Hetsi-panoherana Tao Phulbari Hanoherana Ny Tetikasa Fitrandrahana Arintany Manao Tafo Lanitra

Tao Phulbari, 350 km avaratra-atsinanan'i Dhaka renivohitr'i Bangladesh, tonga niaraka daholo ireo vondrom-piarahamonina samihafa mba hanandratra ny feon-dry zareo manohitra ilay tetikasa fitrandrahana arintany manao tafo lanitra. Ny 23 Novambra 2012, ireo manampahefana dia nanao amboletra nampihatra ny artikla 144 mandràra ny fivorivoriana mihoatra ny olona 4 ho ezaka fanakànana ireo fihetsiketsehana. An'aliny ireo olona nidina teny an-dalambe nankahatra  ilay fandraràna ka androany 25 Nov no andro faharoa [bn] nanaovana ny fitokonana faobe tao Phulbari.

Mipetraka eo ambony tahirin'entona voajanahary sy arintany tsy hita noanoa i Bangladesh , ary tamin'ny 1997, rehefa voatily ny tahirinà arintany ananan'i Phulbari (572 mill tonne) [bn], dia voasarika taminy ny sain'ny maro. Ny tompon'ny fahazoan-dàlana amin'ny Tetikasa fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, Asia Energy PLC, avy any UK dia nifidy ny fomba fitrandrahana mitafo lanitra, fomba iray mandoto ny fari-pitrandrahana, izay ahafahana manao fitrandrahana 80%. Ilay tetikasa, raha tafapetraka manontolo, dia haka tanàna maherin'ny 100000 ao anatin'ny faritra mirefy 59 Km² manodidina ary hamindràna toerana mponina an-jatony maro.

Hetsi-panoherana tao  Phulbari, mbola mitazana fotsiny aloha ny polisy. Sary avy amin'i Shahriar Sunny.

Tamin'ny 2006, nanomboka ny hetsi-panoherana manohitra ilay tetikasa ary olona telo no maty, maro no naratra satria notifirin'ny mptandro filaminana ilay korontana tsy hay nofehezina[bn] nataon'ireo mponina tao Phulbari. Nanelanelana ny governemanta sady nampitony ny toe-draharaha niaraka tamin'ny fampanantenana vitsivitsy izay ahitàna fanonerana ireo niharany, sy fisintonana ny fahazoan-dàlana. Nihantona ilay tetikasa rehefa niova ny fitondràna ka napetraka tao Bangladesh ny fepetra amin'ny tany miady tny ampiandohan'ny taona 2007.

Tamin'ny 2011 nivoitra fa ny Global Coal Management (GCM) Resources, izay Asia Energy tany aloha, no nanomboka resaka tamin'ny governemanta tao Bangladesh mba hiverina handinika ilay tetikasa fitrandrahana arintany mitafo lanitra. Mandritra izany, efa miverina amin'ny asa fanaony ry zareo miaraka amin'ny fanadihadiana mandritra ny roa taona ao anatiny sy manodidina ny faritra natolotra ho fitrandrahana arintany ao Phulbari.

Mpanao fihetsiketsehana mihazona takelaka sy sorabaventy eo ivelan'ny  Global Coal Resources AGM tao  Londona, UK, manohitra ny tolokevitra hananganana toby fitrandrahana arintany manao tafo lanitra any  Phulbari. Sary an'i James Melik. Fizakà-manana Demotix (6 Dec 2010).

 Prabir Kumar Sarker, mpanao gazety sady bilaogera, dia manoratra [bn] ny antony mah-mitera-doza an'ilay tetikasa ho an'ny mponina any an-toerana :

ফেব্রুয়ারির ২৮ তারিখে জাতিসঙ্ঘের মানবাধিকার বিশেষজ্ঞরা ফুলবাড়িতে উন্মুক্ত কয়লা খনির পরিকল্পনায় আশংকা প্রকাশ করেন। এই প্রকল্প শুরু না করতে তারা সরকারকে অনুরোধ জানায়।

Ny 28 Febroary 2012, ny manampahaizana manokana momba ny zon'olombelona, tsy miankina, nalefan'ny  Firenena Mikambana dia nampitandrina mikasika  ny loza mitatao entin'ilay fananganana toeram-pitrandrahana arintany manao tafo lanitra ao Phulbhari. Nitaky tamin'ny governemanta ao Bangladesh ry zareo mba tsy hanomboka ny asa rehetra.

Araka ny fanambaràn'ireo manampahaizana manokana :

Io toeram-pitrandrahana aroso io dia mety hanisahana avy hatrany olona eo amin'ny 50.000 hatramin'ny 130.000 eo ho eo, ary tafakatra hatramin'ny 220.000 no tena hiarany mafy avy amin'ny alàlan'ireo lakandrano rehefa mandeha ny fotoana, sady ho ritra ny vovon-drano.

Ho fanampiny, ilay tetikasa dia mety hamokatra arintany 572 tapitrisa taonina ato anatin'ny 36 taona ho avy, manomboka eo amin'ny toerana izay mirefy efa ho 6.000 hektara, sady hanimba 12.000 hektara amin'ireo tany famboly mahavokatra.

Vady andefimandry manao hetsi-panoherana eny an-dalambe, mikasika ny fiaina'izy ireo izy ity, ny hanin-kohaniny. Sary avy amin'i Shahriar Sunny.

Ny 22 Febroary 2012, ny London Mining Network and International Accountability Project dia nanamarika tao anaty tatitra irayfa :

Isaky ny mihetsika dia misedra sakana mahatonga resa-be hatrany ny ezaka ho famolavolana sy fanekena ny politikam-pirenena vaovao momba ny arintany ao Bangladesh, mikasika ny tokony hisian'ny fandraràna ny fitrandrahana arintany manao tafo lanitra. Ireo manohitra ny fandraràna dia mampivoitra fa ny tahirim-pirenena amin'ny arintany dia tafiditra ao ambanin'ny faritra faran'izay be mponina, midika izany fa ny fametrahana ilay fitrandrahana arintany mitafo lanitra dia ho sandaina olona tsy tambo isaina.

Manazava ihany koa ilay tatitra ny fomba mahafaty antoka ireo firenena an-dalampandrosoana amin'ny fanalefahana ny hetra sy ny tataon-ketra mba hisarihana ny fampiasana renivola, ary dia misitraka tsy fandoavan-ketra ry zalahy no fanalefahana samihafa.

Ny International Accountability project dia manana fitetezana ireo tranga izay maneho ny  fivoarana farany amin'ny raharaha ao Phulbari:

7 May 2012: Polsy manafika sy midaroka ireo mpanao fihetsiketsehana mitaky ny governemanta ao Bangladesh hampiato ny toeram-pitrandrahana arintany ao Phulbari sy hanohy ny resaka angovo azo havaozina, nanharatrana olona 15…misimisy kokoa>>>

26 Aogositra 2012: olona an'arivorivony no nanatevin-daharana ny famoriambahoaka tamin'ny “Andro ho an'i Phulbari” mismisy kokoa>>>

9 Novambra 2012: Ny Kaomitim-pirenena Ho Fiarovana ny Solika, Entona Harena Mineraly, Herinaratra ary Seranan-tsambo dia nangataka tamin'ny governemanta mba handrarà ilay fitrandrahana mitafo lanitra & fanaovana fifanarahana handroahana ny GCM hiala an'i Bangladesh. mismisy kokoa>>>

1 Novambra 2012: An'arivorivony ireo olona nanao diabe tao Phulbari nangataka ny fisintonana ny didim-panjakana iray navoakan'ny Ministeran'ny Atitany mibaiko ireo fitantanan-draharaha ao an-toerana & sy sampan-draharaha mpampihatra ny lalàna mba hanotrona ny Asia Energy, zana-tsampan'ny GCM, mba hametraka fanaraha-maso ny fanatobiana ireo arintany ao Phulbari…misimisy kokoa>>>

Olona an'arivony nifamory tao Phulbari hanao hetsi-panoherana. Sary an'i Shahriar Sunny.

23 Novembra 2012: An'arivony ireo olona nihantsy ny sakan'ny polisy mba hanao fihetsiketsehana tao Phulbari, nisedra ny fandràran'ny governemanta tsy hahazo manao famoriam-bahoaka, ary nanambara fitokonana faobe ny Kaomitim-pirenena Ho Fiarovana ny Solika, Entona Harena Mineraly, Herinaratra ary Seranan-tsambo tao Phulbari ho an'ny tontolo andron'ny Sabotsy 24 Novambra misimisy kokoa>>>

24 Novambra 2012: Olona marobe an'arivony no namaky ny sakan'ny polisy ary nirotsaka an-dalambe nankany Phulbari hisedra ny fandràran'ny governemanta tsy hahazo manao famoriam-bahoaka. misimisy kokoa>>>

24 Novambra 2012: Nifamory tao Phulbari ireo mpanao hetsi-panooherana, ary najanona ny fiarandalamby, nobahanana ny arabe, nakatona ny sekoly sy ny mpivarotra. Hitohy rahampitso ny fitokonana faobe misimisy kokoa>>>

Noteherin'ireo mpikatroka mafàna fo ihany koa ny zara fa fitaterana ny vaovao nataon'ireo mpampahalala vaovao mahazatra. Professor Anu Muhammad dia nitaraina [bn] tao anaty tafatafa iray tao amin'ny Unmochon.com fa na teo aza ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nataon'ny Kaomitim-pirenena Ho Fiarovana ny Solika, Entona Harena Mineraly, Herinaratra ary Seranan-tsambo, saiky mbola tsy miraharaha hatrany ity olana ity ireo mpampahalala vaovao mahazatra.

Tohina ihany koa izy ireo tamin'ny filazana nataon'ny kaomitin'ireo manampahaizan'ny governemanta izay naminavina fa “zava-misy iainana ny toeram-pitrandrahana manao tafo lanitra”. BBC Bangla [bn] mitatitra fa ny governemanta dia vonona ny hifampiresaka amin'ireo mpanao hetsi-panoherana raha toa kosa mbola mitohy amin'ny andro faharoany ny fitokonana androany.

Ho an'ny fanampim-baovao mismisy kokoa dia vakio ity taratasy (pdf)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.