Mpanakanto Toniziana Roa Niatrika Fitsarana Noho Ny Graffiti Nataony

Tamin'ny 3 Novambra, nosamborin'ny polisy ireo mpanakanto mpanao sariitatra, Oussama Bouagila sy Chahine Berriche satria nanao sarisary tamin'ny rindrina tao Gabes, ao Atsimo-Atsinanan'i Tonizia. Mpikambana ao amin'ny Zwewla [ar] [ “ny mahantra” amin'ny fitenim-paritra Toniziana] i Bouagila sy Berriche, fikambanana haikanto eny an-dalambe izay malaza amin'ny fanaovana sarisary eny amin'ny rindrina ho fanohanana ny mahantra sy ny vondrona atao an-kilabao ao Tonizia.

Voampanga ho “nanoratra tamin'ny fananam-bahoaka, tsy nahazoan-dalana”, “manohintohina ny firenena latsaka an-katerena” ary “namoaka vaovao tsy marina mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka” i Bouagila sy Berriche”. Nahazo fahafahana vonjimaika ireto tanora roa mpanoratra amin'ny rindrina ireto eo am-piandrasana ny fitsarana azy, izay hotontosaina amin'ny 5 Desambra.

Sarisary sy soratsoratra amin'ny rindrina (graffiti) nataon'i Zwewla tao Sousse, Afovoany-Atsinanan'i Tonizia: “Manohitra ny tsy rariny sy ny fanandevozana ny mpiasa sy ny tsy an'asa”

 

Oussama Bouajila nilaza tao amin'ny Nawaat.org fa raha nosamborin'ny polisy izy sy i Berriche, teo am-panaovana graffiti tamin'ny rindrina izy ireo hoe “mila ny zon'ny mahantra ny vahoaka.”

Slateafrique nosoratan'i Tawa fi Tunis blog nilaza [fr] ny fanambaran'i Bouajila:

Nous avons fait ce mouvement de graffiti parce que personne ne parle de nous, de nos problèmes de chômage, de pauvreté et de marginalisation. Nous avons donc décidé de parler par nous-mêmes. Pourquoi le graffiti? Parce que le graffiti est plus accessible au tunisien qui n’a pas Facebook par exemple.

Nanao izao hetsika fanaovana graffiti izao izahay satria tsy mba misy olona milaza ny momba anay, ny olanay amin'ny tsy fahitana asa, ny fahantrana sy ny fanilikilihana atrehinay. Arak'izany, nanapa-kevitra izahay fa hilaza ny momba anay manokana. Ahoana raha graffiti no ampiasana amin'izany? Mora hitan'ny Toniziana [olom-pirenena] izay tsy afaka miditra Facebook ohatra ny sarisary na soratsoratra amin'ny rindrina.

“Nandevim-belona ny mahantra izy ireo”, graffiti nataon'i Zwewla. Sary avy amin'i Hamideddine Bouali”

 

Etsy andaniny, nitaraina [fr] momba ny lalàna Toniziana i  Berriche izay nolazany ho “tsy miantoka ny fahalalahana haneho hevitra”:

Le problème, ce n’est pas la police qui a essayé de nous arrêter ou qui nous a confisqué notre matériel. Le vrai problème, c’est la loi qui s’applique pour les uns et pas pour les autres. Et la loi en elle-même ne garantie par la liberté d’expression et continuer de réprimer avec les mêmes méthodes des anciens dictateurs, les activistes et militants

Tsy ny polisy izay miezaka misambotra antsika na maka ny fitaovantsika ny olana eto. Ny tena olana dia mihatra amin'ny olona sasany ny lalàna fa tsy amin'ny hafa. Etsy ankilany, tsy mba miantoka ny fahalalaham-pitenenana izany lalàna izany, ary mbola manohy manafay ireo mpikatroka sy mpitolona amin'ny fomba fanaon'ireo mpanao didy jadona teo aloha ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.