i Öcalan Ve No Fanalahidin'ny Fifampiraharahàna Amin'i Tiorkia?

67 andro izao, gadra Kiorda an-jatony no nitokona tsy mety hisakafo any Tiorkia. Ary satria miharatsy ny fahasalaman-dry zareo, dia nanandratra ny masony ireo mpanao politika maneran-tany. Nisy hetsika maro ho fanehoana firaisankina nitranga tany Eoropa, ary fitokonana tsy hisakafo nadritra ny  ora 24 nataon'ireo Kiorda mpanao politika, mba ho fanohanana ireo efa mitokona tsy hihinan-kanina rahateo. Nangatahan-dry zareo ny hampitsaharana ny fanokana-monina ny mpikambana iray mpanorina ny Antokon'ny Mpiasa any Kiordistana (PKK), Abdullah Öcalan, sy hamelàna ny fampiasàna ny teny Kiorda eny amin'ny toerana natao ho an'ny daholobe tsy asiana fanavakavahana. Tsy nisy tamin'ireny fangatahana ireny nahitana valiny, saingy hagagàna fa nisy fanambaràna iray avy amin'i Öcalan, izay niantsoany fampiatoana ny fitokonana tsy hihinan-kanina araka ny nambaran'ny rahalahiny Mehmet Öcalan.

Tsy nanova ny fihenjanan'nytadin-dokanga teo amin'ny fanjakana Kiorda sy Tiorka ilay antso fampiatoana fitokonana tsy hisakafo. Efa miala any sahady ny fihetsiketsehana tany amin'ny tanàna Kiorda iray, ao Diyarbakir. Namaly bontana ny polisy (toy ny efa mahazatra) nitifitra entona mandatsa-dranomaso avy any amin'ny APCs.

Ivan Watson avy amin'ny CNN dia manasongadina ny fihenjanana ao Diyarbakir tao anatin'ny tatitra farany avy aminy eto,  ka ao no itanisàny ireo Kiorda maro manana ny toerany ao amin'ny vondrom-piarahamonina ao Diyarbakir.

Ireo polisy namakivaky an'i Diyarbakir dia nitatatata tamin'ny fanamafisam-peo nandritra ireo fihetsiketsehana, nilaza fa nanao fanambaràna fampitsaharana ny fotokonana tsy hihinan-kanina i Öcalan. Be no nandray azy io hoe mbola manana ny lanjany amin'ny fanahàna ny olan'ny Kiorda amin'i Tiorkia i Öcalan.

Ireo mpitarika Kiorda sasany, toa an'i Jalal Talabani sy Massoud Barzani, dia efa niteny fa hitàna toerana fototra amin'ny fifampiraharahana eo amin'ny mpihoko Kiorda sy ny fanjakana Tiorka i Öcalan. Na eo aza io, natoka-monina tanteaka i Öcalan, ary vao haingana ireo mpisolovava azy no tsy navela akory hitsidika azy. Na dia maro aza ny olona no tsy dia niraharaha ny fanakianan'i Öcalan, dia zava-dehibe ny hanipihana fa ny vanim-potoana namoahan'i Öcalan ireny fanambaràna ireny dia mijanona no misitery, ary raha itarna lavitra dia tonga hatramin'ny maha-mpitarika an'i Öcalan ny fanontaniana. Natao hanamaivanana ny tsindry politika mahazo an'i Tiorkia ve ny fanambaràny na dia tsy nisy nivaly mihitsy aza ireo fangatahana, na mino ve izy fa tsy tokony ho nosavihan'ireo gadra noho ny resaka politika ve ny fitokoana tsy hihinan-kanina.

Zeynep Erdim mibitsika hoe:

@zeynep_erdim: Natrehi-maso ao #Diyarbakir #Amed miteny fa fiaran'ny polisy no manambara fa “Ocalan dia nangataka ny hampiatana ny #FitokonanaKiordaTsyHihinankaniana #KurdishHungerStrike,” no sady manao fisafoana. Tsy mampino loatra!

Tsy ny rehetra no mijery ilay fanambaràna ho toy ny zavatra mety, sady tsy resy lahatra ry zareo satria na iray aza tamin'ireo fitakiana dia tsy mbola nisy nahitana valiny, ary izany dia mahatonga fanontaniana maro mikasika an'i Öcalan sy ny antony tsy nangatahany tamin'ireo mpanao politika ireo tsy hanohy ny fitokonan-dry zareo tsy hisakafo dieny tany ampiandohana fony ry zareo nanomboka. Mety efa tsy ho azo iverenana intsony ny fahavoazana nateraky ny fitokonana tsy hihinan-kanina ho an'ireo mpanao politika anjatony nitokona tsy hihinan-kanina.

Lawen Azad manontany hoe :

@LawenAzad: Ahoana izany? Tsy misy na iry aza fitakiana nahazoana valiny raha ny fahalalantsika azy. Natao inona fotsiny izany ireo andro 67 nanaovana fitokonana tsy hihinan-kanina?

Ny hafa indray mahita ilay fangatahana hanatsaharana ny fitokonana tsy hihinan-kanina ho toy ny zavatra tsara, saingy zavatra iray no azo antoka, mizarazara be ny hevitry ny vondrom-piarahamonina anaty aterineto ny ny fanehoan-kevitra mikasika ny vaovao misy ankehitriny.

Kamal Chomani manoratra hoe:

@KamalChomani: Tokony hotohanana ny antson'i Ocalan ho fampitsaharana ny fitokonana tsy hihinan-kanina. Nahoana no hisy olona ho faty rehefa tsy miraharaha akory i Erdogan? mitohy ny tolona, izay no zava-dehibe.

Ary Heballo manamarika hoe :

@Hevallo: Fantatr'ireo mpitokona tsy hihinan-kanina fa mety hiteny hampiato izany i Ocalan ary dia nanery ny fanjakana ry zareo hanaporofo ny lanjany manoloana ilay hetsika!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.