Mibilaogy Amin'ny Anaran'i Hamid

 

Efa ela i Antonella no tsy nibilaogy. Tamin'ny 25 Aprily 2012 izy no nibilaogy farany, toy izao no nosoratany tamin'izany:

“Ry namana Hamid,

Isan'andro no ahitako ny halehibiazan'ny fo, tahaka ny fitazanan-toerandavitra vaovao eny amin'ny faravodilanitra, izay mifamahofaho lavitra sy haingana eny ny alahelo, ny fanantenana, ny famelàna, ny tahotra, ny fifalilana sy ny fahoriana, tahaka ny rahona ery izy ireo.
Matanjaha ry sakaizako, mbola mahazaka foana ny foko.

Antonella”

 

Raha nihaona tamin'i Antonella Mega aho, tsapako fa tsy bilaogera izy. Na izany na tsy izany, tsy olona mibilaogy matetika sy mpisera Twitter, Facebook, na fampahalalam-baovao sosialy isan'andro izy (tsy tahaka ahy!). Rehefa mibilaogy i Antonella, mibilaogy ho an'i Hamid izy. Inoako fa fitaovana tena lehibe ny bilaogy. Hotazoniko ny fampanantenako nataoko fa hibilaogy momba an'i Hamid sy ireo gadra hafa noho ny fanehoan-kevitra ao Iran aho.

 

Antonella “

 

Iza i Hamid Ghassemi?

 

Vadin'i Antonella i Hamid. Raha nitsidika an-dreniny tao Iran izy tamin'ny taona 2008, nanjavona i Hamid. Nampidirina am-ponja tsy ara-drariny izy, satria voampanga ho mpitsikilo ary nahazo sazy fanamelohana ho faty. Ao amin'ny fonjan'i Evin, ao Tehran i Hamid ankehitriny ary mila ny fanampiantsika izy. Mila ny fanampiantsika maika izy. Toy ny nofy ratsy ny mieritreritra fa olona tsy manan-tsiny, tsy nahavita heloka no homelohina ho faty.

 

Mibilaogy ao anatiny sy momba an'i Iran

 

Fanta-daza amin'ny sivana ataony amin'ny aterineto i Iran. Tsy misy isalasalana noho izany fa mety hiafara any am-ponja ny bilaogera raha miresaka momba ny tsy rariny. Fantatro fa mety hiharan'ny loza ny bilaogera Iraniana raha manapa-kevitra hanoratra momba an'i Hamid. Ohatra, nosamborina i Sattar Beheshti, bilaogera Iraniana, ary namoy ny ainy tany am-ponja izy rehefa voampanga ho “nanao hetsika manohintohina ny fiarovam-pirenena tao amin'ny tambajotra sosialy.”

Tratran'ny sivana avokoa ny bilaogera ao Iran ary tsy afa-miteny. Raha nahafantatra izany, andraikitry ny mpikatroka ny zon'olombelona ankehitriny ny manao fanentanana sy mitaky hetsika ho fanafahana ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra ao Iran, ary anisan'izany i  Hamid.

 

Ireo zavatra tokony hozaraina ao amin'ny bilaoginao:

 

-     AFAHO I HAMID (www.freehamid.com). Ahitana vaovao maro momba an'i Hamid io habaka io, ary ahitana ny fomba tokony hanampiana azy.

-     Lahatsarin'ireo ankizy (namana mpifanolo-bodirindrina an'i Hamid ao Toronto) miresaka momba azy sy mandrisika ireo hafa mba hanao hetsika ho fanampiana amin'ny fanafahana an'i Hamid.

-     “Cities for Life (Tanàna ho amin'ny Fiainana)”: Hijoro ireo tompon'andraikitry ny tanàna (ben'ny tanàna sy ny mpanolo-tsaina) maherin'ny 1000 mba hanohitra ny sazy fanamelohana ho faty. Anisan'iray amin'izany i Toronto. Handray fitenenana i Antonella mandritra ny hetsika “Cities for Life” ao Toronto amin'ny 30 Novambra izao.

 

Zava-dehibe tokoa ny fizaram-baovao momba ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra sy ny fiampanga tsy ara-drariny ao Iran. Lehibe dia lehibe ny mibilaogy amin'ny anaran'ireo olona mety hiharan'ny loza. Raha mihatrika fanjenehana ireo Iraniana ao Iran noho ny fampiasany fampahalalam-baovao sosialy ho sehatra fitakiana ny fanovana ny tontolon'ny fitsarana, eo isika afaka mibilaogy amin'ny anaran'izy ireo!

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.