Te-ho Filoham-pirenena Vaovao Meksikana Daholo Ny Olon-drehetra

Ny 1 Desambra 2012, nahazo filoham-pirenena vaovao i Meksika; nanao fianianana tao amin'ny Kaongresy i Enrique Peña Nieto, mitondra ny PRI –ilay antoko nifehy ny firenena tany amin'ny 70 taona mahery — hiverina indray eo amin'ny fitondrana taorian'ny 12 taona nitazonan'ny PAN ny fahefan'ny filoham-panjakana.

Taorian'ny ora maro nizaràna fihetseham-po nifangaroharo ary taorian'ireo hetsi-panoherana ny filoha vaovao, nanomboka nampiasa ny tenifototra  #SiYoFueraPresidente [es] (Raha mba izaho no filoha) ireo mpisera amin'ny aterineto mba hizaràna ny fomba fijerin'izy ireo mikasika ny olana maika indrindra mihatra amin'ny firenena.

Juls Caesars (@JulsCaesars) [es], ohatra, dia naneho ny ahiahiny mikasika ny fahantràna ao Meksika :

@JulsCaesars :#SiYoFueraPresidente en lugar de hacer una “guerra contra el Narcotrafico”, encabezaría una Guerra contra la Pobreza.

@JulsCaesars: #SiYoFueraPresidente (Raha mba izaho no filoha) ho solon'ny “Ady amin'ny Zava-mahadomelina” dia “Ady amin'ny Fahantrana” no tarihako.

Adriana Llabres (@Adrillabres) [es] niteny fa ny laharam-pahamehana ho azy raha izy no filoha dia ny fomba fitondra feno fanajàna ny biby:

@Adrillabres: #siyofuerapresidente Pondría leyes muy severas a aquellos que maltratan a los animales. Tortura y carcel por abusivos.

@Adrillabres: #siyofuerapresidente (Raha mba izaho no filoha) dia mety hametraka lalàna henjana aho ho an'ireo ratsy fitondra biby. Fampijaliana sy fonja ho azy ireny.

Enrique Peña Nieto meeting with now former President Felipe Calderón in September 2012. Photo by Flickr user Gobierno Federal (CC BY-NC-SA 2.0)

Fihaonna'i Enrique Peña Nieto tamin'ny filoha teo aloha Felipe Calderón tamin'ny Septambra 2012. Sary avy amin'i Gobierno Federal, mpampiasa  Flickr  (CC BY-NC-SA 2.0)

Mandritra izany, L. Fernando Rdz. (@BlackNahual) [es] nitsapa ny fanakaikezan'ny filoha ny vahoaka Meksikana :

@BlackNahual: #SiYoFueraPresidente legitimo, festejaría con el pueblo.

@BlackNahual: #SiYoFueraPresidente (Raha mba izaho no filoha) iray mamim-bahoaka, dia nifety niaraka tamin'ny vahaka

Ary Casablanca (@aalms) [es] nitanisa olana roa goavana :

@aalms: #siyofuerapresidente EDUCACION y LIBERTAD DE EXPRESION para TODOS

@aalms: #siyofuerapresidente (Raha mba izaho no filoha) dia FANABEAZANA sy FAHALALAHANA MANEHO HEVITRA ho an'ny ISAM-BATAN'OLONA

Mafer Marin (@MaferMarin) [es] nilaza ny vintana vitsivitsy mety hahitàna asa ho an'ireo vao avy nahazo diplaoma tena amin'ny Anjerimanontolo :

@MaferMarin: #SiYoFueraPresidente los egresados de universidad tendrían más oportunidades de trabajo en sus áreas y no se exigiría “experiencia”.

@MaferMarin: #SiYoFueraPresidente (Raha mba izaho no filoha) dia hahazo vintana misimisy kokoa hahita asa ireo nahazo diplaoma teny amin'ny anjerimanontolo, mifanaraka amin'ny sehatra hainy ary tsy hitakiana ny “traikefa” efa ananany.

Maribel Rodriguez (@candyro8819) [es] dia nanakiana ilay governemanta mpanao kolikoly izay tsy mitàna ny fanomezan-toky nataony :

@candyro8819: #SiYoFueraPresidente no haría promesas al aire … ni mentiria por convivir … solo verdad y hechos…

@candyro8819: #SiYoFueraPresidente (Raha mba izaho no filoha) tsy hanao fampanantenana poak'aty mihitsy…na lainga mba hiaraha-mitoetra…fa ny marina sy ny zava-misy ihany…

Alex Kuzado (@pormistuits) [es] nivazivazy mikasika ny zava-pisotro malaza ao amin'ny firenena, Tequila, ary San Lázaro, toerana misy ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka nanaovan'i Enrique Peña Nieto ny fianianany ho filoha:

@pormistuits: #SiYoFueraPresidente tequilas gratis en San Lázaro

@pormistuits: #SiYoFueraPresidente (Raha mba izaho no filoha) dia tequilas maimaim-poana ao San Lázaro

Farany, R Valdes (@ricky_black) [es], mpampianatra, niteny fa ny làlana tsara indrindra hitondràna dia tsy ny kabary fa ny asa :

@ricky_black: #SiYoFueraPresidente no me quejaria tanto de lo que hacen los demas, habria que dar un buen ejemplo de como hacer las cosas

@ricky_black: #SiYoFueraPresidente (Raha mba izaho no filoha) tsy hitaraina loatra amin'izay ataon'ny hafa aho, hanome ohatra tsara kosa amin'ny fanaovan-javatra.

Nampiasa ny tenifototra #CambioDeGobierno2012 (fiovàna ao amin'ny governemanta 2012), #MéxicoNoTienePresidente (tsy manana filoham-pirenena i Meksika), #transición2012 (tetezamita 2012), ary #EPN (ho an'ny fanafohezana ny anaran'i Enrique Peña Nieto) ireo Meksikana hizaràna ireo tatitra sy hanehoana ny eritreritr'izy ireo mandritra ny andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.