Sazy Mandra-maty Ho Anà Poeta Qatari Iray Noho Ny Faniratsiràna Emir

Androany i Qatar dia nanameloka an'i Mohamed Bin Rashid Al-Deeb hifonja mandra-maty .. noho ny nanoratany tononkalo iray. Ilay tononkalo, amin'ny teny Arabo, dia lazaina fa manindrahindra ny Lohataona Arabo, manao fampitahana ireo firenena miaina ambany famoretana sy ambany jadona.

Araka ny ambaran'ilay Qatari mpanao gazety, Abdulla Al Athbah, ny tononkalon'i Al-Deeb dia maniratsira ny Emir Qatari [mpitondra] no fahitàna azy, ary niantso ny hanonganana ny fanjakany.

Mibitsika izy [ar]:

محكمة “الدرجة الأولى” في #قطر تصدر حكمها بالسجن المؤبد بحق محمد بن راشد الذيب بعد قصائد اعتبرتها تطاولا على الذات الأميرية وتدعو لقلب الحكم

.

@A_AlAthbah: Ny fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Qatar dia manameloka an'i Mohamed Bin Rashid Al-Deeb hifonja mandra-maty noho ireo tononkalo heveriny ho maniratsira ny Emir ary niantso ny handrodanana ny fitondrany.

Ao amin'ny Lockerz, Maysaa Alamoudi dia mizara sary iray amin'ny dika mitovin'ilay tononkalony, izay lazaina fa nahatonga ilay poety hisedra olana mikasika ny lalàna.

A copy of a poem by Al-Deeb

dika avy amin'ilay tononkalo nalefan'i Al-Deeb

Mampakatra ny didim-pitsarana amin'ny tranga toy izany i Zaid Benjamin :

@zaidbenjamin: Sary : Ny didim-pitsrana amin'ny tranga toy ny an'i Mohamed Bin al-Deeb al-Ajmi izay voaheloka hifonja mandra-maty ao #Qatar today pic.twitter.com/VDvyde9R

Mohamed Al-Deeb's life sentence

Ny sazy mandra-maty ho an'i Mohamed Al-Deeb. Sary nozarain'i @zaidbenjamin tao amin'ny Twitter

Amin'ny teny Arabo, nanaraka avy hatrany ny tenifototra #محمد_بن_الذيب_مؤبد izay midika hoe Fonja Mandra-maty ho an'i Mohamed Al-Deeb. Teo ambanin'ilay tenifototra ireo mpikirakira aterineto manerana ny tontolo Arabo no niampanga ilay didim-pitsarana, izay tondroin-dry zareo ho daka mandrivorivo ny fahalalahana maneho hevitra.

Mofareg Alshuya, avy any Arabia Saodita, milaza ilay didim-pitsarana ho henjana loatra. Mibitsika izy [ar]:

حكم على #محمد_بن_الذيب_مؤبد ..كنت متوقعاً أن يُحكم عليه لكن بهذا الحكم ولأجل قصيدة…في الحقيقة لم يخطر الحكم هذا على تفكير أكثر المتشائمين.

@MofarehAlshuyah: Efa nandrasako fa tsy maintsy ho voasazy izy saingy kosa tsy amin'ity sazy ity sy noho izay tononkalo iray .. Ny zava-misy, ity didim-pitsarana ity dia tsy niserana mihitsy aza tao an-tsain'ireo olona izay mety ho nihevitra ny ratsy indrindra

Mbola avy any Arabia Saodita ihany koa, Seba Alhamad miteny hoe :

بلد يسجن خوفا من شاعر و اخر خوفا من رسام كاركتير كم هي هشة امبراطوريات الاسلحة امام القلم

@SebaHmd: Firenena iray mamonja ny olony noho ny fahatahorana poeta iray sy iray hafa mamonja ny olony noho ny fahatahorana mpanao sariitatra iray. Dia tena marefo tokoa itony fanjakan'ny fitaovam-piadiana itony manoloana ny penina ka.

Ary ilay Ejiptiana  Menna manamarika hoe :

@TheMiinz: Sazy mandra-maty ho an'i Mohamed Ben ElZeeb noho ny tononkalo iray momba ny Lohataona Arabo sy ny Emir Qatari. Tena tsy mankaiza ny Arabo an #Qatar

Omani OmanLover manoso-kevitra ny hanelezana ilay antso fampakarana didim-pitsarana, raha mitranga izany – mivantana – ao amin'ny Al Jazeera ao Qatar, izay matetika no iharan'ny fanakianana amin'ny tsy fitaterana ireo vaovao sy tantara ratsy momba an'i Qatar

Kanefa, miantso ny olona i Emad Silawi hiandry ny didim-pitsarana :

الى كل المغردين في هذا الموضوع اقول ان قطر دولة قانون وممكن يستأنف الحكم وممكن يطلع عفو أميري ولا تصيدون في الماء العكر

@emadsilawi: Ho an'ireo rehetra mibitsika  mikasika ity lohahevitra ity dia tsy maintsy lazaiko fa Qatar dia firenena iray misy lalàna ary io didim-pitsarana io dia azo anaovana fampakàrana na koa mety hahazo famelan-keloka avy amin'ny Emir izy.

Ary Ahmed Al Rashdii mangataka azy ireo hanao izay hahametimety ny fiainany manokana:

ينتقدون قطر ب حكم #محمد_بن_الذيب_مؤبد ويصمتون عما يحدث في اوطانهم . البعض اختفى والبعض سحبت جنسيته والبعض سجن . اين انتم من احرار اوطانكم ؟!

@ahmed_alrashdii: Kianin-dry zareo i Qatar tamin'ny didim-pitsarana an'i Mohamed Bin Al-Deeb ary akombony ny vava nony injay tonga ny tokony hiresahana izay mitranga any amin'ny firenen'izy ireny, izay be ny nanjavona, ny hafa noverezin-jo tsy hanana zom-pirenena ary betsaka no any am-ponja. Aiza ho aiza no misy anareo any amin'ny firenenareo ry mpitolona ho amin'ny fahalalahana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.