mitantana sy goragora ny fanafàrana ataon'ny governemanta. Nanampy trotraka ny olan'ny tsy fisiam-panafody io, ary ny tsy fahaiza-manao avo any amin'ny sehatra ambony rehetra any.

Hossein Ali Shahriari, filohan'ny kaomisiona momba ny fahasalamana ao amin'ny parlemanta, nilaza hoe [fa], “Tsy nijery mihitsy ny sehatry ny fahasalamàna sy fitsaboana ny governemanta.” Nampiany fa azo ambara ho “tsy nisy vola mihitsy” natao ho an'ny tetibola sy ny fanafàrana fanafody tato anatin'ny enim-bolana lasa.

Ny minisitry ny fahasalamàma, Marzieh Vahid-Dastjerdi, ihany koa dia nanakiana ny fitsainjarana ny tetibola, hoy izy: “Tsy fantatray izay mitranga amin'ny volabe natokana hividianana fanafody.” Araka ny nambarany, 24% monja amin'ny tetibola ilaina hividianana fanafody no nomen'ny Banky Foibe

Ny kaomisionan'ny fahasalamana ao amin'ny parlemanta dia niresaka fitsipaham-pitokisana hatao amin'ny minisitry ny fahasalamana, izay nanitikitika ny sasany hanomboka hijery ny lafiny hafa amin'ilay tantara.

Ao anatin'ilay lahatsoratra Suffering by Design ao amin'ny bilaogy Uskowi mikasika an'i Iran, nanamarika ny mpanoratra hoe :

“Amin'ny maha-mpiasa matihanina amin'ny sehatry ny fahasalamana dia heveriko fa mahaliana ny mandavaka lalindalina kely sy mijery hoe inona, raha misy, ireo dingana noraisin'ny fanjakana mba hanamaivànana ity olan'ny ‘tsy fahampian'ny fanafody’ ity, na ve izy ity vokatry ny fiharatsian'ny olana noho ny fanantenana hoe ampiasaina ny hirihifin'ny olona ho toy ny fitaovana hiadiana amin'ny famaizana ankapobeny.”

Ao amin'ny Zamaneh Tribune, ny mpanoratra ilay lahatsoratra Famaizana Ara-pitsaboana sa Filalaovana ny Tsy Manantsiny [fa] manoratra hoe :

“ًNy tokony hanaitra antsika dia ny fitiavantenan'ny Repoblika Islamista mampiasa ny ‘famaizana’ hanaovany sorona ny olom-pireneny mba hifikirana eo amin'ny fitondrana. Ny fanaovana fahirano ny fanafàrana fanafody dia midika filalaovana ny ain'ireo olom-pirenena miankina be amin'ny fikarakaràna ara-pahasalamàna.”

Mr. Hosseini avy ao Qasr-e-Shirin any Kermanshah koa, ao amin'ny bilaoginy[fa],  dia nikiaka ny ahiahiny momba ny tsy fahampian'ny fanafody. Manakiana ny governemanta izy amin'ny filazan'ity farany fa 95% amin'ny fanafody ilaina no vokarina ao an-toerana ary manontany tena izy hoe mba firy amin'ireny fanafody vokarina ao an-toerana ireny no nahazo fankatoavana iraisam-pirenena ho manaraka fenitra. Manampy izy :

“Kanefa, tokony ho atolotry [ny governemanta] amin'ny habetsahana sahaza ny vola ilaina amin'ny fanafody sy ny zavatra ilaina amin'ny vonjitaitra ary tokony hipetraka tsara ny fanaraha-maso ilaina mikasika ny fandaniana azy. Io dia ho fisorohana ny fandanindaniam-poana ny vola efa kely sisa tavela tsy ho lasan'ny mpanelanelana eo amin'ny tsena, raha tokony hividianana fanafody kosa.”

Manouchehr Esmaili-Liousi tovolahy maty noho ny fahasarotana nateraky ny hémophilie avy amin'ny tsy fahampian'ny fanafody.

Ao anatin'ny lahatsorany am-bilaogy Challenges to People’s Health (Ny Fanambin'ny Fahasalamam-Bahoaka) [fa], Ahmad dia miresaka momba ireo marary mangirifiry noho ny hémophilie sy mampiseho ny ampahany amin'ny hirifirin'izy ireny vokatry ny tsy fahampian'ny fanafody. Hoy izy :

“Tsy fantatra mihitsy izay anton'ny andraso lava avy amin'ny Banky Foibe amin'ny fanomezana ny vola natao ho an'ny sehatry ny fahasalamana ary ny tsy firaharahiany ny olana misy amin'izao fotoana.”

Manome antsipirihany i Ahmad momba ny fanomezan'ny governemanta ny tetibola ho an'ny sehatry ny fahasalamana ary manamafy fa tsy nandray ny andraikiny mihitsy ny governemanta mba hanatanteraka izay fampanantenany. Mamintina izy :

“Ny olana toy ireo sedrain'ny sehatra fiahiana ny fahasalamàna dia manome porofo mazava azo tsapain-tànana ny tsy firaharahian'ny governemanta ny resaka fahasalamàna. Ny fitondrantenan'ny governemanta mitohy [tsy mahavita] manome ny tetibola ilaina dia ho loza mitatao amin'ny ain'ireo marary an'arivorivony; zava-misy iray izay ezahan'ny Minisitry ny Fahasalamana afenina… saingy ny filazàna ny marina sy fanaovana izay handrenesan'ireo manampahefana azy io dia tsara lavitra noho ny fanaovana sorona ny ain'ireo an'arivony, tahaka ny an'ilay tanora vao 15 taona tratry ny aretina hémophilie [izay maty].”[].

Anivon'ireo fanakianana rehetra momba ny famaizana sy ny politikan'ny governemanta mitarika mankany amin'ny tsy fahampian'ny fanafody, andiany iray misy Iraniana mpianatra sy mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona any Alemaina sy Soisa no nanangana ONG tsy mikatsaka tombontsoa mba ho toy ny tetezana eo amin'ireo Eoropeana mpamokatra fanafody sy ireo marary any Iran. Tànana Manampy Ho an'i Iran dia mikendry ny hanome ireo marary ireo fanafody tsy fahita firy ao anatin'ny fotoana fohy monja.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.