Palestina: Mifanditra ny Tambajotra Sosialy, Efa-taona Izay

Raha hiverenana ny tamin'ny taona 2008, nandritra ny fanafihan'i Isiraely an'i Gaza izay namoizan'ain'olona mahery ny 1400 (olo-tsotra avokoa ny 700 mahery), nampiasa ny tambajotra sosialy ny olona manerantany mba haneho hevitra mikasika ny fanafihana sy ny politika ambadik'izany.  Twitter, izay mbola sehatra fampiasan'ireo tanora, no toerana niadian-kevitra, raha toa kosa ka nampiasan'ny fanjakana sy ny tsy miankina ireo sehatra hafa tahaka ny YouTube.  Na ny konsily Isiraeliana ao New York aza nahavita nanao hetsika tamin'izany fampahalalam-baovao sosialy izany ihany koa, ka nanatontosa valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao amin'ny Twitter. Niseho avokoa izany rehetra izany tao anatin'ny tsy fitantaran'ny fampahalalam-baovao Isiraeliana ny momba an'i Gaza.

Efa-taona lasa, niova izao tontolo izao — ny aterineto. Nampiseho ny zava-nitranga tamin'ny taona 2011 tao Ejipta, Tonizia, Syria, sy ny sisa hafa fa afaka manara-maso tsara ny aterineto ny governemanta, ary koa ireo fanamby ùiandry amin'ny fiankinana amin'ny tati-baovao ataon'olo-tsotra. Satria mbola nanetsika fanafihana an'habakabaka tamin'ny vahoakan'i Gaza i Isiraely, nanjary kianjan'ny fifandirana fanindroany indray ny tambajotra sosialy ankehitriny.

Ny tena adihevitra dia ny fifandraisana misy eo amin'ny tompon'andraiki-panjakana sy ny sehatry ny tambajotra sosialy.  Araka ny  nosoratan’i Rebecca MacKinnon, mpiara-manorina ny Global Voices, manara-maso ny ankamaroan'ny adihevitra antseratsera ataontsika ny sehatra tsy miankina, ary manapa-kevitra amin'izay mifanaraka na tsia amin'ny soridalana manokana azy ireo. Tamin'ity herinandro ity, niadian-kevitra izany lohahevitra izay mikasika ny votoaty nalefan'ny Mpitandro ny Filaminana Isiraeliana, tao amin'ny Twitter sy YouTube.  @Mike_Orcutt nisioka ity lahatsoratra manaraka tao amin'ny Wired ity:

Hoy ny mpiasan'ny Youtube nilaza @dangerroom nahoana no tsy noesorina ilay lahatsary misy ny vono olona ataon'ny tafika Isiraeliana http://www.wired.com/dangerroom/2012/11/israeli-kill-vid/

Noresahina tao amin'ny Twitter izany olana izany; satria ny sioka izay nataon'ny @IDFSpokesperson (mpitondra tenin'ny tafika Isiraeliana), tamin'ny kaonty rehetra, dia toa toy ny fandrahonana, ka nanontany ny sasany raha manitsakitsaka ny fepetra fampiasana ilay sehatry ny fibilaogena bitika izany. Nigâr Hacızade nisioka hoe:

Mety hisy ny ady eo anivon'ny tambajotra sosialy raha manaiky ny isiany ilay sehatra anaovana izany http://bit.ly/THxYlQ 

 

Raha mazava tsara fa mifehy tanteraka ny ara-miaramila i Isiraely, maro kosa ny mahita azy ireo fa resy ry zareo eo amin'ny sehatry ny aterineto. Nisy lalao iray Lalao, navoakan'ireo mpitandro ny filaminana Isiraeliana tao amin'ny bilaoginy, “manao ho kilalao” ny famonoana olona, izay miteraka rikoriko na eo amin'ny mpikatroka na eo amin'ny mpanao gazety ihany koa; tahaka an'i Jon Mitchell ao amin'ny gazety ReadWriteWeb manoratra ao amin'n Time:

“Vahoaka tsy manantsiny no maty mitsirara eny rehetra eny, ary te hanome valisoa ireo izay misioka momba izany ny tafika Isiraeliana … Mampahory ahy izany.”

Richard Taylor naneho hevitra hoe:

Manontany ny fomba nanaovan'ny tafika Isiraeliana “lalao an-tserasera” momba izany… RT@farshidk: mpanao gazetin'ny BBC:  zaza 11 volana no namoy ny ainy tao Gaza noho ny fanafihan'i Isiraely

Lohahevitra hafa mampiahiahy ny fotodrafisan'ny fifandraisan-davitra ao Gaza, izay mifamatotra akaiky amin'i Isiraely ka mora asiana. Hoy i Nadim Kobeissi nisioka:

Ny fahatapahan'ny aterineto ao Gaza atao fahirano dia midika fanaronana ireo iharan'ny ady tsy hipaka any amin'ny feo manerantany. Vakio ny @evacide‘s article:https://www.eff.org/deeplinks/2012/11/social-media-internet-access-are-latest-weapons-israeli-palestinian-conflict

Tafiditra tao anatin'ny lalao ihany koa ny olona tsy fantatra, nisioka vaovao farany matetika:

Aterineto, fifandraisan-davitra sy fahafatesana no toe-draharaha misy ankehitriny ao #Gaza |#OpIsrael #Gaza |http://tmblr.co/ZNMTdvXOLg0b

 

Tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, toy izao ny nanamarihan'ny tranonkalan'izy ireo ny fifandraisana ao Gaza:

Avo lenta (haut débit): Voafetra, Tsy misy fiafarany
Fifandraisana PBX: TAPAKA
Finday: MANDEHA
Onjam-peo: TAPAKA
Zanabolana: Tsy fantatra
Herinaratra: TAPAKA

 

Amin'ity indray mitoraka ity, mitàna andraikitra lehibe amin'ny fifandirana ny Reddit. Sarotra amin'izao fotoana izao ny mitady vaovao azo antoka eny am-potony, Mpiasan'i Al Jazeera, Nadim Baba namorona  ny sehatra “AMA” na “Anontanio zavatra aho,” maro be arak'izany ny fanontaniana napetrak'ireo mpisera Reddit ary azo valiana araka izay tiany. Nanontaniana i Baba—ary namaly—fanontaniana am-polony momba ny fanafihana misy ankehitriny.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.