India : Lahatsoratra Facebook Nahatonga Fisamborana

Mahatonga ahiahy ao India (jereo Tatitry ny Global Voices [mg]) ny fihetsehiky ny tao an-tanànan'i Mumbai taorian'ny nahafatesan'i Blasaheb Keshav Thackeray, mpanorina ny Hindou antoko ankavanana ao amin'ny Shiv Sena ao Inda. Nikatona avokoa ireo toera-pivarotana, fijerena sinema, fitateram-bahoaka sy orinasa hafa ao Mumbai noho ny na ny mari-panajana na tahotra amin'ny herisetran'ny olon'ny antoko Shiv Sena. Notontosaina ny alahady tao Mumbai ny fandevenana an'Atoa Thackeray ary mpisaona an-tapitrisany teo no nanavatsava ny lalana tao an-tanan-dehibe hitondra fiatoana.

Na izany aza, lasa lavitra ny fihetseha-po tao Palghar, ka nisamboran'ny polisy an'i Shaheen Dhada 21 taona rehefa avy nanoratra tao amin'ny pejy Facebook izy:

People like Thackeray are born and die daily and one should not observe a bandh (total shutdown) for that.

Misy olona tahaka an'i Thackeray teraka sy maty isan'andro ka tsy misy tokony hitandremana “bandh” (fikatonana tanteraka) amin'izany

.

Nosamborina ihany koa koa ny namany Renu Srinivas, izay “tia” izany filazany izany. Niasa avy hatrany ny polisy taorian'ny fitarainana tao amin'ny komisariàn'ny polisy ao Palghar avy amin'ny Bhushan Sanke, mpitantana ny Sena ao an-toerana.

Lehiben'ny Shiv Sena ao Punjab, Mr. Sukhdev Sandhu, ary ireo mpikambana sasany manome voninahitra an'i Thackeray. Amritsar, Inda. 18 Novambra 2012. Saripika Gauravjeet Singh Chhina. Dikamitovy Demotix.Punjab

Saingy nitatitra tao amin'ny Twitter i Sreenivasan Jain, mpanao gazety

@SreenivasanJain @Viv2511 Acc. to police, girl not arrested. Someone made a complaint, they are looking into it.

Araka ny nolazain'ny polisy, tsy nosamborina ilay vehivavy.

Nisy nametraka fitarainana, ka eo am-pikarohana azy.

Nanampy i Prasanto K Roy

@prasanto @SreenivasanJain Reportedly girls not arrested but detained under supervision in police station, charged under section 66A, IT Act

tatitra zazavavy fa tsy nosamborina fa notazonina harahi-maso, ampangaina noho ny andin-dalàna momba ny teknolojia sy ny fifandraisana 66A,
Ny andininy 66-A momba ny teknolojia sy ny fifandraisana indiana dia mihatra amin'ireo hafatra nalefa tamin'ny alalan'ny fitaovana informatika na fifandraisana izay mety ho “manala baraka” sy “endrika fandrahonana”, na ihany koa mahatonga “fanelingelenana na fanohintohinana”

Nitatitra ny The Lighthouse

The girls were arrested today afternoon but have been granted bail after initially being sent to judicial custody.

After effects: The girl apologized for her mistake but then it was not enough to the more than 2000 (the number seems to be exaggerated also) Shiv Sena supporters who later on attacked and ransacked her uncle’s orthopedic clinic at Palghar taluka of Thane district.

Nosamborina androany folakandro ireo tovovavy fa saingy noafahana tamin'ny alalan'ny onitra rehefa nalefa teny amin'ny fampanoavana.

Taorian'ny raharaha: Niala tsiny noho ny fahadisoany ity tovovavy saingy tsy ampy kosa izany ho an'ireo mpanohana mihoatra ny 2000 (toa noitarina ihany) an'i Shiv Sena, izay nanafika sy namotika ny toera-pitsaboan'i Dadatoany tao Palghar taluka, distrikan'i Thane.

Nanamafy ny toe-draharaha ny The Times of India:

They (Shiv Sainik) were upset over a comment on Bal Thackeray posted on a social networking site by young Shaheen Dhada, the niece of the owner of the hospital. The sainiks, armed with iron rods and sticks, charged into the Dhada orthopedic hospital at around 9.30pm. They broke expensive hospital equipment and furniture besides vandalizing the operation theatre.

Diso fanantenana tamin'ny fomba filaza an'i Bal Thackeray ry zareo (Shiv Sainik) izay nalefan'ilay tanora Shaheen Dhada, zanaky ny iray tampo amin'ny tompon'ilay hopitaly. Nanafika ilay hopitaly ry sainiks, izay nitondra kibay sy tehim-by nanodidina ny tamin'ny sivy ora sy sasany alina. Nopotehin'izy ireo ny fitaovana lafovidy ary norobain'izy ireo ny kojakoja teo akaiky sy ny fanaovana fandidiana.

Nitatitra ny NDTV fa voasambotra ny sasany amin'ireoSainiks Shiv nandray anjara tamin'ny fanafihana. Nangataka hetsika “izao dieny izao” ho fanoherana ny polisy noho ny nisamborana ireo tovovavy ny filankevitry ny fanaovan-gazety ao India.

Nisendaotra ireo mpisera aterineto. Ao amin'ny Twitter:

@drsarosh: @indexcensorship @bdutt @dilipthecherian shaheen questioned the logic of the bandh. by arresting her is the police endorsing the bandh?

@indexcensorship @bdutt @dilipthecherian Miahiahy ny maha-lojika ny Bandh i shaheen. Amin'ny fisamborana io vehivavy io miantoka ny bandh(fikatonana tanteraka) ve ny polisy.

@DebSiddharth: “@harikunzru: India's latest free speech #fail. Two girls arrested for fb posts about Bal Thackeray http://t.co/1jkrBLL9” “satyameva Jayate”

#nandamoka ny fahalalaha-pitenenana ao India. Tovovavy roa no voasambotra tamin'ny lahatsoratra fb momba an'i Bal Thackeray http: //t.co/1jkrBLL9″ satyameva Jayate

@abhisekhberiwal: RT @IndexCensorship: Two women in Mumbai have been arrested for a Facebook post, why are #India's politicians afraid of social media? http://t.co/

Vehivavy roa ao Mumbai nosamborina noho ny lahatsoratra Facebook iray, fa maninona matahotra ny tambajotra sosialy ireo mpanao politika ao India?

@DarshanSays: In #India better stop using facebook and twitter.. don't know when you will be jailed.

Ao #India tsaratsara kokoa ny tsy mampiasa Facebook sy Twitter intsony.. tsy fantatra hoe oviana ianao no higadra.

@dotcompals: Attention Mumbai Police : I endorse Shaheen Dhada's Facebook comments . Please arrest me !

Filazana ho an'ny polisin'i Mumbai : Mankasitraka ny filazan'ny Shaheen Dhada ao amin'ny Facebook aho. Mba sambory aho azafady !

@mesushovan: Henceforth I'll only tweet …………………………. and …………………….. to avoid an arrest. Following the IT act of #India

Misioka fotsiny aho………………………ary…………………………..misoroka fisamborana. Araka ny lalànan'ny informatika ao India

Mpitsara taloha tao amin'ny fitsarana tampony tao India, Atoa Katju, nanao taratasy mivelatra ho an'ny lehiben'ny minisitra ao Maharastra tao amin'ny bilaoginy:

To my mind it is absurd to say that protesting against a bandh hurts religious sentiments. Under Article 19(1)(a) of our Constitution freedom of speech is a guaranteed fundamental right . We are living in a democracy, not a fascist dictatorship.

Raha ny hevitro, toy ny fahadalàna ny miteny fa manohintohina ny toe-po ara-pivavahana ny fanoherana bandh. Araka ny andininy 10 (1) (a) ao amin'ny lalam-panorenana momba ny fahalalahana haneho hevitra izay zo fototra maimaim-poana. Miaina ao anaty demokrasia isika, fa tsy didy jadona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.