Arabia Saodita: Mpanao Hetsi-panoherana Am-pilaminana HoKaravasiana, Didin'ny Mpitsara

Tamin'ny Septambra lasa teo, nanoratra izahay mikasika ny fitorevahana ora 24 tsy mbola nisy toa azy nataon'ny fianakavian'ireo gadra tsy nandalo fitsarana. Nohazaina sy nosamborina ireo mpanao fihetsiketsehana nony farany. Halina, namoaka didim-pitsarana manameloka ny 19 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ilay Saodiana mpanao gazety, Iman al-Qahtani, (eto, eto, eto, ary eto), famoahana dika mitovin'ny didy momba azy ireo.

Ireo didy, izay mivaky toy ireny fanapahana ara-pinoana “fatwa” ireny (edict), dia miaty sazy didy miantona fikaravasiana 50-90 ary fonja ho an'ny 14 amin'izy rehetra, ahitàna ilay olona nitondra sakafo ho an'ireo mpanao hetsi-panoherana. Tonga dia ampiharina ny sazy raha toa ry zareo ka mbola mandray anjara indray aminà fihetsiketsehana. Ireo dimy hafa dia mbola hotsaraina aoriana kely.

Ny famonjàna tsy misy fitsarana no voalohany amin'ny olan'ny zon'olombelona any Arabia Saodita. Ny tarehi-marika vinavinan'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona miaro ny Zo Sivily sy ara-Politikan'ny Saodiana momba ny isan'ireo gadra tsy misy fiampangàna dia  maherin'ny 30.000, raha ny vinavinan'ireo miankina amin'ny governemanta kosa dia 4.396. Maro no tratry ny fisamborana faobe, taorian'ny “ady amin'ny fampihorohoroana” 9/11.

A copy of one of the judge's rulings against the protesters

Dika mitovin'ny didim-pitsarana manasazy ireo mpanao hetsi-panoherana. Sary nozaraina tao amin'ny Twitter  avy amin'i @ImaQh

Ny 23 Septambra ilay fitorevahana no nitranga, izay fanamarihana ny Fetim-pirenena Saodiana. Nanararaotra ilay fotoana ny fianakavian'ireo voafonja mba hanairana ny saina mikasika ny zava-mahazo azy ireo, tamin'ny alalan'ny fitorevahana teo anoloan'ny fonjan'i al-Turfiya, akaikin'i Buraidah. Araka ny ambaran'ny Reuters, lehilahy 60, vehivavy 45 ary ankizy 16 no nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana.

Nandritra ilay fitorevahana, ary taorian'ny nihodidinan'ny polisy mpandrava korontana ireo mpanao fihetsiketsehana, sy nanakanana ny rono sy sakafo ho azy ireo, tanora iray no nanao izay hahatongavana teny niaraka tamin'ny sakafo. Ny sazy nahazo izay olona izay dia:

إعانة المتجمهرين عن طريق إحضار الطعام

Fanohanana ireo mpanao hetsi-panoherana tamin'ny alàlan'ny fanomezana sakafo

Ireo fiampangana dia manamafy ihany koa ny tatitra maro milaza hoe ny Kaomity ho amin'ny Fanapariahana ny Soatoavina sy Fisorohana ny Zava-tsy mety, fantatra ihany koa ho toy ny polisy ara-pinoana, dia nandray anjara tamin'ilay fepetra famoretana:

بقاؤهم في المكان أكثر من يوم رغم مناصحتهم من رجال الأمن وأعضاء هيئة الأمر بالمعروف والنهي عن المنكر

Nihoatra ny andro iray no nitorevahan-dry zareo teo amin'izany toerana izany, na dia notoroan'ny mpikambana avy amin'ilay Kaomity ho amin'ny Fanapariahana ny Soatoavina sy Fisorohana ny Zava-tsy mety hevitra handao ilay toerana aza ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.