Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy

Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity.

Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny Banky Espaniola) hampiato ny fandroahana taorian'ny roa taona nitolomana. Nambara fa mandritra ny roa taona izany didim-pitsarana fampiatoana izany, ary ireo fianakaviana manan-janaka kely sy ireo olona sembana ary ireo olona tsy an'asa nandritra ny taona maro ihany no voakasik'izany manokana. Tamin'ny 12 Novambra, nanambara ny Fikambanan'ny Banky (AEB) fa haato ny fandroahana amin'ny roa taona hoavy noho ny “antony maha-olona” sy amin'ny “toe-javatra tsy azo avela”.

Na dia nankalazaina ho toy ny fandresena avy amin'ny hetsiky ny olom-pirenena aza ny fanambarana, tsikera sy ahiahy maro no niseho. Ada Colau, mpitondra tenin'ny fikambanana Plataforma de Afectados por la Hipoteca (PAH) [es] (Sehatra Ho an'ireo iharam-pasahiranana sy fahasembanana), nampanantena [es] fa hanosika ny “olona hifaninana mba hahitana hoe iza no marary ary iza no tena ory.” Tao amin'ny habakany, nilaza ny fikambanana fa diso fanantenana [es] satria ilay didim-panjakana vaovao dia :

 […] una artimañana basada supuestamente en criterios económicos y de vulnerabilidad, con el único fin de contentar a la banca y excluir por segunda vez a la mayoría de gente que está sufriendo este drama […]

[…] Hafetsifetsena, lazaina fa mifototra amin'ny sivana ara-toekarena sy ny fahosana (vulnérabilité), izay ny tanjona tiana ahatongavana amin'izany dia ny hamalifaliana ireo banky sy hanesorana indray ny ankamaroan'ireo olona iharan'izany voina izany […]

Ankehitriny, fandroahana maherin'ny 500 no miseho ao Espaina, ka 400.000 no isany tamin'ny fiandohan'ny krizy 2008. Toa hafahafa tokoa ny mahita fa trano fonenana roa tapitrisa no babangoana, ary ireo tompon'andraikitra mitantana sy manapa-kevitra amin'ny fandroahana ireo olom-pirenena tsy afaka mandoa trosa tsy mitsaha-mitombo ireo ihany no mila ny volam-bahoaka  mba tsy ho very. Ao anatin'izany toe-javatra tsy ara-drariny izany, izay niteraka fahatezerana lehibe ara-tsosialy, nametraka tobim-pialofana teo anoloan'ireo foiben'ny banky ireo olona voakasiky ny fandroahana, avy eo nitarika famonoan-tena marobe an'ireo olona izay fantatra fa horoahina amin'ny tranony [es], nanao fivoriana ny antokon'ny mpiasa sosialista espaniola PSOE (Spanish Socialist Workers’ Party) sy ny antokom-bahoaka (Popular Party) mba hitady vahaolana.

Acampada de afectados por los desahucios en la Plaza de Celenque. Fotografía de Diana Moreno.

Sasany tamin'ireo niharan'ny fandroahana namelatra tobim-pialofana teo ivelan'ny Plaza de Celenque.  Sary: Diana Moreno.

Hetsika, Hetsi-mpanoherana sy Famelarana Tobim-pialofana

Na dia izany aza, araka ny fahitan'ny sasany, tsy ireo vondrona politika no misafidy hanao izany. Angamba, vokatry ny fanerena lehibe ara-tsosialy izany, izay manery ireo governemanta mba hijery ny olana ka hitady vahaolana.

Nanomboka tamin'ny 2009, ny fikambanana tahaka ny stopdesahucios [es] (stopevictions), ny 15M na ny Plataforma de afectados de la hipoteca (sehatry ny olona iharan'ny fanomezana antoka hitrosàna) [es], no nitolona mba hanajanonana ireo fandroahana ary nanolotra teboka telo ahafahana mametraka ny “zo hanana trano fonenana” ho lalàna manankery: ny fampiatoana ireo fandroahana (miaraka amin'ny hetsi-panoherana ataon'ny mpikatroka, hofan-trano sosialy ary solon-trosa. Fomba iray hamonjena ireo fianakaviana marobe voatery tsy maintsy mandoa vola noho izy voaraoka tao amin'ny tranony ity fepetra farany ity.

Fanampin'izany, hevitra hafa toy ny fanangonan-tsonia marobe izay miantso amin'ny fanovana ny lalàna momba ny trosa na antoka amin'ny alalan'ny ILP (Initiative législative populaire) [es] na ilay filasian'ireo olona voakasiky ny olana tao amin'ny Plaza de Celenque ao Madrid no ahafahana mihaino ny hevi-bahoaka rehetra fa tsy ny hevitr'ireo olona voakasika ihany no mahaliana izay tsy mba fantatry ny olona ny fisiany na sokajiana fotsiny ho voina kely tsy mahataitra. Etsy andaniny, nandritra ny fotoana iasàn'ny antenimieran-dalàna ankehitriny sy farany teo, nanolotra soso-kevitra maro manohitra ny fandroahana ny avy amin'ireo vondrona parlemantera ankavia, saingy notsipahan’ [es] ny PP sy PSOE avokoa izany soso-kevitra rehetra izany.

Cartel de la Plataforma de Afectados por la Hipoteca

Afisin'ny Plataforma de Afectados por la Hipoteca (Sehatra ho an'ireo Iharan'ny fanomezana antoka hitrosàna).

Banky sy Antoko politika, sokajiana ho mampiahiahy

Afaka sokajiana ho fahombiazana avy amin'ny fanerena ara-tsosialy ny fanambaran'ny AEB sy ny fahatongavan-tsainan'ireo mpanao politika, toy izany ihany koa ireo vaovao mahafaly, tahaka ny hoe polisy mandà tsy handray anjara amin'ny fandroahana [es]. Kanefa raha ny zava-misy dia vitsy dia vitsy ireo olona matoky ny fikasan'ny Governemanta: tsy mazava amin'ny PAH hoe nahoana ireo olona izay manakana ny vahaolana rehetra mikasika izany olana izany no mbola manohy mikarakara adihevitra foana hatramin'izao. Tao anatin'ny fanambarana an-gazety, naneho ny ahiahiny ny PAH noho ny antony roa: voalohany, ny PP sy PSOE no nahatonga ny zava-misy ankehitriny (“mercantilizando la vivienda, sobreendeudando a la población, permitiendo que la Banca estafe a la población”) (fitadiavam-bola amin'ny trano fonenana, mahatonga ireo olona ho bokan-trosa, manome alàlana ny banky hamita-bahoaka) ary ny faharoa, tsy mba nanao na inona na inona ireo antoko raha nanomboka niseho ny voina, ka naka ireo fepetra tokony horaisina hoentina hamahana ny olana. Hoy ny olona iray niharan'ny fandroahana nilaza:

Nos hubiera gustado que hubiera intervenido un compañero de la plataforma, el defensor del pueblo o alguien de los juzgados en la reunión del PSOE y el PP, para que fuera imparcial.

Mpanohana ny hetsika, mpiaro ny vahoaka na solontenan'ny fitsarana no tianay mba handray anjara amin'ny fivorian'ny PSOE sy PP, amin'izay mba mangarahara ny fandehan-javatra.

Nilaza ihany koa ireo olona voakasiky ny fandroahana fa tsy ilay didim-panjakana mampiato ny fandroahana no vahaolana fa lalàna ahitana ireo teboka telo izay nasongadin'ny PAH. Nampiseho ny ahiahiny amin'ireo fahefana mpanatanteraka ny mpitondra teny hafa:

El Gobierno quiere hacer un lavado de imagen junto al PSOE. Queremos que se negocie la solución. Que cambien la ley como pide el pueblo. Hay que despertar conciencias, que el pueblo no se crea esta ley de paso.

Te hanatsara ny endriny fotsiny ny governemanta miaraka amin'ny PSOE. Tianay mba hijery vahaolana miaraka izy ireo. Mba hanovana ny lalàna araka ny hetahetam-bahoaka. Te-hanaitra ny fahatsiarovan-tena izahay, fa tsy havelan'ny olona handalo fotsiny izany lalàna izany

Hugo Martínez Abarca, tao amin'ny lahatsoratra fanadihadiany [es], nanome ny heviny momba ny tena anton'ny fivoriana:

(…)Para los bancos es muy mal negocio asociar su marca concreta con la violación de derechos de los más débiles.

Los desahucios han comenzado a ser un drama también para los bancos, y ahí es donde entran PP y PSOE negando la palabra a los desahuciados y escenificando una honda preocupación por el problema.

(…)Ho an'ireo banky, manaratsy ny endriny sy ny marikany ny bizina ratsy ataony amin'ny fanitsakitsahana ny zon'ireo tena osa sy sahirana.

Nanjary loza ho an'ireo banky ihany koa ny fandroahana, izany indrindra no antony hirotsahan'ny PP sy PSOE an-tsehatra amin'ny fanakànana ireo olona niharan'ny fandroahana tsy  haneho hevitra ka mody sahirana mafy mitady vahaolana mikasika izao olana izao.

Hevitra marobe mikasika ny olana no hita tao amin'ny Twitter toy ny hoe:

@albertopradilla: Gobierno y PSOE no se “han puesto de acuerdo” para evitar los desahucios. Siempre lo han estado, antes permitiéndolos y ahora disfrazándolos 

@albertopradilla: Tsy “hahita marimaritra iraisana” ny governemanta sy ny PSOE, mba hisorohana amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany. Nifanaiky foana izy ireo taloha mba hanome alalana azy ireo saingy ankehitriny dia miafina amin'izy ireo.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.