Lalao Virtoaly Nahazoany Asa Tena Izy, Lasa Mpitantana Baolina Kitra Ao Azerbaijan Izy

Tamin'ny 21 Novambra 2012, namafisina fa i Vugar Huseynzade no mpitantana vaovao ny ekipan'ny FC Baku, Azerbaijan, 21 taona izy ary nahavita fianarana ambony teny amin'ny oniversite, ny filalaovana lalao Football Manager (Mpitantana  Baolina fandaka) amin'ny aterineto na ny lalao video no tena fialam-boliny. Tsy mbola nisy tahaka izany fa voasongony ireo mpilalao baolina taloha toy ilay Frantsay Jean Pierre Papin tamin'ny nandrombahany ilay asa.

Vugar Huseynzade, 21 taona, mpitantana vaovao ny ekipa  FC Baku Azerbaijan. Sary tao amin'ny pejy Facebook ofisilian'i Azerbaijan FC Baku

Tyler Lee mpanoratra ao amin'ny bilaogy teknolojika Ubergizmo nanoratra hoe:

Mino izahay fa maro tamintsika tao no nanofy ho lasa mpilalao matihanina ary indrindra lasa nahazo asa rehefa milalao tsara aminà lalao video, tsy isika rehetra no manam-bintana hahatratra izany toerana izany, izany indrindra no antony mahafinaritra foana rehefa mamaky tantara momba ny olona izay nahita fahombiazana rehefa milalao lalao video, amin'ity tranga ity, toa hita fa mahay milalao video tsara ity mpilalao iray manokana ity ka nahazoany asa tena izy izay mitovy amin'ny lalao video fanaony. 21 taona i Vugar Huseynzade, mpilalao video avy ao Soeda, nahomby tamin'ny fahazoana asa ho mpitantana ekipa mpilalao baolina kitra izy na dia tsy manana traikefa amin'izany aza taloha – raha tsy manana ny Sega sy ny andiana Sports Interactive’s Football Manager [ho fizàran-draharaha]. Ho lasa mpitantana miandraikitra ny iray amin'ny ekipa mpilalao baolina malaza iray ao Azerbaijan i Huseynzade, ary na dia tsy manana traikefa aza izy, dia niezaka ny nandresy ireo fanta-daza tahaka ilay frantsay, Jean-Pierre Papin. Tsy dia ratsy!

Saingy mendrika ho an'ity olona 21 taona ity ve ny asa? Sportsnewsireland.com nilaza momba izany tao amin'ny bilaoginy:

Voatendry ho mpitantana ny ekipa FC Baku i Vugar Huseynzade. Eny fa na dia mbola tsy nitantana ekipa tena misy aza izy taloha. Noho ny traikefa ananany tamin'ny filalaovany lalao video nandritra ny folo taona ihany no maso-tsivana nahazoan'ity lehilahy 21 taona ity ny asa.

Manana diplaoma momba ny Fitantanan-draharaha tao amin'ny oniversiten'i Boston ity mpianatra ity ary nanana fizàran-draharaha kely teo amin'ny tontolon'ny fanatanjahatena tamin'izy nanaraka fiofanana taminà sekoly fanatanjahatena Amerikana iray.

Tao Azerbaijan no nahitana an'i Huseynzade, notendren'ny klioban'ny Ligy Voalohany izy ho mpitantana mpanampy tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Talanjona tamin'ny asa an-kerimpo nasehoany amin'ny Fitantanana Lalao Baolina kitra ny klioba ka nahatonga azy nisondrotra asa vaovao tahaka izao. Noho izany ireo nandany ny androny teo anoloan'ny solosainy manofinofy fa mitantana ny ekipany ho any amin'ny voninahitra, mety ho tontosa ny nofinofiny an. Iza no mahalala fa mety ho naka lesona avy amin'izany i Roman Abramovich noho ny fitadiavany ho mpitantana an'i Chelsea manaraka!

 

Araka ny voalazan'ilay bilaogera, amin'ny manaraka rehefa tapa-kevitra ny hilalao lalao video na amin'ny solosaina ianao, ataovy tsara amin'ny fo izany sao mba ho tena lasa mpitantana ny ekipa ankafizinao indrindra ianao indray andro any, na ho lasa mpitarika mpampianatra ireo ekipa ankafizinao indrindra na ho lasa mpanakanto haiady mahay indrindra ao amin'ny tanànanao!

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.