Efa Atsy Ho Atsy Ve Ny Fampitsaharana Ny Poa-basy Hamas/Isiraely?

Niely vetivety tamin'ny aterineto ny vaovao fa hanasonia fifanekena momba ny fampitsaharana ny poa basy ao Gaza ny Hamas sy Isiraely androany alina [20 Nov 2012] ao Kairo, taorian'ny herinandro nisian'ny herisetra.

Tao Gaza, Hoy i Ismaeil Mohaisen nitatitra:

@IsmaeilFadel: VAOVAO FARANY: hanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny lehiben'ny Hamas sy ny JIhad Islamika androany alina ao Kairo mba hanambara ny fifanekena fampitsaharana ny poa basy izay noelanelanin'i Ejypta.

Nigâr Hacızade nanampy hoe:

@nhacizade: Nitatitra ny fahitalavitra Isiraelizna fantsona 10 sy ny Al Jazeera amin'ny teny Arabo fa vaovao momba ny fampitsaharana ny poa basy no mety hambara rehefa avy eo (androany alina manomboka amin'ny sasakalina) #Gaza

Mpanao gazetin'ny BBC ao Gaza sy ao Cisjordanie, Jon Donnison nisioka hoe:

@JonDonnison: Ayman Taha, mpitondra tenin'i Hamas ao Kairo nilaza tamin'ny vaovaon'ny BBC fa hisy ny fampitsaharana ny ady izay hanan-kery manomboka androany alina.

Nandritra izany, nanohy nitatitra ny tao amin'ny Twitter fa mbola misy ny tifitra balafomanga.

Atsasa-kadiny lasa izay, Abigail Hauslohner, lehiben'ny Biraon'i Kairo ao amin'ny Washington Post izay ao Gaza amin'izao fotoana izao, nisioka hoe:


@ahauslohner
: Indreto isika. Daroka baomba in-4 tao avaratra, minitra vitsy lasa izay. #Gaza

Sabiha Mahmoud nanamarika tamin'ny fomba feno esoeso:


@SabihaMahmoud
: Toa hisy ny fampitsaharana ny poa-basy hotapahina androany alina amin'ny 9 ora…ao anatin'ny fotoana fohy, afaka madiodio na mahazo fahefana i Isiraely fa efa vitany ny namono olona #Gaza #Heal_Gaza

Andy Carvin nanome fanazavana:

@acarvin: Iray amin'ireo marina sarotra zakaina momba ny fampitsaharana ny poa-basy: mihamafy avy hatrany ny herisetra alohan'ny fampiharana ny fifanekena mba hanamafisana ny fihetsika eo amin'ny kianja. #gaza

Max Blumenthal nanontany hoe:

@MaxBlumenthal: Mbola handehandeha manodidina ny toerana ve ireo mpanao gazety nalefa any Gaza aorian'ny fampitsaharana ny poa-basy mba hampandre ny mpihaino momba ny fiainan'ireo olona ataon'i Isiraely fahirano? CC: @andersoncooper

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.