Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra

Imatge d'una furgoneta de la policia amb el cartell electoral de CiU: "La voluntat d'un poble"- Andy Ríos Jara (Foto utilitzada amb permís)

Sarin'ny fiara antonon'ny polisy iray eo akaikin'ny afisim-panentanan'ny CiU , izay mivaky hoe: “Ny fanirian'ny vahoaka” – Andy Ríos Jara (Sary nahazoana alalana)

Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.

Iray amin'ny tranga niteraka sahotaka indrindra ny momba ireo tsy ampy taona roa izay nodarohan'ny polisy nandritra ny famoretana nataon'ireo polisy ireo mpanao fihetsiketsehana nolazaina ho nanao fihetsika misy herisetra. Nanangana vaomieram-mpanadihadiana [ca] ny manampahefana.

Namoaka lahatsarin'ny [ca] fotoana nidarohan'ny polisy ireo tsy ampy taona ny sampam-baovao Katalàna ACN [ca]. Nisy nampakatra tao amin'ny Youtube izy io ary nalaza vetivety tao anatin'ny fotoana fohy raha nahatratra mpitsidika mihoatra ny 500 000.

Araka ny nasehon'ny lahatsary eto ambony, nandritra ny famelezan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana, nahazo daroka henjana ny tovolahy 13 taona iray ka nitsirara tamin'ny tany. Raha nitazona ny lohany izy ary namonjy azy ny fianakaviany, nisy mpitandro ny filaminana faharoa tonga teo ary nanampy vely tamin'ny lamosiny. Tsy lavitra teo ihany, mpitndro ny filaminana roa no nanositosika tanoravavy iray, tsy ampy taona ihany koa, izay nivazavaza tamin'izy ireo.

Fotomuntatge amb la foto del noi ferit i els eslògans de CiU: "La voluntat d'un poble" i "Fem-ho possible"- Daniel Aguilar

“Ny Fanirian'ny vahoaka” sy “Ataovy azo tontosaina izany” – Sary nakarin'ny mpisera Twitter @protozoo (Daniel Aguilar)

Nifampiresaka tamin'ny ray aman-drenin'ilay tovolahy, izay nanambara fa vavafery dimy no voatery nozairina taminy, ny gazety an-tserasera delcamp.cat [ca].

El nen ha estat transportat amb un cotxe particular a l’hospital, ja que, segons denuncien els pares, els Mossos han impedit que una ambulància accedís a atendre l’infant.

Un dels familiars del nen ha destacat que els agents que han participat en aquest operatiu no anaven identificats.

Tsy maintsy nentina teny amin'ny hopitaly ilay tovolahy, na dia niezaka ny nanakana tsy idiran'ny fiara mpitondra marary sy hikarakara azy aza ny Mossos araka ny nolazain'ny ray aman-dreniny.

Nilaza ankoatra izany ny mpikambana iray tamin'ny fianakavian'ilay tovolahy fa tsy hay nofantarina ireo mpitandro ny filaminana nandray anjara tamin'ity toe-javatra ity.

Tao amin'ny fanambarana [ca] ofisialy nataon'ny Mossos no nilazany fa ny fotoana nakala ny lahatsary dia “niantoka ny fahafaha-mivezivezy malalaka ho an'ny mpanjifatao amin'ny tsenam-barotra tao an-toerana iray” ny mpitandro ny filaminana:

En el transcurs d’aquesta persecució, un agent ha carregat amb la defensa [la porra] contra un manifestant que havia actuat anteriorment amb violència i, el rebot de la defensa en la motxilla del perseguit, ha tocat el cap d’un menor que estava darrera i fora de la visió de l’agent actuant.

Un segon agent ha corregut darrera per cobrir el primer mosso propiciant un cop de defensa a les natges d’una persona que estava en un grup agenollat al terra rodejant el menor, desconeixent, el mosso, els fets succeïts.

Nandritra io fotoana io, voatery nampiasa hery ny mpitandro ny filaminana iray ho fiarovany ny tenany tamin'ny mpanaofihetsiketsehana iray izay nanao fihetsika mahery. Nievotrevotra avy teo an-damosin'ilay nanao fihetsika mahery ny fivelesany ka nidona tany amin'ilay tsy ampy taona izay tao ambadika ary tsy taza-mason'ilay mpitandro ny filaminana [naotin'ny mpandika: nataoko ho mpitandro ny filaminana avokoa ny filazana hoe manamboninahitra fandrao mampisaritaka antsika ny fahazoana azy].

Nisy mpitandro ny filaminana faharoa — tsy nahalala izay nitranga — nihazakazaka avy any ambadika hiaro azy, nanao kapoka am-piarovana teo amin'ny olona iray tafandohalika teo amin'ny tany tao amin'ny vondron'olona manodidina ilay tsy ampy taona.

Nisy tranga hafa nipoitra avy eo, fa vehivavy iray tany Barcelona no lasa tsy nahita [ca] ny masony ilany. Samy niteny na ny nanatri-maso na ny dokotera nandidy azy fa tratran'ny bala fingotra ravehivavy, saingy nandà ny fampiasana izany fitaovam-piadiana izany ny minisitry ny atitaty Puig. Nanambatambatra ny fijoroana vavolmbelona [ca] amin'izany tranga izany ny vondrona mpikatroka antsoina hoe Stop Bales de Goma na “Atsaharo ny Bala Fingotra” .

Nipoitra ny andiana tenifototry ny feo hafa avy eo, indrindra ny #CiUésviolència [ca] sy ny #PuigDimissió [ca]. Ny dikan'ny voalohany dia hoe “Herisetra ny Ciu” izay miresaka momba ny antoko mitondra any Katalonia, izay misy an'Atoa Puig. Ny farany kosa miantso ny fialàn'Atoa Puig.

@ferrer_marc -Papa,com ha anat la feina avui? -Doncs mira li he obert el cap a un noi com tu. #PuigDimissió Aquesta no és la policia que volem!

@ferrer_marc “Dada, nanao ahoana ny asa androany?” “Eny, anaka, novakiako ny lohana tovolahy kely tahaka anao!” #PuigDimissió TSY izao no polisy tadiavinay!

@_cafeambllet Mireu gent de @ciu: aquesta és l'identificació de la poli alemanya: http://imageshack Si no feu dimitir Puig demà, sou cómplices.

@_cafeambllet Jereo tsara ny mpanao politisianin'ny @ciu: izao no amantarana ny polisy alemana: http://imageshack raha tsy manery  ny fialan'i Puig ianareo dia mpiray tsikombakomba.

@salvadorcot Si es vol suport cívic a feines perilloses com la d'ahir a Via Laietana, els Mossos no han de donar mai un cop de més http://www.naciodigital.cat/noticia/48847/necessitem/millor/policia

@salvadorcot Raha tian-dry zareo ny hahazo ny fanohanam-bahoaka tamin'ny asa mampidi-doza tahaka ny omaly , tsy tokony hamely olona intsony ny Mossos  http://www.naciodigital.cat/noticia/48847/necessitem/millor/policia

Nanomana fihetsiketsehana [ca] tany Tarragona sy Barcelona ny mpiserasera liana ny andro manaraka ary nampiasa ny Change.org hananganana fanangona-tsonia [ca] mitaky n fialan'ny minisitry ny atitany avy hatrany. Nandrisika ny mpandra anjara handefa ity hafatra ity miaraka amin'ny soniany ny tompon'andraikitry ny fanomanana ilay fandraisana an-tanana.

To:

Departament d'interior (Generalitat de Catalunya)

Demostrin que vivim en un país democràtic i actuïn en conseqüència: Investiguin, identifiquin i cessin els responsables de l'agressió a dos menors d'edat a Tarragona durant la vaga general del 14 de Novembre

Sincerely,

[Your name]

Ho an'ny :

Departemantan'ny Atitany Catalonia,

Asehoy anay fa miaina ao anatina firenena demokratika isika ary maka ny andraikitra misy dikany: manaova famotorana, fantaro ary roahy ireo tompon'andraikitra tamin'ny fampiasana herisetra ireo tsy ampy taona roa tany Tarragona nandritra ny fitokonana faobe tamin'ny 14 Novambra.

Sincerely,

[Ny anaranao]

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.