Mitohy Manakoako Manerana An'i Paragoay Ilay Fifandonana Nahafaty Olona Tao Curuguaty

Ny 15 Jona 2012, nitranga ny iray isan'ny zava-doza indrindra teo amin'ny tantaran'i Paragoay. Bemidina iray nataon'ny polisy tao an-tanànan'i Curuguaty, any avaratra atsinanan'ny renivohitra, hanadiovana tahirin'ala iray mirefy 2.000 hektara (eo amin'ny 5.000 acres) amin'ny tobin'ireo tantsaha mpibodo tany tsy ara-dalàna tao no niafara tamin'ny fahafatesan'ny polisy enina sy tantsaha iraika ambinifolo.

Ilay iraka tsy nahomby, izay voalaza fa nandefasana polisy vitsivitsy tsy nitondra fitaovam-piadiana sy fiarovan-tena, dia niteraka hasosorana tamin'ny olona sy ny manampahefana. Ireo lehibe mpibaiko dia niala bàla, ilay tranga dia lasa toy ny pitik'afo nandrehitra ny fanapahan-kevitry ny parlemanta hanao fitsipaham-pitokisana ny filoha Fernando Lugo, izay voakipilin'ny maro an'isa tao amin'ny kaongresy.

Ao anatinà lahatsary hany tokana vavolombelona nanatri-maso [es] ilay zava-doza, izay nivezivezy nanerana ireo tambajotram-pampahalalam-baovao tao an-toerana, nisy olona nahita ireo manampahefan'ny polisy ireo tratry ny vela-pandrika nataon'ireo voalaza ho tsy mpanara-dalàna.

Ny fanadihadiana dia nitondra tamin'ny fihazonana olona 24 noahiahiana ho voarohirohy tamin'ny famonoana; kanefa, ny tsy fahampiana raiki-tampisaky ny mangarahara momba ny zava-nitranga tamin'izay andro mahatsiravina izay dia niteraka fanehoankevitra maro samihafa avy amin'ny vahoaka.

Curuguaty

Curuguaty, Paragoay, Aogositra 2012. Sary: mpampiasa Flickr, June 15th, eo ambanin'ny  Creative Commons license agreement (CC BY-NC 2.0)

Taorian'ny nandraisany anjara taminà fitokonana tsy hihinan-kanina nandritra ny 60 andro ho toy ny fomba hanamafisany ny tsy maha-meloka azy sy ho fanangonana fanohanana fitakiana fahalalàhana dia efatra amin'ireo voasambotra no niharan'ny tsy fahazoana mivoaka ny trano fonenana [es] .

Mizarazara be ny hevitry ny olona mikasika izay tena zava-nitranga marina, miaraka aminà fomba fijery mifanao atsimo sy avaratra eny anaty tontolon'ny bilaogy eny. Ny ankamaroany, anefa, mahita marimaritra iraisana amin'ny fanakianana ny tsy fahampian'ny mangarahara avy amin'ny governemanta sy ny vaovao matotra ary dia miampanga ny mpampanoa lalàna ho nanao fanadihadiana tsy feno. Manoratra i Jota Efeb ao amin'ny bilaoginy Viva Paraguay [es] :

Pasaron 5 meses y nada. La sangre de los muertos en la matanza de Curuguaty no interesa a nadie dentro del Estado. Cuanto más rápido deje de hablarse del tema, mejor. Hace rato que intentan echar tierra encima y evitarse mayores cuestionamientos.

Dimy volana aty aoriana fa mbola tsy misy na inona na inona foana. Tsy mahataitra na iray aza ny ao anatin'ny governemantantsika ny ràn'ireo maty tamin'ny vonomoka tao Curuguaty. Ezahan'izy ireo ovàna haingana araka izay vitany ny mamadika ny resaka mba hahafahany manitrika azy io any ambany tsihy sy hisorohana fanontaniana misimisy kokoa.

Fa anatin'ireo fanehoankevitra tsy mitovy mikasika ny zava-nitranga iny andro iny ny finoana fa zavatra efa nomaninà tarika mpitifitra sangany ilay fanafihana, tsy nohadihadiana ireo mpiasa tantsaha.

Sahiran-tsaina mikasika ireo voatàna manao fitokonana tsy hisakafo, nanoratra i Pai Oliva [es] ao amin'ny bilaoginy :

Dos cosas: Primera no podemos dejarlos solos y que todo este asunto de Curuguaty termine con la condena de dos personas como ”chivos expiatorios” y luego pase al olvido…
Segunda, con este tipo de justicia, que condena antes del juicio, todos nos sentimos amenazados. Es la demostración más clara de que la justicia se compra o se presiona políticamente para que sea una justicia a la carta.

Zavatra roa: Voalohany tsy azontsika avela hiatrika irery ny mahazo azy ireo voantàna ka hamela ity zava-doza manontolo ity hiafàra amin'ny hoe izy roa ireo no ho mpisolo vaika ny ankàlana, ary avy eo avela ho adino any ny zava-nisy rehetra…
Faharoa, miaraka amin'ity karazanà fitsaràna ity – ny fitsarana izay manameloka aloha , vao mitady avy eo – matahotra isika rehetra. Io no tondro mazava be fa ny “fitsaràna” ananantsika dia ilay iray izay azo vidiana na miforitra ara-politika ka mahatonga ny fisian'ny fitsarana tefi-maika.

Ny sasany manontany ny fetram-paharetan'ity filazàna ity, tahaka ilay mpandalim-baovao, Naranja Mecanica, ao anaty lahatsoratra iray navoakan'ny  ABC [es] :

Según algunos comentaristas había francotiradores con armas de guerra en el campamento, incluso algunos dicen que estaban escondidos en ramas de árboles; otros sostienen que estaban escondidos entre los matorrales. ¿Como es posible que los campesinos permitieron que los francotiradores entren en el campamento? ¿Porqué no denunciaron la presencia de francotiradores? ¿Entraron de día o de noche? ¿No los vieron entrar? La única respuesta que veo es que los francotiradores eran miembros de los campesinos invasores, y desean culpar al actual gobierno de esta masacre; con esto protegen a los verdaderos culpables

Araka ny ambaran'ny sasany dia nisy mpitifitra mahay niery tany anatin'ny toby, nohamafisina fa hoe niafina tany anaty hazo; ny hafa miteny fa tany anaty lobolobo. Tena mety ho nisy tokoa ve ny hoe namelan'ny mpiasa tantsaha ny hidiran'ny mpitifitra kalaza tao an-toby izany? Nahoana ry zareo no tsy nitatitra ny fisian'ireo mpitifitra kalaza ireo? Niditra andro mazava sa ny alina nialoha ireo mpitifitra kalaza ireo? Tsy nahalala ny fisian-dry zareo tao ve ireo mpiasa tantsaha? Ny hany valiny mety ho azoko atolotra amin'io dia hoe mpikambana ihany ao anatin'ilay vondrom-piarahamonina tsy ara-dalàna ireo mpitifitra kalaza ireo, izay mikendry ny hanomezan-tsiny ny governemanta tamin'ny famonoana. Raha tonga amin'izay, dia mbola tsara aro ihany ireo tena meloka.

Raha mbola mizarazara be ihany ny fomba fijerin'ny olona ny tena zava-nitranga marina tamin'iny zava-mahatsiravina iny, izay nanova ny zotran'ny hoavin'i Paragoay, ilay fanadihadiana izay nanomboka dimy volana lasa izao dia mitohy tsy mahita vokatra mazava mikasika izay tomponandraikitra tamin'ny vonomoka tao Curuguaty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.