Revon'ny ‘Daidougei'n'i Japana – Zava-kanto An-Dàlambe

Daidougei” dia ireny karazana fampisehoana an-dalàmbe ireny any Japana. “Daido” dia midika hoe làlam-be ary “Gei” dia midika hoe ny seho. Ny mampihomehy, noho ny fandraràna araka ny lalàna Jàpone mikasika ny fivezivezena an-dalàmbe [ja] sy ireo fepetra maro natsangan'ny manampahefana eo an-toerana, dia tsy azo atao ny manao fampisehoana an-dàlambe. Mila fahazoan-dàlana manokana raha hanao Daidougei.

Vao tsy ela akory dia maro ireo karazan-kevitra no naroso nanohanana ireo  mpanakanto an-dàlambe ireo; ny Governemanta Metropolitain ao Tokyo dia namorona fandaharan'asa iray [ja] hanolorana fahazoan-dàlana ho an'ireo mpanakanto hiantsehatra an-dàlambe izay nankatoavin'ny governemanta. Ao amin'ny prefektioran'i Kanagawa, indroa isan-taona ireo mpilatsaka an-tsitrapo no mikarakara “Ny Fetiben'ny Noge-Daidougei”  mba hamelona ilay faritra amin'ny fanaovana fampisehoana an-dàlambe [ja]. Nefa, dia lazain'ny olona sasany ho tsy ampy izany tetikady izany.

Rehefa nanontaniana izy ireo ny amin'ny zava-tsarotra nandalovany,  mpanakanto iray Thankyou Tezuka namaly hoe Izany hoe izahay tsy mahazo alàlana haneho ireo zava-bitanay an-kalalàhana noho ireo lalànan'ny fifamoivoizana, ireo fifehezana maro isan-karazany sy ny maro hafa”.[ja]

Ilay bilaogera Taiki [ja] dia manoratra mikasika ireo fandraràna araky ny lalàna mikasika ny fampisehoana an-dàlambe:

日本には素晴らしいパフォーマーが多くいますが、彼らの活躍する「場」や「風土」、「文化」が日本にはまだ定着していません。
彼らはそういった場を求め、海外へ出ていってしまいます。更に言ってしまえば、海外に出ていけるパフォーマーはまだいい方で、自分の生活や金銭的な問題から才能を発揮できずに終わってしまうパフォーマーがほとんどでしょう。

Na dia misy marobe aza ireo mpanantalenta goavana ao Japana, ny tontolo iainan'ny fampisehoana an-dàlambe; ny “toerana”, ny “rivo-piainana” ary ny “foto-pisainana” dia tsy mbola miorina tsara mihintsy. Matetika mivoaka any ivelany mitady izany karazana tontolo iainana izany izy ireo. Ireo izay afaka mandeha any ivelany dia mba miaina tsaratsara kokoa. Fa ny sasany tafajanona kosa dia voatery misotro ronono mialoha ny fotoana tsy mba afaka maneho ara-drariny akory ireo fahaizany noho ny olana ara-bola.

Olon-tsotra iray mpaka sary, voasodokan'ny zavakanton'ny fampisehoana an-dàlambe Daidogei, dia nandany taona maro naka sary azy io. Akira no anarany. Izao no lohatenin'ny bilaoginy “Ny sarin'i Daidogei no sary rehetra nalaiko, ary na izaho aza tsy mahafantatra hoe maninona aho no lasa adala amin'io.”[ja]

Notantarainy fa ny fihaonany taminà mpanantalenta anankiray “Gilyak Amagasaki” [ja] no nitarika azy voalohany haka sary ny “Daigougei“.

ギリヤーク尼ヶ崎さんは、舞踏によって人間の情念や力、悲しみを表現する大道芸人。
雪の降る街中で踊る彼との出会いがきっかけで、ボクは様々な大道芸人を撮るようになりました。昔はともに日本中を旅しています。阪神大震災直後の被災地にも行きました。
その生き様と考え方。ボクにとって心の師匠です。

Gilyak Amagasaki” dia mpanakanto iray manandratra ny fihetsehampo mahery vaika, ny angovo sy ny alahelo lalina amin'ny alàlan'ny dihy. Nahita azy nandihy teny an-dàlana feno ranomandry aho ary, dia teo aho no nanomboka naka sary ireo mpanakanto maro hafa. Efa lasa nanana fahazarana mitety tanàna miaraka amin'izy ireo aho ary dia nandeha ihany koa tany amin'ireny faritra niharan-doza taorian’ ilay horohorontany lehibe tany Hanshin tamin'ny 1995 ireny. Tena manainga ny Fanahiko ny fomba fiainany sy fisainany. Mpampianatra ahy izy.

Indro ireo sary nalainy maneho ny fitserany ireo Mpanakanto. (Sary nampiasaina nahazo alàlana tamin'i Akira.)

“Gilyak Amagasaki” tao anatin'ilay “Ny sehon'i Osaka”  tao Namba, Amerikamura

“GchocoMarble” tamin'ny  “Alefa a! Daidougei ho an'ny rehetra eto Ikebukuro”

“Meriko” tao amin'ny fetiben'ny Sugiyama Shrine tao Kawasaki

“Daichi” tao amin'ny “kihon-dàlan'ny kanto tamin'ny pic-nic artisitika Ochanomizu”

“HANAMERI” tao amin'ny “Fetiben'ny Kanto Toyohashi “

 

“Thankyou Tezuka” tao amin'ny” Fetiben'ny Daidougei  tao Chiba 2012″

“Taiheiyou” tao amin'ny “Fetiben'ny Daidougei tao Asakusa rokku”

Azonao jerena ao amin'ny Tahirin-tsarin'i Akira ao amin'ny Facebook ireo sary hafa maro[ja]. Nomeny izao fanazavana izao [ja] tamin'ny nanamboatra ireo tahirin-tsary:

Manantena aho fa ireo sary ireo dia handrisika ny olona hivoaka ka hijery ny Daigougei. Tena ho faly aho raha mba afaka manome azy ireo  izay fahafahana hanao izany.

Nandona anao ve izany fanantenany izany?

Fanamarinana ny vakiteny:Keiko Tanaka

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.