Isiraely: Ny Fiainana Anaty Fidobodoboky ny Balafomanga

Mampiasa ny tambajotra sosialy ny Isiraeliana hanangona-kevitra sy hizara ny fiainany nandritra ny [dimy] andro vitsivitsy nizakana ny daroka balafomangan'ny Hamas niraraka sahala amin'ny orana any amin'ny faritra atsimo sy afovoan'i Isiraely. Raha miezaka misera mavitrika ao amin'ny Twitter ny tafi-piarovana isiraeliana ifehezana ny hafatra sy hahazoana fanohanana an-tserasera, maro kosa ny Isiraeliana no nitodika any amin'ny Facebook, YouTube ary ny Instagram hifampizarany ny fiainany andavanandro miatrika ny toe-draharaha henjana.

Assaf Farhadian dia mpianatra any Be'er Sheva, tanàna lehibe indrindra any atsimon'i Isiraely, izay tsy mitsahatra ny lasibatry ny balafomanga. isaky ny maneno ny anjombona, mialoka ao amin'ny tohatry ny fanorenana, heverina ho azo antoka indrindra i Assaf.

Ashdod, tanàna fahaenina lehibe indrindra ao Isiraely tokony ho 20 maily [35 km] atsimon'i Tel Aviv, dia efa lasibatry ny balafomanga hatramin'ny nanombohany fanafihana tany Gaza, Vitsìy Nohamafisina, tamin'ny 2008. Tsy tambo isaina ny Youtube navoaka mampiseho ny anjombona maneno sy ny taorian'ny fidarabohan'ny balafomanga:

Damage in the Shadadi family home. Virtually all of the daughter's belongings were destroyed.

Fianakavian'i Shadadi taorian'ny fanafihan'ny Hamas. Saripika nozaraina Twitter hoy @JewishAgency

Sderot no tanàna manakaiky ny sisintanin'i Gaza. Tsy vaovao amin'ny mponin'i Sderot ny fanafihana amin'ny balafomanga, Efa maro aza moa ny fandonana mivantana ny tranon'ny olona. Potika nandritra ny fandarohana baomba omaly ny tranom-pianakavian'i Shadadi:

@JewishAgency: Simba ao amin'ny tranom-pianakavian'i Shadadi. Heverina fa potika avokoa ny fananan'ny zanany vavy rehetra. #IsraelUnderFire pic.twitter.com/3YoEFa7A

Ny Bongam-by dia rafi-piarovana an'habakabaka Isiraeliana izay mahatratra ny mihoatra ny 90 isan-jato ny tifitra balafomanga avy any Gaza. Ny lahatsary  manaraka mampiseho ny Bongam-by misambotra ny balafomanga 12 an'ny Hamas eny an'habakabak'i Be'er Sheva.

Naka ity sary avy eo amin'ny tranony tao amin'ny faritra Tel-Aviv i Amir Kdomi. Azonao henoina ny anjombona sy ny fisamboran'ny rafitra Bongam-by ny balafomanga:

Ronny, mpanorina ny Israel-Loves-Iran, hetsika Facebook manana mpanaraka mihoatra ny 100.000, dia mbola teo am-pandriana tao Tel Aviv raha naneno ny anjombona androany maraina. Vahavahàny ny zava-niainany nandritra ny fanafihan'ny balafomanga:

‎10 minitra lasa izay , nisy tifitra namely an'i telaviv. teo am-pandriana aho raha naneno ny anjombona. Tao amin'ny namana i Michal sy ny ankizy nandritra ny androany. rendremana aho, tsy nahita ny akanjoko, zara raha naka ny patalohako sy naka ny findaiko aho dia nankeny amin'ny tohatra. Eo no toerana afovoan'ny trano izay azo antoka indrindra, eo anelanelan'ny rihana voalohany sy faharoa. avy eo i Tiki (mpifanolobodirindrindra aminay, renin'i Shira, naman'i Ela) nivoaka ny tranony. Mbola nandro maraina mihitsy izy no naneno ny anjombona ..mando tanteraka izy no mitafy lamba famaohana lehibe. nifampijery izahay, mbola naneno ny anjombona ary nanomboka nihomehy izahay..
tsy mampihomehy. fa… mampihomehy. naheno fipoahana be izahay, azoko lazaina ankehitriny fa voasambotra teny an'habakabaka ilay balafomanga, ary mbola nihomehy izahay nandritra ny roa minitra mandra-pialan'ny rarin-tsaina.
ronny. tel aviv

Nihoatra ny roa taona izay dia efa lasa tahaka izao ny fiainana mahazatra manerana ny tanàna any atsimon'i Isiraely. Ankehitriny efa mahatratra ny farira Tel-Aviv ny balafomanga. Manahy ny maro fa raha mbola eo amin'ny fitondrana ny Hamas, dia tsy hitsahatra mihitsy izy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.