Ejypta: Miala ny Mpangeja -Fizarana Fahatelo!!

Amin'izay faritana ho andiany fahatelo amin'ny revolisiona Ejypsiana, nidina an-dalambe indray ny Ejypsiana manerana ny firenena fa tsy i Kairo ihany mba hampita hafatra goavana fa vonona izy ireo hanongana izay ho mpanao didy jadona hafa.

Nanomboka ny antso taorian'ny nanaovan'ny filoha Muhammed Mursi fanambarana vaovao – mampiadi-hevitra- mikasika ny volavolan-dalàm-panorenana izay manasokajy azy ho mpangeja vaovao ao Afovoany-Atsinanana. Niverina an-dalambe ny ejypsiana mba hanohitra ny fahefana mihoampampana ananan'i Mursi izay nomeny azy manokana. Araka ny filazan'ny tati-baovao, nahavita nanindry ny fitsarana i Mursi, nanambara izy fa tsy manana alàlana hanohitra ny fanapaha-keviny ny fitsarana. Nahatezitra ireo Ejypsiana izany, izay niverina nirohotra indray tao amin'ny kianjan'i Tahrir mba hanohitra izay lazainy ho “Farao (Pharaon)” vaovao ao Ejypta sy ny antokony Mpirahalahy Miozolomana, izay lazain'izy ireo fa manangona fahefana tafahoatra.

Na dia mbola mijoro aza ny fitakian'ny Ejypsiana amin'ny fanonganana ny fitondrana, Zeyad Mourad nizara fitakiana hafa [ar]::

على فكرة : الشعب يريد توسيع الميدان

@ZeyadMourad: Taminà fanamarihana hafa: Nangataka ny vahoaka mba halehibiazina ny kianja

Navaozina ho an'ny olona an'arivony ny sehatra fa tsy tamin'ny endriky tamin'ny andiany voalohany tamin'ny revolisiona ihany, ary koa navaozina ho an'ny fanahy sy ny finoan'ny Ejypsiana ao aminà firenena afaka izay efa very tao anatin'izay roa taona lasa izay. Nampihetsika ny fihetseham-po mampiadi-hevitra teo amin'ireo revolisionera ny fandraisana anjaran'ireo antokon'ny seza (fiteny nomena ireo izay mampiasa seza ka mijery vaovao fa tsy mandray anjara eny am-potony nanomboka tamin'ny fiandohan'ny revolisiona) izay nantsoina hanatevin-daharana. Saingy tamin'ny hariva, nanjaka ny firaisankina [ar]:

حزب الكنبة مش فلول..دول اهلى واهلك والناس اللى كانوا خايفين الثورة تخرب البلد.. هما الأغلبية فعلا ومبيتحركوش اللا للشديد القوى #Nov27

@thKool: Tsy anisan'ny sisa tavela ho an'ny fitondrana akory ireo antokon'ny seza. Fianakaviantsika ihany izy ireo, izay somary matahotra ny amin'izay mety ho voka-dratsin'n revolisiona, anisan'ny maro an'isa izy ireo izay tsy te hihetsika raha tsy hoe olana mikasika ny fiainana sy ny fahafatesana izany

Na dia an'arivony aza ireo olona tao amin'ny kianjan'i Tahrir mba haneho ny heviny, nanapa-kevitra ny Mpirahalahy Miozolomana (MB) IkhwanWeb fa hiala amin'ny fitantarana lainga:

@ikhwanweb: Manohana ny hetsika milamina izahay & fanoherana mafonja; nanambara ny mpanao fihetsiketsehana androany fa tsy mba misy ny fanohanana avy amin'ireo Ejypsiana tahaka ny tamin'ny #Jan25

Ho an'ireo mpiserasera, mahafinaritra kely ery ny midaroka baomba ny kaontin'i Ikhwanweb amin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra manebaka mikasika ny fomba fitantanan'izy ireo ny hafanana – ara-bakiteny sy ara-panoharana -satria voatafika sy nodorana ny foiben'izy ireo ao amin'ireo Governorà isan-karazany. Karl Sharo nilaza tamin'ireo hoe:

Miady ianao androany alina. Tsy misy lalaon-teny.

Na ambony aza ny moraly ary fankalazana mahafinaritra ny fiverenana amin'ny fiainan'ny revolisiona, (metatra vitsivitsy miala avy eo) nitohy nandritra ny 8 andro ny fifandonana teo min'ny arabe Simon Boulevard amin'ireo nisy tamin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy. Voalaza tamin'ny tati-baovao fa fifandonana feno herisetra no niseho tao Mahalla teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanohana ny MB.

Namerina ny fahadisoan'ny teo alohany, tsy naneho hevitra mikasika ny zava-misy ny filoha Ejypsiana, ary tsy nanao kabary ho an'ny firenena tamin'ny fanambarana mendrika hoderaina. Na dia izany aza, nanambara ny mpitondra tenin'ny filoha fa tsy miova amin'ny heviny izy ary mitoetra ny didim-panjakana.

Araka ny hevitr'i Ikhwanweb:

@Ikhwanweb: Prez spox: tsy miova hevitra, mitoetra ny didim-panjakana, ho tompon'andraikitra eo anatrehan'Andriamanitra sy ny tantara ireo izay tsy te hitondra fahombiazana

Nanambara ny hetsika politika sy ny antoko politika fa hanatontosa sit-in ao Tahrir raha tsy misy ny fanafoanana ny volavolan-dalàm-panorenana. Ary toy ny miteny ny Ejypsiana hoe “Mitohy ny Revolisiona.” Rawah Badrawi nanamarika hoe:

@RawahBadrawi: Tiako raha mikomy amiko ny firenena raha tsy manaja ny lalàna sy ny lalàm-panorenana aho.” – Muhammad Morsy (Mangataha dia homena ianao) #tahrir

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.