Diabe Lavitr'ezaka 300 Km Ho Fanoherana Ny Toby Fanadiovana Vovo-tany Ao Malezia

Tamin'ny 13 Novambra 2012, noesorin'ny Fitsarana Ambony Maleziana ny fampiatoana roa volana ny fahazoan-dalana nomena ilay orinasa mpitrandraka Vovo-tany Tsy Fahita Firy, Lynas Corporation, mba ahafahany hitrandraka ny Vovo-tany Tsy Fahita Firy ao Pahang, Malezia. Taitra tamin'ny fahalotoana manimba ny tontolo iainana [zh] avy amin'ny vovo-tany tsy fahita firy ao Shina ny vondrona Maleziana mpiaro ny tontolo iainana ka niara-nientana mba hanajanonana ny tetikasa. Iray amin'ireo mpikatroka, Wong Tack nanomboka nanao diabe lavitr'ezaka 300 km, antsoina hoe “Diabe Maitso”, miala ao Kuantan mankany amin'ny Antenimiera ao Kuala Lumpur tamin'ny Novambra ary maro ireo tapa-kevitra hanaraka azy.

Ity ambany ity ny saritany mampiseho ny lalana amin'ny Diabe Maitso.

 

Saritanin'ny Diabe Lavitr'ezaka 300Km. Tao amin'ny pejy Facebook Himpunan Hijau 2.0

Miezaka manome vaovao farany ao amin'ny pejy Facebook Himpunan Hijau 2.0 mikasika ny hetsika ataony hatrany ny mpikatroka. Alohan'ny niandohan'ny diabe tamin'ny 13 Novambra, nampatsiahy ny vahoaka momba ny Diaben'ny Sira nokarakarain'i Gandhi tamin'ny taona 1930 ho fanoherana ny Ampira Britanika ireo mpikatroka:

Raha eto Malezia i Gandhi androany, hitarika ny Diabe Maitso miala ao Kuantan mankany amin'ny Antenimiera ve izy mba hanongana ireo Mpanjanatany Aostraliana manapoizina?

Nanomboka tamin'ny 13 Novambra 2012 ny diabe. Saripika pejy Facebook Himpunan Hijau 2.0.

Nanatevin-daharana ny Diabe Lavitr'ezaka i Chan Wei See, mpamoaka lahatsoratra taloha tao amin'ny tranokalam-baovao tsy miankina Merdeka ReviewNandrakitra [zh] ny tafatafany niaraka tamin'i Wong Tack sy ireo mpandray anjara hafa tao amin'ny Facebook-ny izy:

我在休息时段时跟黄德在木棚下聊了起来。他告诉我,当年从建筑系毕业的他选择到加拿大修读环保系,父亲没法理解他的选择,但他依然坚持自己的选择。毕业之后他留在加拿大发展,一晃就是15年。15年后他回到吉隆坡,为了给父亲一个交代,他在妹妹的建筑公司做建筑师,盖了几栋大楼之后,热爱自然环境的他实在没法在吉隆坡呆下去,于是飞到沙巴州做油棕园和有机农场,一呆就是五年,期间他一直领导反煤炭发电厂的工作,令当地政府和公司有所忌讳。他认为莱纳斯稀土厂、边佳兰石化厂、武吉公满山埃厂只是一些课题,要绿化环境需作长远的工作,因此他积极推广有机农场及有机生活的概念,希望能打造出一个热爱大自然的社会。

Niresaka tamin'i Wong Tack aho nandritra ny fotoana fohy fakana aina. Nilaza tamiko izy fa taorian'ny fahazoany diplaoma momba ny hairafitrano, nankany Kanada izy mba handalina momba ny siansan'ny tontolo iainana. Nolavin'ny rainy anefa izany safidiny izany saingy nisisika izy. Niasa tao Kanada izy nandritra ny 15 taona ary niverina nody tao Kuala Lumpur avy eo ho valin'ny fangatahan-drainy. Niasa toy ny mpahay maritrano izy ary nanangana tranobe maromaro. Na dia izany aza, tsy zakany mihitsy ny fiainana ao Kuala Lumpur ka tapa-kevitra ny hisidina handeha ho an'i Sabah izy mba hitantana Fambolen-kazo palma sy tany vokarina momba ny haiaina (biolozia). Nipetraka tany izy nandritra ny 5 taona ary nitarika fanentanana ho fanoherana ny fananganana tobin-kerinaratra amin'ny saribao. Tsy faly taminy ny manampahefana ao an-toerana sy ireo orinasa goavambe. Nihevitra izy fa ny toby fanadiovana vovo-tany tsy fahita firy ny Lynas, Orinasa Haisimian-tsolitany Pengerang, sy ny lotonà sianiora Bukit Koman no tena anisan'ny loza ho an'ny vahoaka. Miankina amin'ny fambolena voajanahary, ny fanovana ny fomba fanao sy ny kolontsaina ny fiarovana maharitra ny tontolo iainana.

Nandritra ny diabe, niresaka tamina lehilahy teratany avy ao Sarawak ihany koa i Chan:

来自巴南的他说,他的岳母来自巴贡上游,当年巴贡水坝计划迁移上游原住民时,他岳母种的三千多棵黄梨,政府只赔了145令吉。[…]

我从他口中获知,巴南水坝尚未开始兴建,他们打从一开始就拒绝谈赔偿,只专注于施压政府撤销水坝计划。由于水坝还未兴工,只要压力够大,他相信人民是可以成功的,因此他来到了这里,走这十四天的路程,希望能带出原住民的心声。

Avy any Baram izy ary avy ao amin'ny renirano ambony Bakun ny rafozany. Mba hikarakarana ny tohodrano mpamokatra herinaratra, noteren'ny governemanta nafindra toerana ireo vazimba teratany. Namboly foto-kazo poara maherin'ny 3000 ny rafozany nandritra ny fiainany ary vola 145 Ringgits fotsiny no mba onitra nomen'ny governemanta azy […]

Nilaza tamiko izy fa mbola tsy nanomboka akory ny fanamboarana ilay tohodrano ary notoherin'izy ireo avy eo ny tetikasa nanomboka teo ary nandà tsy hiresaka momba ny onitra izy. Te-hanery ny governemanta izy ireo mba hanafoana ny tetikasa. Mino izy fa raha vao miray hina fotsiny ny vahoaka, dia hahomby izany. Nanatevin-daharana ny diabe izy mba haneho ny fitakian'ny vahoaka vazimba teratany.

Johor Yellow Fame ao amin'ny Facebook nizara [zh] ny fihetseham-pony ihany koa:

马来西亚人民有比别人践吗?是这样吗?为什么当权者会枉故人民性命,双手欢迎山埃采金、莱纳斯稀土厂、边加兰的高污染石化厂?甚至要在砂拉越建多个和新加坡一样大小的水坝而把当地原住民赶尽杀绝?[…]

振奋人心的是,今天,JYF柔南黄色行动小组成员成钢、秀君、凯聪前来支持,并全程陪伴大队同行。除此,今天也看到了各路英雄陆续加入步行队伍。一路上,无法参与步行的村名在旁为大家加油喝彩,有者更慷慨地主动提供住宿场所、食物、药品、水,和支援,让我感动不已,我定把这些勇士铭记于心。

Mora kokoa noho ny any an-kafa ny fiainan'ny Maleziana? Marina ve izany? Nahoana ny mpitondra mahefa no tsy mba mijery ny fiainanay fa manome ny taninay amin'ny Orinasa mpitrandraka volamena Cyanide, ny mpanadio vovo-tany tsy fahita firy Lynas ary ilay tena mpandoto tontolo iainana dia ny orinasa Shimikan-tsolika Pengerang? Te handroaka ireo vahoaka teratany ao Sarawak izy ireo amin'ny alalan'ny fananganana tohodrano izay hahasahana velaratany mitovy habe amin'i Singapore[…]

Mama Bersih nizara afisy momba ny Diabe Maitso tao afovoan-tanànan'i Kuala Lumpur. Sary avy amin'ny mpisera  Facebook: Elaine.

Mahabe fanantenana androany ny mahita fa nampiseho ny fanohanany ny hetsiky ny mpikambana ao amin'ny JYF ary nanao diabe niaraka tamin'ny ekipa. Ka maro ny olona namonjy ny diabe. Ho an'ireo izay tsy afaka nanatevin-daharana ny diabe kosa, nitehaka izy ireo no sady nampahery ireo mpanao diabe, nisy tamin'ireo mponina amin'ny tanàna kely no nanome trano ialofana, nanome sakafo, fanafody, rano sy fitaovana hafa ho anay. Hotsaroako foana ny hatsaram-panahin'izy ireo.

Ho an'ireo izay tsy afaka mamonjy ny diabe, manaova fanentanana ho fanoherana ny fanadiovana vovo-tany tsy fahita firy amin'ny fomba izay mety aminao. Ohatra, Mama Bersih, fikambanam-behivavy, nanapa-kevitra hanampy amin'ny fanapariaham-baovao momba ny Diabe Maitso amin'ny alalan'ny fizarana afisy kely ao afovoan-tanànan'i Kuala Lumpur, raha toa kosa ilay mpihira hip-hop Namewee, nanolotra hira ho an'ireo mpikatroka amin'ny diabe lavitr'ezaka:

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.