Manohitra Ny Ady Miaramila Atao Ao Gaza ny Isiraeliana

Nanentana ireo Isiraeliana an-jatony ny vondrona Facebook omaly mba ho tonga hanao fihetsiketsehana ao amin'ny kianjan'i Tel Aviv, Habima. Niantso ireo vahoaka ny vondrona mba “Hanohitra ny ady noho ny fifidianana! Handà ny ho faty na hovonoina noho ny antony ara-politika.”

Nanomboka tamin'ny 14 Novambra teo ny fifampitifirana teo amin'i Hamas sy Isiraely, raha nahavoa sy namono nahafaty ny lehiben'ny miaramila, Ahmed Al-Jabari tao Gaza ny drones (voromby baikoan-davitra) an'ny tafika Isiraelliana .

Mampiseho ny sombiny tamin'ny fihetsiketseham-panoherana ny ady ity lahatsary maharitra 10 sekondra ity:

 

Roni More nandefa sary tao amin'ny Twitter nandritra ny hetsika:

I shall not hate

Tsy hankalaha aho, hoy ny vakin'ny sorabaventy nandritra ny fihetseketseha-panoherana ny ady tao Tel Aviv. Sary nozarain'i @RoniMore1 tao amin'ny Twitter

Maro ireo sary mbola azo jerena eto.

Maro ireo nitsikera ny politika ho ambadik'ity ady ity. Tamina pejy Facebook malaza sy be mpamaky indrindra, Lior Bakalu nanoratra hoe:

ארבע שנים כמעט לא עשו כלום, ופתאום נזכרו. ליבי עם תושבי הדרום ותושבי עזה שממשלת ישראל הפכה את המצוקה שלהם לתפאורת רקע לקמפיין בחירות

Tsy nahavita na inona na inona izy ireo [politika] nandritra ny efa-taona, ary tampoka teo nampatsiahy izy ireo. Miaraka amin'ireo olom-pirenena any atsimo ny foko ary miaraka amin'ireo olom-pirenena ao Gaza ihany koa izay araraotin'ny governemanta Isiraeliana amin'ny fampielezan-keviny ny fahorian'izy ireo.

Nanampy sary manambara ireo ady miaramila tao anatin'ny 15 taona lasa izy, sy ny fandaharam-potoanan’ izy ireo tamin'ireo fifidianana hoavy. Nadika eto ambany:

Alaa Younis nitsikera ny politika ho ao ambadiky ny ady:

החמאס עושה בשם האיסלאם את מה שביבי עושה בגלל הבחירות. שניהם שקרנים. לשניהם לא אכפת מהאזרח. ושניהם לא מייצגים אותי.

ובתור רופא שיניים אני אומר לכם: את שניהם צריך לעקור.

Izay ataon'ny Hamas amin'ny anaran'ny Islamo, no ataon'i Bibi ihany koa noho ny fifidianana. Mpandainga avokoa izy roa tonta ireo. Tsy mahavita mitsinjo ny olom-pirenena izy ireo. Ary tsy misy solontenako na dia ny iray amin'izy ireo aza.
Amin'ny maha-mpitsabo nify ahy, hoy aho milaza aminao: mila esorina [milaza fanalana nify] izy roa.

Nitatitra i Joseph Dana androany tao Ashkelon, tanàna voakasika mafy nandritra ny tifitra balafombanga. Nisioka momba ny mety hisian'ny fanafihana an-tanety izy:

@ibnezra: Ny vahoaka izay nifampiresaka tamiko tao anatin'ny feon'anjomara no nilaza tamiko fa tsy mila fanafihana an-tanety izy ireo satria mety hanimba ny maha ara-dalàna an'i Israely izany

Misy ny tsy fitovian-kevitra amin'ireo Isiraeliana, zara raha-nalefan'ny fampahalalam-baovao mahazatra ny vaovao momba izao hevitra sy fihetsiketsehana izao. Elizabeth Tsurkov nandefa ity sioka manaraka ity:

@Elizrael: Misoroka tsy hitatitra momba ireo Palestiniana niharam-boina ny gazety Isiraeliana ary tsy mitatitra ihany koa fa misy sasany amin'ireo Isiraeliana no manohitra ity ady ity.

Hoy izy nanohy:

@Elizrael: Raha tsy maharay vaovao afa-tsy ny fijalian'ireo Isiraeliana sy ny fahombiazana tamin'ny famonoana ireo mpampihorohoro ianao, nahoana no manohitra io hetsika natao io?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.