‘Fifidianana Carousel ‘ Areti-mifindran'ireo Fifidianana Kyrgyz

Nifarana hatreo ilay fampielezan-kevitra feno fitsabahana sy nandreraka tao Kyrgyzstana, izay efa ho telo volana izay satria efa voaisa ireo vato ho an'ny fifidianana monisipaly dimy natao ny 25 Novambra. Kanefa taorian'ny valim-pifidianana, lahatsoratra iray avy amin'ny mediam-bahoaka no namela marikivy tao ambavan'ny rehetra.

Ny 26 Novambra, andro iray taorian'ilay fifidianana, mpisera anaty aterineto antsoina hoe myrkkk no nampakatra  [ru] lahatsary iray nanaitra ny maro tao aminà fizàrana lahatsary malaza iray blive.kg, maneho vehivavy iray manome torolàlana momba ny  “Fomba fifidianana carousel ” ho an'ireo mpifidy ao an-drenivohitra, Bishkek (Fomba fifidianana carousel = fanaovana hosoko itaterana mpifidy hifindrafindra toerana handatsa-bato). Ilay vehivavy, Nargiza Azhibaeva,  mpandrindra ao amin'ny sampana tanoran'ny antoko mpanohitra ‘Respublika’, no aseho ao manome toromarika ho an'ireo tanora mikasika ny fomba hifidianana im-betsaka amin'ny fotoam-pifidianana.

Sary mahakivin'ireo tanora mpikambana amin'ny Respublika maneho ireo mpifidy ‘carousel’ . Endrika halatra faobe nalaza tany amin'ny firaisana Sovietika teo aloha ny fifidianana Carousel. Izay ahitàna andianà mpifidy maro taterina amin'ny fiarabe avy  aminà trano fifidianana iray ho any amin'ny iray hafa (nalaina avy tao amin'ny Kloop.kg).

Ho an’ i Azhibaeva manokana, izay ny Praiministra teo aloha Omurbek Babanovno filohan'ny antokony (naseho tao amin'ny tatitry ny Global Voices tetsy sy teroa), izy dia nanambara [ru] taminà fanadihadiana iray fa ilay lahatsary iny dia natao ho fanaratsiana ny Respublika, ary ny polisy miafin'ny firenena, teo ambany fifehezan'ny filoha Almasbek Atambayev,dia nampihorohoro azy tamin'ny fanaovana izany.

Ao anatin'ilay lahatsary ihany, Azhibaeva dia hita nilaza hoe[ru] :

Сейчас в первую очередь необходимо, чтобы вы были психологически к этому готовы. В принципе, до пяти часов мы максимально пытались работать честно, но уже ситуация выходит из-под контроля — в 7 часов УИКи закрываются, и мы сейчас будем пропускать своих людей.

 Ankehitriny , voalohany indrindra aloha, mila miomana ara-tsaina tsara ianareo amin'izany. Niezaka niasa tamim-pahamendrehana izahay hatramin'ny dimy ora, kanefa efa tsy voafehy intsony ny zava-nisy – ary mihidy amin'ny 7 ora ny biraom-pifidianana, ary handefa ny olonay ho ao izahay.

Avy eo ilay vehivavy milaza [ru] amin'ireo tanora hanaporofoana fa azon'izy ireo esorina ilay ranomainty amin'ny tànany sy mampahafantatra azy ireo ny manampahefana “akama” tokony hivantanan-dry zareo any amin'ny biraom-pifidianana alohan'ny hifidianana imbetsaka. Ambarany azy ireo koa ny tenimiafina izay holazaina ny manampahefana:

Во сколько закрывается УИК?

Amin'ny firy no mihidy ny braom-pifidianana ?

Tsy ela  ilay lahatsary dia nalaza be teny anivon'ireo mpisera anaty aterineto, izay nampiditra ilay hoe “Ambarany azy ireo koa ny tenimiafina izay holazaina ny manampahefana?” na dia ao anaty andian-tsary mahatsikaiky mahakivy aza :


   Tao anatin'io fanakiviana io, nananihany ny mpifaninana zandriny taminy ny filoha Atambayev, ilay Praiministra teo aloha Omurbek Babanov. Tamin'ny fiteny Rosiana sy Kyrgyz nifangaro, milaza i Atambayev hoe “Ay! Omurbek kely!” izay novalian'ny Babanov manao hoe : “Inona?” Avy eo  mikisaka mankeny amin'ny faritry ny fianjeràna i Atambayev: “Amin'ny firy no mihidy ny biraom-pifidianana?”

Raha voaporofo fa meloka i Azhibaeva dia mety hiatrika [ru] fito taona an-tranomaizina, na i Pamir Asanov koa aza, ny Filoha lefitry ny Polisy ao an-toerana, dia nampahatsiahy[ru] ny mponina fa tsy mampibaribary ny fisiana halatra fifidianana imbetsaka mihitsy ilay lahatsary, fa tahaka ny fanomanana fotsiny ihany.

N'inona n'inona, ilay raharaha dia nampiseho ny endrika feno fanesoana avy amin'ireo Kyrgyz mpisera anaty aterineto sy ny fironana hijery ny zava-drehetra mifandray amin'ny resaka politika ao amin'ny firenena miaraka amin'ny eso mihaja. Anatin'ireo fanehoan-kevitra maro niarahaba ilay olona nandrakitra ilay lahatsary (na io mpiasa ao amin'ny KGB , na koa olon-tsotra ninia nisandoka nanao fifidianana hosoka) nitombina[ru] ho toy ny fanehoana io fanesoana ho hita vatana ny fijerin'ny Doto :

Да молодой состав Республики спалился,не зря говорят опыт прежде всего……..))

 Mazava ho azy fa ny sampana tanora ao amin'ny Respublika no nikorontana- miditra anaty kajikajy amin'ny zava-drehetra amin'io lalao io ny traikefa…..))

Mpikambana iray hafa ao amin'ny Parlemanta, Shirin Aitmatova, no nihahiahy [ru] hoe misy tsaho milaza fa baiko avy amin'ny antokon'ny mpitondra no namokarana ilay lahatsary ary mety tafiditra amin'io ny antokon'ny mpitondra :

 Я не знаю, правда это или нет, в этом нужно разбираться. Но если это правда, и видео заказное, а снимали его представители спецслужб, то я думаю, мы возвращаемся в бакиевские времена. Когда спецслужбы занимались не своими функциональными обязанностями, а исполняют приказы власть имущих.

Tsy azoko antoka hoe marina io na diso, fa tokony ho halalinina aloha. Kanefa raha toa ka no nanatontosàna ilay lahatsary, dia tena miverina tanteraka tamin'ny andron'ny Bakiyev [Filoha teo aloha] isika, fony ny samapam-pitsikilovana nanaraka ny baikon'ireo teo amin'ny fitondrana, raha toa ka tokony hanatanteraka hatrany ny andraktr'izy ireo.

Raha iny vita iny ny fifidianana tao Bishkek, dia niha nazava fainy filoha Atambayev avy amin'ny antoko Sosialy Demokratika avy ao Kyrgyzstan no hita mazava fa nibata ny fandresena,tamin'ny isam-bato efa ho avo roa heny mitaha amin'ny an'ny Respublika, ilay antoko nahazo ny laharana faharoa. Ny fifandroritana momba ilay fifidianana dia atahorana [ru] hampirodana ny vovonana fiaraha-mitantana ny Parlemanta, tarehin-javatra efa zary mahazatra ao anatin'ny domaokrasia parlemantera mbola tanora ao Kyrgyzstan. (Global Voices dia nandrakotra ny politikan'ny fanorenana/faharavàn'ny fiaraha-miasa tao Kyrgyzstan eto, eto ary eto)

N.B Hita fa tena nahasarika ny bilaogera ao Kyrgyzstan tokoa ny fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana monisipaly tao Kyrgyzstan. Ao amin'io bilaogy io Ilya Lukash dia mitaraina [ru] momba ny ezaky ny antoko iray hametraka mpirotsaka iray efa fantatra fa voarohirohy aminà heloka be vava tany taloha ho amin'ny toeran'ny mpanolotsainy ao an-tananan'i Jalalabad. Tafiditra ho amoahany amin'ny fandrakofam-baovaon'ny Kloop mikasika ireo fampielezan-kevitra, norasarasain'ireo [ru] Rosiana manampahaizana manokana amin'ny fifandraisan'ny samy olona ny ireo paikady maha-valalanin'ireo antoko samihafa nifaninana. Tsy nisy namelàan'ireo manampahaizana manokana momba ny fifandraisan'ny samy olona ireo na iza na iza….

Ity Lahatsoratra ity dia ampahany manokana amin'ny lahatsoratray mikasika ny Tetikasam-panofanan'ny GV any Azia Afovoany ao amin'ny Oniversite Amerikana any Azia Afovoany ao  Bishkek, Kyrgyzstan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.