Bolivia, Manana Aterineto Ve Ianareo?

Hatao ny 21 Novambra ny Fanisàm-bahoaka sy Trano Fonenana taona 2012 any Bolivia. Ny fanisàm-bahoaka farany natao nanerana ny firenena dia efa tany amin'ny folo taona mahery lasa, ny Desambra 2001.

Eo ambany fitarihan'ny Ivontoerana Nasionaly Momba ny Antontanisa (INE amin'ny teny Espaniola), ny fanisàm-bahoaka 2012 dia mikendry ny [es] hitondràna “fanavaozana ireo tarehimarika momba ny fiparitahan'ny mponina, ny fari-piainana ara-tsosialy, toekarena ary ny trano fonenana manerana ny firenena, hahafahana mampifanitsy, mamaritra ary maminavina ny drafitra, fandaharanasa, politikam-panjakana sy tetikady ho fampivoarana maharitra ny maha-olona, toekarena ary sosialy amin'ny sehatra nationaly, faritany ary firaisam-pokontany”

Mikendry voalohany indrindra ny olan'ny fiparitahan'ny mponina sy ny trano fonenana, ny fanontaniana ao anatin'ilay fanisàm-bahoaka [es] dia niteraka resabe teny anaty sehatry ny media sosialy,mikasika ny fanontaniana faha-17: “Mampiasa ny Tolotra Aterineto Ve Ity Tokantrano Ity?”

Ireo mpikaroka, mpandalina, ary mpikatroka mafàna fo dia niandrandra fanadihadiana  sy fanontaniana lalindalina kokoa avy amin'ilay fanisàm-bahoaka 2012. Na izany aza anefa, ny hany fanontaniana tokana momba ny aterineto dia manadihady fotsiny mikasika ny tolotra, tsy mijery izay karazana fitaovana ampiasaina, ny kalitao, ny fampiasàna azy, ny fivakisana niomerika, sy ny maro hafa, ka very ny fotoana tokony ho fanararaotra hanaovana fandalinana lalina mikasika ity resaka ity.

Nayeli sy Carla avy amin'ny Safe the Children (CC BY-NC-ND 2.0)

 Vinavinaina [es] ho manodidina ny 30% amin'ny mponina ary 9% amin'ny tokantrano no manana fahafahana mampiasa Aterineto ao Bolivia. Tsy betsaka loatra ilay isa ; kanefa, ny kalitaon'ny tolotra dia maneho endrika ratsy:  0.7 monja amin'ny 100 no manana koriana haingam-pandeha.

Mario Durán, bilaogera sy mpikatroka mafàna fo monina ao El Alto, miteny ao amin'ny bilaoginy [es] fa ilay fanontaniana faha-17 dia tokony hovaliana ho  “tsia” raha toa ilay fahafahanao mampiasa Aterineto ka amin'ny alalan'ny finday na modem finday.

Taorian'ny nizaràny ny fomba fijeriny tety anaty sehatry ny media sosialy, marobe ireo valinteny tonga nanohana na nanohitra ny tohan-keviny.

Eliana Quiroz, mpikatroka mafàna fo fantatry tsara amin'ny tontolo dizitaly, dia nitondra fanamarihana taty fifanakalozan-kevitra misokatra iray [es] ao amin'ny pejy Facebook fanentanana “Más ancho de banda para Bolivia” (Koriana misimisy kokoa ho an'i Bolivia):

Añadir más preguntas es caro y como no consideran que la conexión a Internet sea estratégica, pues no incluyeron nada. La pregunta está como está y asi nomás hay que responderla. Para el siguiente censo espero que haya una bateria de preguntas acerca de Internet. Habra que hacer lobby y activismo cuando corresponda.

Lafo ny mbola hanampy fanontaniana bebe kokoa sady (ny governemanta) tsy hijery ny Aterineto ho zavatra statejika, noho izany tsy hampiditra na inona na inona intsony izy. Ny fanontaniana dia araka izay efa eo ka dia ny mamaly azy sisa no ilaintsika. Ho an'ny fanisàm-bahoaka manaraka dia antenaiko fa hisy andiam-panontaniana mikasika ny Aterineto. Ny fanasàna atidoha sy ny fisoloana vava dis tsy maintsy vita amin'ny fotoana maha-mety azy.

Na eo aza ny lavaka be ao anatin'ilay fanisàna, , Grover Yapura (@GroverYapura) [es] manamafy amin'ny alalan'ny kaontiny Twitter hoe :

@GroverYapura: #Censo2012, solo hay una opcion el 21: Ser contado y ayudar a contar #Bolivia

@GroverYapura#Censo2012 Ny hany safidy amin'izao taonjato faha-21 izao : voaisa ary manampy mba hanisa #Bolivia

Mavitrika tokoa ireo mpampahalala vaovao mahazatra sy ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra mitatitra ny Fanisàm-bahoaka Nasionaly ao Bolivia amin'ny tenifototra #Censo2012 [es] sy #CensoBo [es]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.