Voadaroka Ireo Maraokanina Nandritra Ny Hetsi-panoherana ny Tetibolan'ny Mpanjaka

Nanao fihetsiketsehana tao an-drenivohitra Rabat ny Maraokanina androany ho fanoherana ny tetibolan'ny mpanjaka. Niharan'ny famoretana feno herisetra nataon'ny polisy anefa ny fihetsiketsehana nataon'izy ireo, ka voadaroka ireo mpikatroka, sy mpanao gazety izay tonga saiky hitantara ny fandehan'ny hetsika.

Nanambara ny tati-baovao fa vola 700.000 Euro  isan'andro amin'ny tetibolam-panjakana no lany amin'ny fandaniana ao amin'ny lapan'ny mpanjaka ao Maraoka, firenena izay tsy mitsaha-mitombo andro aman'alina anefa ny isan'ny olona mahantra tao anatin'izay taona vitsy izay.

Araka ny fanadihadiana navoakan’ ny Banky Iraisam-pirenena, miha-mitombo ny isan'ny olona mahantra ao Maraoka:.

… nitombo 13,1% ny isan'ny olona mahantra tamin'ny taona 1990/91 ary niakatra 19% kosa tamin'ny taona 1998/99 (izany hoe vahoaka 3,4 tapitrisa niakatra hatramin'ny 5,3 tapitrisa). Niakatra 35 hatramin'ny 44% (na 9 tapitrisa tonga hatramin'ny 12 tapitrisa) kosa ny isan'ireo “marefo ara-toekarena”, izany hoe, ireo izay miaina anatin'ny fahantrana tanteraka

Ho valin'ny fihetsiketsehana, nilaza i Mamfakinch fa notafihana nandritra ny hetsika ireo mpikatroka, mpiaro ny zon'olombelona ary koa ny mpanao gazety. Hoy ny bilaogy iombonana iray nahazo loka nitatitra:

Nofaizin'ny polisy tamin-kerisetra ireo mpiaro ny zon'olombelona maromaro nandritra ny fihetsiketsehana tao Rabat ho fanoherana ny tetibolan'ny mpanjaka.

[…]

Niharan'ny herisetra ihany koa ireo mpanao gazety tonga nitatitra ny zava-nitranga. Omar Radi, Hind Bennani, sy mpanao gazety avy ao amin'ny sampam-baovao Espaina no anisan'ireo voadaroka ihany koa. Nahazo ompa kosa i Souhail Karam avy amin'ny Reuters.

Samia Errazzouki naneho hevitra mamaivay tamin'ny mbola tsy nanomboka akory ny fihetsiketsehana:


@charquaouia
: Hanao hetsika tsy am-pihambahambana ireo mpanao fihetsiketsehana ao Maraoka ho fanoherana ny tetibolan'ny mpanjaka. Saingy mety horavàna ve izany tahaka ny hetsi-panoherana tsy ara-dalàna ?

Hoy izy nanohy:

@charquaouia: Na inona na inona isan-jaton'ny vola amin'ny tetibolam-panjakana izay lanin'ny ao an-dapan'ny mpanjaka, tsy azo ialàna ny andraikitry ny mpanjaka eo amin'ny sehatry ny toekarena.

Omar Radi, izay tonga nanatrika ny hetsika, nilaza fohy ny antony mahatonga ny Maraokanina hanohitra ny tetibolan'ny mpanjaka [fr]:

@OmarRADI: Rappel: Le roi vit à 700000 Euros/jour au frais du contribuable. ##BudgetPalais

Fampatsiahivina: Vola 700000 Euros isan'andro no lanin'ny mpanjaka – avy amin'ny volam-bahoaka  mpandoa hetra #BudgetPalais

Fotoana fohy taorian'ny fanombohan'ny fihetsiketsehana, hoy i Hisham Almiraat, bilaogera Maraokanina nitatitra:


@__Hisham
: #Maraoka, amin'izao fotoana izao: ravain'ny polisy amin'ny fomba feno herisetra ny hetsi-panoherana ny tetibolan'ny ao an-dapan'ny mpanjaka- mpikatroka

Amin'ity sioka manaraka ity, hoy izy nanazava:

@__Hisham: #Maraoka: mpikatroka voadaroka, norahonana nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny  anjara volam-bahoaka lanian'ny lapan'ny mpanjaka ao amin'ny firenena izay mbola mitolona amin'ny tsy fahampiam-bola lalina dia lalina

Ary ity sioka fahatelo ity kosa nilaza ny toe-java-misy:

@__Hisham: Fihetsiketsehana ao #Maraoka (toe-java-misy): Tsy mandoa hetra ny mpanjaka. Ny hetra avy amin'ny volam-bahoaka no andoavana ny karamany > Obama > Hollande. #Budgetpalais

Errazzouki nanazava lalin-dalina:

@charquaoia: Ankoatra ny fandoavan'ny firenena vola ho fanohanana ny fanamboarana ny lapan'ny mpanjaka sy ny tokontaniny, mbola tsy mandoa hetra ihany koa izy, ary izy no olona mpandraharaha mpanankarena indrindra.

Rue Zanka nizara lahatsary ahitana famoretana nataon'ny polisy ao amin'ny YouTube:

Nomena lohateny amin'ny teny arabo ity lahatsary ity [ar]:

الهراوات في تفريق الاحتجاج على ميزانية القصر

Nampiasaina ny kibay mba handravàna ny hetsi-panoherana ny tetibola natokana ho an'ny lapan'ny mpanjaka

Tao amin'ny Twitter, Montasser Drissi nizara ity sary nandritra ny hetsi-panoherana ny tetibolan'ny mpanjaka tao Marrakech:

Protesting the King's Budget in Marrakech

Hetsi-panoherana ny tetibolan'ny mpanjaka tao Marrakech. Sary nozaraina tao amin'ny Twitter, @montasserdrissi

Raha te hijery ireo fanehoan-kevitra hafa maro, tsidiho ny tenifototra #BudgetPalais. Amin'ny teny frantsay sy teny Arabo ny ankamaroan'ireo sioka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.