Shiliana Manao Hetsi-panoherana Ho Fanohanana An'i Gaza

Na eo aza ny elanelana 8.000 miles manasaraka an'i Shily amin'ny tanin'ny Palestiniana sy Israely, marobe ireo Shiliana no tsy nahatsindry fo noho ireo fifampitifirana bala afomanga sy missiles ifanaovan'ny Tafika Israeliana “Israeli Defense Forces (IDF)” sy ny mpitolon'ny Hamas any amin'ny sisintany manasaraka ani'i Gaza sy Israely.

Ny Alakamisy 15 Novambra, nanomboka nanely antso ireo mpikirakira aterineto mba hanaovana diabe izay nanomboka tao amin'ny Kianja Palestiniana ao Santiago ary nifarana tao amin'ny Kianja Israeliana :

@Karina_Aravena_: @DonDatos: En minutos: Comienza la CAMINATA X GAZA desde el Club Palestino (21:00 hrs) #PalestinaLibre RT

@Karina_Aravena_@DonDatos: vao izao: Ny DIABE HO AN'i GAZA dia nanomboka avy ao amin'ny Klioba Palestiniana (21:00 hrs) #FreePalestine RT

Call to protest in favor of Gaza, shared via social networks.

Antso hanao hetsi-panoherana ho fanohanana an'i Gaza, nozaraina tao amin'ny Twitter sy Facebook

Tsy dia namokatra koatra ilay diabe ary tsy nahasarika nysain'ireo mpampahalala vaovao loatra. Vokany, hetsika iray no nomanina hatao amin'ny Sabotsy 17 Novambra.

Ny “Comité Chileno de Solidaridad con Palestina” na Kaomity Shiliana hoFiraisankina amin'i Palestina (@conpalestina) [es] no nikarakara ny hetsika. Tamin'io andro io, araka ny filazan'ny  “CNN Chile” (@cnnchile) [es], an-jatony ireo olona nidina an-dalambe teo anoloan'ny Masoivoho Israeliana tao Santiago, renivohitr'i Shily, hanao hetsi-panoherana ny fanafihan'i Israely ny Lemak'i  Gaza [es]

Ny gazety EMOL ao Shily dia nitatitra fa nanodidina ny fitonjato fotsiny ireo olona nanatanteraka ilay diabe [es]. Ny masoivoho Israeliana ao Shily, David Dadonn, dia naneho hevitra tamin'ny filazana hoe :

Viene gente a manifestarse en contra de la víctima. El hecho de que Israel se defiende en legítima defensa de un hecho de provocación de Hamas para asegurar la vida de los ciudadanos no está siendo tomando en consideración. La mayoría de las personas en esta manifestación no conoce la situación real, en el terreno. A los organizadores de esa manifestación, no se les verá nunca frente a la embajada de Siria aunque la represión del Gobierno sirio llegó a 39 mil muertos civiles y de oposición según el conteo oficial de la ONU, pero ellos sí vienen inmediatamente a la de Israel después de 14 muertos palestinos por razón de la provocación de Hamas.

Ny olona tonga eto mba hanao hetsi-panoherana noho ireo tra-doza. Fa ny tena zava-misy dia tsy jereny kosa hoe fiarovan-tena no ataon'i Israel ho setrin'ny fihantsiana nataon'ny Hamas ho fiarovany ny olom-pirenena [ao aminy]. Ny ankamaroan'ireo olona manao fihetsiketsehana ireo dia tsy mahalala ny tena zava-misy eny an-kianja. Tsy ho hita velively hiatrika manoloana ny Masoivoho Siriana ireo olona mikarakara ity hetsi-panoherana ity, kanefa dia nahafatesana olona 39.000 sivily sy mpikambana avy amin'ny mpanohitra ny famoretana nataon'ny governemanta Siriana, araka ny fanisàna ofisialy nataon'ny Firenena Mikambana, saingy hain-dry zareo ny tonga manoloana ny masoivoho Israeliana rehefa Palestiniana 14 no maty noho ny fihantsiana nataon'ny Hamas.

Nahasarika fanehoan-kevitramaro avy amin'ireo olon-tsotra ety anaty fampahalalam-baovao sosialy izy rehefa nanondro ireo mpikarakara ilay hetsika tamin’izao fomba filaza manaraka izao [es]:

Son enemigos profesionales de Israel que esperan cualquier oportunidad para venir a manifestar su odio al estado de Israel, no importa las circunstancias.

Fahavalo voakarama hanohitra an'i Israely ry zareo ireo izay miandry fotsiny ny fotoana rehetra ahafahany tonga sy midradradradra ny fankahalàny ny fanjakana Israeliana, tsy mampaninona azy izay vanim-potoana misy any.

Nandritra ny andro, ireo Shiliana dia nifanakalo resaka momba ilay olana teny anaty media sosialy. Ny kaonty Twitter an'ny Difamadores (@Difamadores) [es], vondrona mpanolotra fandaharana manàla azy amin'ny fahitalavitra, izay mitaky fanavaozana ara-politika, dia nibitsika hoe:

@Difamadores: Te pasaste!! Embajador israelí en Chile por manifestación pro Palestina: “Son enemigos profesionales de Israel”http://www.emol.com/noticias/nacional…

@Difamadores: Nihoaranao ny fetra!! Ny masoivoho Israeliana ao Shily momba ilay hetsi-panoherana mpmba ny Palestiniana : “Fahavalo voakarama hanohitra an'i Israely ry zareo ireo.”http://www.emol.com/noticias/nacional…

Pablo Lira (@pablolirar) [es], mpahay ny siansa politika avy ao amin'ny Anjerimanontolo Katolika ao Shily, niteny hoe :

@pablolirar: Ojalá algún día haya ‘paz’ entre Israel y Palestina!

@pablolirar: Manantena aho fa indray andro any dia hisy “fandriampahalemana” eo amin'i Israely sy Palestina!

Nangataka ny olona i Cristian Mauricio (@negromartínez) [es] mba hahatsiaro manokana ireo ankizy Palestiniana any an-tsainy tsirairay avy any :

@negromartínez: Buenas noches para tod@s y antes de dormir ojalá recordemos a todos los niños que sufren en #Gaza la violencia de Israel, paz para Palestina

@negromartínez: Tafandria mandry daholo. Alohan'ny hamonjena fandriana, manatena aho fa hahatsiaro ao an-tsainareo ireo ankizy mijaly ao #Gaza noho ny herisetra Israeliana ianareo. Fiadanana anie ho an'i Palestina.

Naka fomba fijery somary feno fanakianana ny Hamas i Marcelo Hilsenrad (@mhilsenrad) [es]:

@mhilsenrad: Mientras el mundo siga apoyando a los terroristas de Hamas, pierde Palestina, Abbas, Israel y todo el planeta

@mhilsenrad: Raha mbola mitohy hatrany manohana ny mpampihorohoro Hamas, Palestina, Abbas, izao tontolo izao dia ho resy i Israely sy ny tany manontolo.

Ilay loholona Shiliana Francisco Chahuán (@chahuan) [es], politisiana somary afovoanymaka ankavanana no sady manam-pihaviana Palestiniana rahateo, niteny hoe:

@chahuan: La paz en Palestina e Israel implica que nedie tiene derecho a atacar descaradamente a poblacion civil. Reconocer que hay q agotar dialogo

@chahuan: Fiadanana ho an'i Palestina ary midka ho an'i Israely ho tsy misy mihitsy olona na iza na iza mana zo hanafika tsy amin-kenatra vahoaka sivily izany. Ekeo fa tsy maintsy manapitra ny fiaraha-midinika isika.

Anaty fomba fijery mitovitovy amin'izay, ilay politisiana avy amin'ny farany havanana, Ivan Moreira (@ivanmoreirab) [es] dia nampiasa ny Twitter hanehoany ny tsy fahafaham-pony amin'ny fihetsiky ny governemanta amin'izao fotoana momba ny olan'i Gaza. Nitaraina izy hoe :

@ivanmoreirab: Declaración Cancilleria x ataques y muerte d Israel a Palestina,lamentablemente Teoría Empate,tibia no me parece.Tan corta bastaba 1 Twitter

@ivanmoreirab: Fanambaràna avy amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny mikasika ny fanafihana sy fatiolona [nataon'i] Israely tamin'i Palestina. Indrisy ny petra-kevitry ny antsapaka, matimaty, tsy tiako io. Bitsika iray dia ampy

Nahazo valinkafatra marobe izy. Niteny i Alvaro Sandoval (@asandovalu) [es] hoe :

@asandovalu: @ivanmoreirab toda la razon… tipico de pais timorato… #fuerzapalestina

@asandovalu: @ivanmoreirab tena marina loatra ny anao… toetra mampiavaka firenena iray maha-menatra… #strengthpalestine

Rolando Loi (@RolandoLoi) [es] namaly hoe:

@RolandoLoi: @ivanmoreirab ¿Que quiere que haga Israel? Hamas no quiere “2 estados para 2 pueblos” quieren 1 estado Islámico EN VEZ de Israel.

@RolandoLoi: @ivanmoreirab Fa inona no tadiavinao hatao ry Israely? Tsy mikatsaka  Hamas “firenena 2 ho anà vahoaka 2 ” ny Hamas. Ny tian-dry zareo dia firenana Islamika iray ho SOLON'i Israely.

Moreira, politisiana, namaly hoe:

@ivanmoreirab: @RolandoLoi Yo Proclamo La Paz,de dos Estados que coexistan con delimitación de Fronteras,sin muros,sin ocupación,Palestina Libre!!!

@ivanmoreirab: @RolandoLoi Manonoma ny Fiadanana ho an'ireo firenena roa izay miara-monina aminà sisintany voafaritra mazava aho, tsy misy rindrina, tsy misy fibodoana, Palestina iray Afaka!!!

Shily, na dia lavitra be an'i Israely sy Palestina aza, dia tanindrazana ho anà Palestiniana manodidina ny 350.000, izay mahatonga ity firenena ity ho manana Palestiana be indrindra mivelona ivelan'ny tontolo Arabo [es]. Ny vondrompiarahamonin'ny Palestiniana ao Shily dia saika Kristiana daholo no betsaka ary vokatry ny taonjato iray nifindràna monina. Amin'izao fotoana, hita amin'ny sehatra rehetra ao amin'ny fiarahamonina Shiliana ry zareo.

Tany ampiandohan'ny taonjato faha-20 tany no nisy ny andianà Palestiniana mpifindra monina voalohany nankany Shily. Satria i Palestina dia tao anatin'ny Fanjakana Ottoman, ny ankamaroan'ny Palestiniana mpifindra monina dia nanana antontan-taratasy Tiorka avokoa, izay nandiso ny fiantsoan'ny Shiliana azy ireo hoe “turcos” (Tiorka amin'ny teny Espaniola). Tamin'ny 2008, teo ambany fifanekena iray niarahana tamin'ny Firenena Mikambana, nandray andianà Palestiniana iray mpifindramonina ny governemanta Shiliana notarihan'i Michelle Bachelet, ireo mpialokaloka niaina tany Syria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.