Hetsi-panoherana Erantany Ho An'ny Guarani-Kaiowá, Vazimba Teratany Ao Brezila

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Zon'ireo Vazimba teratany.

Nihorohoro izy ireo tamin'ny fandrahonana azy ireo hoesorina amin'ny taniny, ny fahapoizinan’ny ranony amin'ny ataon'ireo mpiompy, ary vonona hanohitra hatramin'ny fara-fofon'ainy.  Manoloana ireo zavatra mandreraka ireo, dia ny media sosialy sy avy eny an-dalambe no hitan'ny vondrompiarahamonin'ny Guarani-Kaiowá ao Pyelito Kue / Mbarakay, ao amin'ny kaominin'i Iguatemi, Mato Grosso do Sul (MS) hahazoana fanohanana, izay tsy azon-dry zareo tamin'ny governemanta, ary mba nisy kely fa nihafihafy avy amin'ny FUNAI (“Fondation”-mpirenen'ireo Vazimba)

Ny Guarani-Kaiowá no ahitana ny iray amin'ireo vondrom-piarahamonina vazimba lehibe indrindra any Brezila (46.000 amin'ny 734.000 eo ho eo), saingy tato anatin'ny taom-polo farany dia lasibatry ny fanafihana tsy miato ry zareo satria ireo tany navelan'ny razany honenany ao MS dia lasa faran'izay mamokatra indrindra eo amin'ny firenena mitodika amin'ny fambolena indostrialy haingam-pihodina sy fakàna angovo ‘bio’. Eo ambany horohoro fandroahana iray hafa indray, tany ampiandohan'ny Oktobra 2012 tany, namoaka taratasy misokatra ny vondrom-piarahamonina Pyelito Kue / Mbarakay, izay niteraka valinteny mirarak'ompana. Tany akaikin'ny faran'ny volana, ny 30 Oktobra, ny Fitsarana Federaly ho any amin'ny faritra faha-3, ao  São Paulo, dia nampiato ny baiko fandroahana ireo Guaraní-Kaiowá hiala ny tobiny. Ny fanapahan-kevitra dia tokony ho voatàna mandra-pitily sy mandra-pamaritra ny zara tanin'ireo vazimba teratany farany hataon'ny FUNAI.

Nandritra ny herinandro iray mahery, ny 26 Oktobra hatramin'ny 9 Novambra 2012, nidina an-dalambe ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny lafivalon'ny firenena mba hanao fihetsiketsehana ho fiarovana ny Guarani-Kaiowá manoloana ny fandroahana an-dry zareo sy ny tsy fijeren'ny governemanta an'ireo vondrom-piarahamonin'ny vazimba. Ety anaty tambajotra sosialy, ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao dia naka ny anarana hoe “Guarani-Kaiowá” ho toy ny solonanarana ao amin'ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook.

Call for demonstrations across the country circulated on Facebook

Antso hanao fihetsiketsehana manerana ny firenena, niparitaka tao amin'ny Facebook

Mikasika ny hetsi-panoherana tao Sao Paulo, Ana Paula de Souza sy Deborah Camargo dia nanoratra [pt] ho an'ny bialogy Vírus Planetário (Planetarium Virus) [teny portioge] :

Danças indígenas, e gritos como “Somos todos Guarani- kaiowá”, “Matam um, matam mil estão matando todos os índios do Brasil” além de trechos da música “Pais e filhos”, de Renato Russo, ecoaram durante todo o percurso do protesto e chamou a atenção de diversas pessoas que andavam pelas ruas de São Paulo.  O silêncio também se fez presente em respeito aos índios que foram mortos em confrontos pela disputa de terra no Mato Grosso do Sul.  Na ocasião, muitas pessoas que não faziam parte do protesto se sensibilizaram com a reivindicação dos manifestantes e entraram no movimento que ocupou cerca de três quarteirões das ruas de SP. Com o crescente número de massa humana aderindo ao movimento, as autoridades locais já não sabiam mais qual o número exato de pessoas que faziam parte da passeata.

Ny fandihy vazimba, ary ireo hiaka toy ny “Guarani-Kaiowa daholo izahay”, “mamono iray ry zareo, dia mamono an'arivony: vonoin-dry zareo ireo Indiana ao Brezila” miaraka amin'ireo sombin-kira “Pais e Filhos” (Ray aman-dreny sy zanaka) an'i Renato Russo [mpihira avy amin'ilay tarika Breziliana mpiangaly rock tamin'ny taona 80, Legião Urbana], no nanakoako eran'ny làlana nanaovana hetsika ary nisarika ny sain'ireo vahoaka marobe izay nandeha teny an-dalamben'i São Paulo [SP]. Hita teny ihany koa ny fotoana fahanginana ho fanomezam-boninahitra ireo maty nandritra ny fifandonana momba ilay ady tany tao Mato Grosso do Sul. Nandritra io fotoana io, marobe ireo olona izay tsy tao anatin'ilay hetsi-panoherana no voaentana ka nanatevin-daharana ilay hetsika izay nahafeno ampahan-dàlana telo tao SP. Miaraka amin'ny isa tsy mitsaha-mitombon'ireo olona tonga manatevina laharana ilay hetsika, tsy hain'ireo manampahefana ao an-toerana intsony izay tena isa marina amin'ny olona nandray anjara tamin'ilay diabe.

Sandra Benedetti nandefa tao amin'ny Youtube, lahatsary iray avy amin'ny hetsi-panoherana tao  São Paulo :

Alexandre Guarani-Kaiowá nandefa andianà saripika tao amin'ny pejiny Facebook:

Demonstration in São Paulo. Photo by Alexandre Guarani-Kaiowá, used with permission.

Fihetsiketsehana tao São Paulo. Sary avy amin'i Alexandre Guarani-Kaiowá, fampiasàna nahazoana alàlana.

Demonstration in São Paulo. Photo by Alexandre Guarani-Kaiowá, used with permission.

Fihetsiketsehana tao São Paulo. Sary avy amin'i Alexandre Guarani-Kaiowá, fampiasàna nahazoana alàlana.

Alex Haubrich, mpanao gazety, dia nampakatra andiana saripika tao amin'ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook profile, avy amin'ireo fihetsiketsehana tao Porto Alegre, Rio Grande do Sul :

Demonstration in Porto Alegre. Phto by Alex Haubrich, used with permission.

Fihetsiketsehana tao Porto Alegre. Sary avy amin'i Alex Haubrich, fampiasàna nahazoana alàlana.

Demonstration in Porto Alegre. Phto by Alex Haubrich, used with permission.

Fihetsiketsehana tao Porto Alegre. Sary avy amin'i Alex Haubrich, fampiasàna nahazoana alàlana.

Tao Porto Alegre ihany, Carol Nugem, mpampiasa  Youtube  dia nampakatra [pt] lahatsary iray miaraka amin'ny kabarin'i Chief Vherá Poty manohitra ny famongorana ireo taranaka Guarani-Kaiowá :

Ny bilaogin'ny Kaomity Iraisampirenena Ho Firaisankina Amin'ny Guarani-Kaiowá dia nampakatra andiana lahatsary avy amin'ny hetsi-panoherana tao Dourados, fanjakan'i Mato Grosso do Sul.

Agnaldo Mattos, mpampiasa Youtube , dia nampakatra lahatsary iray avy amin'ny fihetsiketsehana tao Salvador, Bahia:

Rossanna Pinheiros nampakatra, tao amin'ny Youtube, lahatsary iray avy amin'ny hetsi-panoherana tao Rio de Janeiro:

Ary izy koa dia nampakatra andiana saripika avy amin'ny fihetsiketsehana tao Rio de Janeiro :

Demonstration in Rio de Janeiro. Photo by Rossanna Pinheiro. Photo used with permission.

Fihetsiketsehana tao Rio de Janeiro. Sary avy amin'i Rossanna Pinheiro, fampiasàna nahazoana alàlana.

Demonstration in Rio de Janeiro. Photo by Rossanna Pinheiro. Photo used with permission.

Fihetsiketsehana tao Rio de Janeiro. Sary avy amin'i Rossanna Pinheiro, fampiasàna nahazoana alàlana.

Nisy fihetsiketsehana nitranga ihany koa tany aminà tanana maro hafa nanerana an'i Brezila, toa an'i  João Pessoa, Feira de Santana, Osasco, Sorocaba, sy ny sisa.

Tao amin'ny Vimeo, nampakatra lahatsary iray i Robson avy amin'ny fihetsiketsehana tao Brasília:

http://vimeo.com/54017273

Nisy hatramin'ny hetsi-panoherana tany ivelan'i Brezila, toy ny tao New York nanoloana ny foiben'ny Firenena Mikambana:

Protest in front of the United Nations, New York. Photo by Leandro Viana, Masayuki Azuma and Sebastian Loaysa, used with permission

Hetsi-panoherana teo anoloan'ny Firenena Mikambana, New York. Sary an'i Leandro Viana, Masayuki Azuma sy Sebastian Loaysa, fampiasàna nahazoana alàlana

Protest in front of the United Nations, New York. Photo by Leandro Viana, Masayuki Azuma and Sebastian Loaysa, used with permission

Hetsi-panoherana teo anoloan'ny Firenena Mikambana, New York. Sary an'i Leandro Viana, Masayuki Azuma sy Sebastian Loaysa, fampiasàna nahazoana alàlana

Nitranganà hetsi-panoherana ihany koa tany  Porto (Portiogaly) sy Hamburg (Alemaina). Ny lisitra fenon'ireo hetsika nitranga tao Brezila sy ny pejy Vondrona Facebook mifanaraka aminy dia azo jerena ato [teny portioge]. +

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Zon'ireo Vazimba teratany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.