Niverina Nandeha Indray ny Aterineto ao Siria

Niverina nandeha indray ny aterineto ao Siria – na farafaharatsiny amin'ny faritra sasany, araka ny voalazan'ireo Siriana any ivelany, izay niezaka fatratra te-hifandray amin'ireo hava-tsy foy nandritra izay telo andro nahatapahan'ny fifandraisana sy ny aterineto izay.

Rime Allaf dia nilaza ireo vaovao tamin'ny Twitter:

@rallaf: Namana Siriana maro no niverina niserasera avy ao Damaskosy, tonga soa indray! #Siria

Ilay Mpiblaogy Razan Ghazzawi nihiaka hoe:

@RedRazan: Tena mahatalanjona ny mitranga ao amin'ny FB [Facebook] amin'izao fotoana izao: efa miresaka ireo namako izao, mampiasa ny facebook am-pifaliana izao izahay. #InternetBackinSyria #Syria

Tsy nanafina ny hafaliany izy:

@RedRazan: Eo am-piresahana amin'ireo namako mipetraka any Damaskosy aho izao. Ohatra ireny ankizy ireny izahay ka tena faly tsotra izao aho! #InternetBackInSyria #Syria

Ary hoy izy nanampy:

@RedRazan: “Eritrereto anie ny hafalianay raha midoboka eo Assad e,” izany no resahin'ireo Siriana maro ao anaty Facebook amin'izao fotoana izao #InternetBackInSyria #Syria

Etsy an-danin'izany, Brian Whitaker nananihany:

@Brian_Whit: Asabotsy androany, ary te-hividy entana an-tserasera i Asma #syria

Asma Al Assad, vadin'ilay Siriana Bashar Al Assad mpanao didy jadona, dia malaza fa mpividy entana maro amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.