Mapa76 : Asa Fanavaon-gazety Angona Mampiseho Ny Fanararaotam-pahefan'ny Jadona Tao Arzantina

Mitàna andraikitra fototra amin'ny asam-panadihadiana fanaon'ny gazety ao Arzantina hanadihadiana ny lasa sy ny ankehitrinin'ny firenena ny fanaovan-gazety angona [journalisme de données].

Paula Gonzalo ao amin'ny Periodismo Ciudadano [amin'ny teny espaniola] nanipika ny asan'ilay mpanao gazety Sandra Crucianelli mikasika izany ary nampahafantatra ny tetikasa Mapa 76, sarintany ahafahana mamantatra toerana sy manangom-baovao mikasika ireo izay niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ny didy jadona nitondràna ny firenena tamin'ny taona 1976 hatramin'ny 1983.

Eto ambany eto ny lahatsoratra nadikan'i Paula Gonzalo, voaaro amin'ny zon'ny mpamorona: licence 3.0 Unported de Creative Commons (CC BU 3.0

Mapa 76

Mapa 76

Amin'izao revolisiona teknolojika izao sy ny fivelaran'ny fitaovana vaovao andraisan'ny besinimaro amin'ny endrika vaovao izao, miaina anaty vanim-potoana mampiroborobo ny fanaovan-gazety sy ny fifandraisana isika. Anisan’ny zava-baovao amin’izany ny fanaovan-gazety angona izay mandrafitra ny fomba vaovao ahatakarana ny fanaovan-gazety famotorana.

Monina ao Arzantina i Sandra Crucianelli [amin’ny teny anglisy], Sakaizan'ny Knight International Journalism, izay manazava amintsika ny fomba ahafahana manambatra ny hery amin'ny alalan'ny fanaovan-gazety angona, ny fiaraha-mientan'ny olom-pirenena ary ny teknolojia vaovao eo anilan'ny gazety fampahalalam-baovao fanta-daza tahaka ny La Nación [amin’ny teny espaniola], gazety lehibe indrindra ao amin’ny firenena Basée.

Mitarika ekipa mpanao gazety mpanao famotorona i Sandra Crucianelli [uk] izay misahana manokana ny fanaraha-maso ny alehan'ny loharanom-bola ho any amin’ny sampan-draharaham-panjakana ao amin’ny firenena. Mandray anjara manokana amin’ny fananganana ekipa mpanao gazety voatokana amin’ny asa fanaovan-gazety angona ahafahana manatsoaka sy mamakafaka io karazam-baovao io izy ahafahana manatontosa fandaharam-panadihadiana « [ka manasa] ny olona hamaly sy handray anjara ».

Mandray anjara amin’ny tetikasam-paritra momba ny Hacks/Hackers ihany koa i Sandra Crucianelli amin’ny alalan’ny famoronana fampiharana vaovao ahafahana manangona sy manara-maso ny angona. Anisan'ny tetikasa amin'izany ny Mapa76 izay sarintany ahafahana mamantatra ny toerana misy vaovao momba ilay antsoina hoe “ady maloto” ary ahafahana manangona fanampim-baovao momba ireo niharan'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ny didy jadona miaramila tao Arzantina (1976/83).

Mampahafantatra antsika izany tetikasa izany ao amin'ny habaka aterinetony izy :

Mapa76 es un software de investigación periodística dedicado a la extracción automática de datos, análisis semántico y la estructuración de la información recopilada con el propósito de mostrar relaciones de manera visual e interactiva (líneas de tiempo, mapas interactivos y árboles de conexiones -treemap-) en la información relacionada con los juicios de la última dictadura militar y los juicios en curso. Esta herramienta debe permitir que el investigador pueda seleccionar y cruzar datos de diversas fuentes documentales para generar historias e identificar relaciones difíciles de encontrar y/o comprender por métodos tradicionales.

Las cifras oficiales de desaparecidos durante la última dictadura militar argentina (1976-1983) ascienden a 13.000, pero las organizaciones de derechos humanos afirman que son 30.000.

Rindrambaiko famafakafana an-gazety ny Mapa76 izay natokana itrandrahana ireo angona, amin'ny fanadihadiana ny heviteny sy ny firafitry ny angona mba ahafahana mampiseho imaso sy ifanatrehana (rojon-kevitra, sarintany ifandrimbonana ary –treemap -) ny fifandraisan'ny angom-baovao tamin'ny fitsarana nandritra ny didy jadona miaramila sy ireo angom-baovao ao amin'ny fitsarana an-dalana amin'izao fotoana izao. Io fitaovana io no ahafahan'ny mpanao fanadihadiana mifantina sy mampitaha ireo angona avy amin'ny loharanom-baovao samihafa mba hivoahana tantara maro sy mamantatra ireo fifandraisana sarotra hita na fantarina raha amin'ny fomba mahazatra.

Manamarika ny antontanisa ofisialy fa 13 000 ireo olona nanjavona nandritra ny didy jadona miaramila farany teo tao Arzantina (1976-1983), saingy nanambara kosa ny fikambanana miaro ny zon'olombelona fa 30.000 no tena isan'ireo nanjavona..

Ao anatin'ity lahatsary noraketina tao amin'ny Arisivam-pirenena Fahatsiarovana) [es], tao amin'ny Sekoly Mekanikan'ny Tafika teo aloha (ESMA) — toerana nanaovana fitazonana mangingina sy fampijaliana ary famonoan'olona — no anazavan'ny ekipan'ny Mapa76 amintsika ny fomba fampiasana ny Mapa76 entina ijerena ny banky angona avy amin'ny Comisión Nacional sobre Personas Desaparecidas (CONADEP -Vaomieram-pirenena misahana ny Olona Nanjavona).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.