Manintona Ny Saina Ho Any Amin'ireo Olona Manana Fahasembanana Any Jamaika Ny Fampirantiana Zava-kanto Vaovao

Nanamarika ny fanombohan'ny fampirantiana voalohany indrindra notanterahin'ny mpanakanto Jamaikana Astro Saulter tao amin'ny Studio 174 tao afovoan-tanànan'i Kingston ny 17 Novambra lasa teo. Ilay fampirantiana, nomena ny anarana “Astro: The Morning Star” (Astro: ilay Kintan'ny maraina), dia nanana ny lanjany tsy noho ny fanolorany mpanakanto vaovao eo amin'ny sehatry ny haikanto ao an-toerana ihany, fa nampitolagaga ihany koa ny nahafahan'ilay mpanakanto nanana ny fampirantiany manokana. Miaina miaraka amin'ny tsy fahatomombanan'ny atidoha, tsy mahavita mifehy ny ankabeazan'ny hozany i Astro ary mamorona ny sangan'asany amin'ny alalan'ny fampiasana ny rindrambaiko EZ Keys. Voakaly tsara ilay fomba ampiasaina, ary ny sangan'asa iray dia maharitra eo amin'ny iray volana eo vao vita. Raha laharam-pahamehan'ny Tetikasa Astro (ny ekipa ao ambadik'ity hetsika ity) ny hampifantoka ny olona amin'ny asan'i Astro Saulter, naka tanjona midadasika kokoa izy, izay mifandray amin'ny filàna miditra betsaka amin'ny fampianarana ny haikanto, indrindra ho an'ireo olona manana kilema:

  • Ny filàna hampivoatra ny fahaizana mamorona ho an'ireo olona manana kilema, ka hampiakatra ny maha-izy azy sy ny reharehany;
  • ny filàna fahafahana bebe kokoa hampiseho ny fahaiza-mamorona sy ny fankatoavana izany fanehoana izany, ary ny fampivoarana ny fanmezany lanja ny tenany sy ny fanomezana fidiram-bola ho an'ny filàny manokana;
  • ireo tombontsoan'ny fahafahan'ny olon-drehetra mahazo ireo haikanto, mitondra amin'ny fiakaran'ny fankasitrahan'ny mpijery sy ny hafalian'ny olona amin'ny talenta kanto ananan'ireo olona manana kilema.
  • Mendrika ny ho afaka hahazo traikefa amin'ireo fampianarana haikanto avo lenta ny tanora rehetra izay manana kilema.
  • Tokony hivonona handray ireo mpianatra manana kilema amin'ny fampianarany ireo mpanakanto rehetra any am-pianarana sy ireo mpampianatra haikanto.
  • Ireo ankizy, tanora, ary olon-dehibe rehetra manana kilema dia tokony hanana fahafahana feno hiditra amin'ireo foto-drafitrasa sy hetsika ara-kolontsaina.
  • Ireo olon-tsotra rehetra manana fahasembanana izay mikendry ny hiasa anatin'ny kanto dia tokony hanana fahafahana hampivoatra ireo traikefa mifanaraka aminy sy ireo fahafahany mampidi-bola.

Chris Blackwell miresadresaka tamin'ny fanokafana.

Rosie Chung, talen'ny Studio 174, nikasa hampiasa ilay toerana ho amin'ny asany manokana nefa nanapa-kevitra ny hanokatra izany ho ampiasain'ireo hafa ao anatin'ilay vondrom-piarahamonina. Nanamarika ihany koa izy fa ireo mpianatry ny Studio 174 no namorona ilay sary hosodoko misarika ny maso eo amin'ny rindrina izay mipetraka any amin'ny Knutsford Blvd amin'izao fotoana izao.

Mivoaka avy aminà fianakavianà mpanakanto i Astro. Tany ampiandohan'ity taoana ity araka izany dia  namokatra fanadihadiana fohy mikasika azy ireo rahalahiny, Storm sy Nile Saulter mpamorona sarimihetsika:

Anatin'ny fanambarana amin'ny endrika kanto nataony, nanoratra i Astro fa tahaka ny fomba voalohany indrindra entiny maneho ny heviny ny sangan'asany:

Tsy manam-peo aho nefa tsy mangina. Mampiasa fitaovana mihoatra ny vata-tenako aho hifaneraserako. Nandritra ireo taona ireo dia nasehoko avy amin'ny alalan'ny teny nosoratana avy amin'ny solosaina ny feoko, ary ankehitriny, tanatin'ireo taona vitsy lasa dia zary lasa sangan'asako ireny, mihoatra noho ny teny, izay nameno ny fitiavako lalina hifandray amin'ny olona amin'ny fombako manokana.

Jeep ho an'ny Fianakaviana

Nangataka ny hankasitrahana bebe kokoa ireo mpanakanto sy ny sangan'asan'izy ireny ihany koa izy:

Mpanakanto avokoa isika amin'ny endrika iray na iray hafa. Manantena aho fa hankasitraka tanteraka, sy hahatakatra ny fitiavana sy ny ezaka hita amin'ny asako ny olona rehetra. Ho an'ireo mpanakanto namako, enjeho mandrakariva ireo kintana, ary tadidio, raha manana fomba fijery sy fankafizana ny zavatra tena tiantsika atao isika, dia afaka manatanteraka izany fanamby izany, ary hahalavorary ny nofintsika isika raha miezaka mafy. Olona mahafinaritra avokoa ireo mpanakanto rehetra, ary miaraka amin'ny sangan'asantsika izay manana fiantraikany tsara eo amin'ny olona amin'ny fomba maro dia tena afaka mitondra  fahasamihafana ao anatin'ny tontolo isika.

Ackee

Manantena i Kate Chappell ao amin'ny Jamaica Journal fa ny fahalavorarian'ny vitan'i Astro dia hampifantoka ny sain'ny olona, tsy amin'ireo sedra mihatra amin'ny olona manana kilema irery ihany fa amin'ny fahaizany manokana izay tena tsara dia tsara ihany koa:

Tsy mora mihitsy ny mamakivaky ny fiainana miaraka amin'ny kilema, ary toerana iray sarotra iainana tokoa raha i Jamaika. Mialoha làlana ireo fitsaratsaràm-poana, ny tahotra sy ny fanavakavahana. Tsy misy toerana mety amin'ireo olona mampiasa seza misy kodiarana. Efa sarotra ho an'ny olona mampiasa vatana ny mandehandeha eraky ny arabe, koa tsy vitako ny mieritreritra ireo olona mampiasa seza misy kodiarana na zavatra hafa fanampiny izany. Nefa manampy amin'ny fanairana sy ny fanehoana amin'ny vahoaka ireo hetsika ireo fa tsy manakantsakana ny nofinofy sy ny tanjon'ny tsirairay ny fahasembanana. Maneho ny tahotra mihoa-pefy sy ireo fitsarana ivelany mihatra amin'ireo olona manana kilema ihany koa izany. Toa manomboka mivoaka ny hafatra. Ndeha samy hanantena fa hitohy izany fanentanana mitombo izany.

Astro miaraka amin'ny Governora lefitra ao Ontario David Onley, izay tsy afa-mihetsika amin'ny ampahany noho ny polio.

Nanatrika ilay fampirantiana ny mpitoraka bilaogy Annie Paul ary talanjona:

Nankafy tanteraka ny fanokafana ny fampisehoan'i Astro tao amin'ny Studio 174 omaly alina…Teraka avy amin'ny fianakaviana Saulter niaraka tamin'ny tsy fahatomombanan'ny atidoha (i Storm Saulter rahalahiny ilay voalaza fa talen'ilay horonantsary Better Mus Come sady mpiandraikitra ny fampidirana aim-baovao anatin'ireo sehatry ny famokarana horonantsary any Jamaika sy Karaiba), i Astro no zazalahy nanaovana ny peta-drindrindra tamin'ny hetsika ho an'ny fampivoarana ny famoronana sy mampitombo ny fahalalan'ny olon-drehetra, na inona na inona ireo sedra ara-batana sedrain'izy ireo. Sady tsotra no mafonja ara-endrika sy loko, vokatra avy aminà fahavitrihana mamelombelona, maso manan-talenta, ireo sangan'asa novokariny avy amin'ny alalan'ny solosaina sy ny lohany.

Nahita io asa io ho mahafeno fanantenana ihany koa i Tanya Batson-Savage:

Eny tokoa, izany no singa goavana indrindra amin'ilay fampirantiana izay mampivoitra ireo fahafahana mitondra  aingam-panahy. Avy amin'ny alalan'ireo sary dizitaly 35 ireo, izay mahakasika ny tontolo any Karaiba, mamiratry ny fahafahana [manao] tsikera momba ireo sarin'ny hatsaràna mivaingana eny fa na ny [mahakasika] an'i Barack Obama mihitsy aza ny Astro: The Morning Star.

Sary nomen'ny fianakaviana Saulter. Sarin'i Chris Blackwell avy amin'i Annie Paul, nampiasaina teo ambany fanomezan-dàlany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.