Hetsika “Voafonja Ny Latsabatoko” Hanohanana Ireo Mpitarika Ny Mpanohitra Ao Iran

Mir-Hossein Mousavi. Sary famantarana ao amin'ny pejy Facebook-n'ny ‘My Vote Under Arrest’ (Voafonja ny Latsabatoko)

Naraha-maso akaiky nandritra ny 650 andro ireo mpirotsaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena teo aloha sy lehiben'ny Hetsika Maitso, Mir-Hossein Mousavi, sy Mehdi Karroubi, miaraka amin'ny vadin'i Mousavi, Zahra Rahnavard.

Nitodika tany amin'ny media sosialy ny vondronà Iraniana mpampiasa aterineto izay miantso ny tenany ho “Mpanohana Ny Hetsika Maitso” mba hanairana sy hanosehana ny famoahana ireo voafonja noho ny fanehoan-kevitra ireo. Nisy pejy Facebook iray natsangana, antsoina hoe My vote is under arrest.

Manome rohy mankany aminà trakitra iray (pdf) ny lahatsoratra farany tao amin'io pejy io, izay voalazany fa tokony ho sintonina, avoaka printy ary haparitaka mandritra ireo lanonana ara-pinoana ho tanterahana manerana ny firenena mandritra ny volan'ny Muharram. Manonona, anivon'ireo zavatra hafa, taratasy iray misokatra avy amin'ny fianakavian'i Mehdi Karroubi ho an'ireo manam-pahefana ara-pitsarana ao amin'ny Repoblika Islamika io trakitra io, izay maneho ny ahiahiny lalina mikasika ny toe-pahasalaman'i Karroubi. Anatin'ilay taratasy, milaza izy ireo fa mitàna ireo manam-pahefana ho tompon'andraikitra amin'ny fahasalamany ara-batana. Mivaky toy izao ilay trakitra: “Nanaiky ny hitondra an'Atoa Karroubi any amin'ny toeram-pitsaboana ihany ry zareo nony farany.”

Efa nitatitra sahady ireo vohikala Iraniana mpanohitra fa samy naiditra nandritra ny fotoana fohy tany amin'ny toeram-pitsaboana  i Mir-Hossein Mousavi sy Mehdi Karroubi ny 19 Novambra 2012 teo. Tamin'izany fotoana izany ihany, naiditra toeram-pitsaboana ihany koa noho ny olan'ny havokavoka ilay gadra noho ny fanehoan-kevitra Ahmad Zeydabadi, mpanao gazety iray sady mpitàntsoratra jeneralin'ny fikambanan'ny mpianatra mpitondra fanovàna . Manana olana ratsy dia ratsy amin'ny aretim-po i Mousavi izay nahatonga azy tsy maintsy nodidiana tamin'ny faramparan'ny Aogositra. Voalaza fa niharan'ny fihenan-danja tampoka i Karroubi, te-handoa, tsy fahazotoan-komana ary fanimpanina.

Sary nalaina taminà bilaogy mpomba an'i Mousavi antsoina hoe “chenin-goft-mirhossein” [Ary izao no voalazan'i Mir-Hossein]

Nihetsika ny tontolon'ny bilaogy Iraniana vantany vao naely ny vaovao. Miresaka amin'ny mpitarika ny Repoblika Islamika ny mpitoraka bilaogy iray mpomba an'i Mousavi[fa]: “Seyyed Ali [Khamenei]! Mirhossein [Mousavi] no faram-bintanao! Raha mbola misy koa ny fotoana, omeo azy ny fitantanana ny firenena mba hetezan'ny vahoaka hamela anao. Raha tsy izany, hanelohelo anao ireo lavenona ambanin’ity afo ity!” [hita anatin'ilay lahatsoratra tena izy ny rohy mankany amin'ny lahatsarin'ilay hetsi-panoherana]

Tsy voalohany izao no ahatsiarovan'ireo Iraniana mpampiasa aterineto an'ireto roa mpitarika ny mpanohitra voagadra ireto. Ho fahatsiarovana ny 600 andro nitànana azy ireo dia namoaka ity lahatsary ity izy ireo ao amin'ny YouTube: http://www.youtube.com/watch?feature=player_detailpage&v=sHhaF-H7xDU

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.