Miomana Hanao Fanafihana An-tanety Ao Gaza Ve Israely?

Niomana hiatrika andro iray hafa hisian'ny zara baomba tsy an-kiato ny mponina ao Gaza, satria mandeha be ny vaovao momba ny mety hisian'ny fananiham-bohitra hataon'ny israeliana.

Ny fintina amin'ny antony nahatonga ilay fanahihana tselatra nipoaka tampoka dia hoe nifanakalo tifitra i Israely sy Gaza – izay mbola mitohy hatramin'izao – taorian'ny namonoan‘i Israely an'i Ahmed Al-Jabari, mpitari-tafika avy amin'ny Hamas, nandritra ny fanafihana an'habakabaka tao Gaza ny Alarobia teo.

Ny vaovaon'i Gaza :

Toy ny omaly, ilay Palestiniana biloagera ao Gaza dia nanome fanavaozam-baovao hatrany ho an'ireo mpanaraka tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy, isan'ora.

Avy ao Gaza, mibitsika i Rana :

@RanaGaza: Fanafihana an'habakabaka indray. Tahaka ny varatra ny fidobony tamin'ity indray mitoraka ity #Gaza

Harry Fear, Britanika mpanao gazety izay ao Gaza ao, mitatitra hoe :

@harryfear: Fanafihana efatra niantefa tamin'ny tanànan'i Gaza raha iny aho mbola teo am-panolorana ny vaovao tamin'ny fahitalavitra iny indrindra tao amin'ny Press TV, inc. Ny 1 izay nampihovitra sy namoha mihitsy ny varavaran'ny trano fitenenana.

Ary Sara Hussein, mpitatitra avy amin'ny Agence France-Presse, any Gaza amin'izao fotoana, dia mibitsika hoe :

@sarahussein: Mihaino ireo fifanakalozan-dresaka eto #Gaza mikasika ny hoe aiza no toerana azo antoka izao. Tsy hitan'ny olona izay haleha. Tsy afa-miala+tsy manana fialofana. #Israel #Palestinians

Eny an-kianja, somary efa mialoha làlana ihany ny fitantarany, satria mitatitra izy hoe mandre fipoahana manodidina azy. Ireto ny sasany amin'ny bitsika avy aminy :

@sarahussein: Anaty trano iray aty an-tanànan'i #Gaza aho, miaraka amin-jaza dimy taona, vehivavy bovohoka iray, ny vadiny, ny reniny, ny anadahiny. Nampihovitrovitra ny trano ilay fipoahana fahadimy farany.

@sarahussein: Tena faran'izay akaiky mihitsy ilay fipoahana farany, nihovitra daholo ny zavatra rehetra, vaky ny fitaratra. Nanomboka nitomany ny zanaka vavin'ilay mpitatitry ny @AFP. Efa mivanitika miaraka amin'ny horonantsarin'i Mr Bean izy izao #Gaza

@sarahussein: Maheno izay toa fivezivezena eto an-tanànan'i #Gaza eto amin'izao fotoana #Israel #Palestinians

Isan'ny maty :

Araka ny nambaran'i Joseph Dana, israeliana mpanao gazety, tafakatra ho olona 29, raha kely, ny isan'ireo Palestiniana maty. Mibitsika izy :

@ibnezra: Ny tatitra izao dia hoe tafakatra ho olona 29 raha kely no isan'ireo Palestiniana maty ao Gaza hatramin'ny nanombohan'ny “Operation Pillar of Cloud” – na “Andry Rahona”

Mitsinjara ny fahavoazana ho toy izao i Bilal Randeree :

@bilalr: #Gaza/#Israel fanavaozam-baovao: 27 Palestiniana- ahitàna ankizy 7 – ary Israeliana 3 no maty hatramin'ny Alarobia. v/ @BBCBreaking

Dia inona no manaraka?

Iyad El-Baghdadi miteny hoe :


@iyad_elbaghdadi
: Misy tatitra manao hoe nakaton'i #Israel ny arabe maro mitondra mankany #Gaza, toy ny dingana mankany amin'ny fitsofohana an-tanety no fijery izany.

Dana manazava hoe :

@ibnezra: Vao avy niresaka tamin'i @emilie_baujard any Gaza. Miteny izy fa misavoritaka ireo mpanao gazety, matahotra ny fananiham-bohitra Israeliana ato ho ato.

Manampy izy :

@ibnezra: Tsy hanakatona arabe fampiasan'olon-tsotra izany ianao raha tsy hoe hanomana hetsika miaramila goavana be. #Gaza #Israel

Emilie Baujard, solontenan'ny Radio France any amin'ny faritra Afovoany Atsinanana dia mibitsika hoe :

@emilie_baujard: Miharatsy hatrany ny zava-misy aty #gaza. Efa miandry fanafihana an-tanety tsy ho ela ny rehetra. Tifitra bala afomanga miainga avy ao afovoan'i Gaza sy avy any amin'ny tora-pasika

Ary ilay Israeliana, Elizabeth Tsurkov, manamarika hoe :

@Elizrael: Miady hevitra ny kabinetra Israeliana izao raha tokony hiantso ireo miaramila fiandry 75.000, betsaka noho ny isan'ireo miaramila nantsoina nandritra ny ady faharoa tany Libanona.

Misy ady iray goavana manangasanga va re eny amin'ny fara-vodilanitra e?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.