Miteraka Adihevitra Momba Ny Herisetra An-tokantrano Ao Zimbaboe Ny Daroka Nanjo Ilay Vehivavy DJ Aminà Onjam-peo

[Ny rohy ato dia amin'ny teny Anglisy raha tsy misy filazana manokana]

Nanainga adihevitra mikasika ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao Zimbaboe ny daroka nahazo ilay DJ malaza aminà fampielezampeo iray. Tinopona Katsande, DJ aminà onjampeo tsy miankina ZiFM, dia nampakatra ny sariny tao amin'ny Twitter sy Facebook taorian'ny daroka nataon'ny sipany azy.

Ny sarin'ny tavany nivindimbindina dia sady noderaina no voakiana koa tety anivon'ny tambajotra sosialy, ary nitondra ny fifantohan-tsaina ho amin'ny olana sosialy goavana tsy mitsaha-mitombo ao Zimbaboe.

Tinopona Katsande, a DJ with the privately owned ZiFM, shared this photo online showing how her boyfriend brutally assaulted her. Photo courtesy of Tinopona Katsande.

Tinopona Katsande, DJ aminà onjampeo tsy miankina ZiFM, dia nampakatra ity sariny ity tety anaty aterineto mampiseho ny habibian'ny herisetra nataon'ny sipany azy. Sary natolotr'i  Tinopona Katsande.

Fanta-bahoaka amin'ny hoe TinTin, Katsande izay efa mpilalao ihany koa fahiny taminà tantara an-tsary nandeha tao amin'ny fahitalavi-pirenena, dia nandefa fanambaràna iray tao amin'ny pejiny Facebook :

Ny Alahady 11 Novambra 2012, dia nanatevin-daharana vondrom-behivavy iray tsy mitsaha-mitombo an'isa ahitàna ireo niharan'ny herisetran'ny fanavakavahana ara-pananahana teto. Izao izaho miresaka aminareo izao dia miaraka aminà nify tapaka, tratra mangamangana, tava mivindimbindina, maso vonton-drà, volo nosintonina niongotra ary fo mavesatra SAINGY, hiolomay ihany koa hilaza fa manoratra ity fanambaràna ity aho satria mbola velon'aina soa aman-tsara. Sisam-paty aho saingy indrisy tsy afaka lazaina ho toy izany ny vehivavy maro. Tsy tranga maningana aho, fa lasa ho fenitra, indrisy. Araka ny ZDHS  (Zimbabwe Demographic and health survey) tamin'ny 2005/6 dia manakaiky ny 6 amin'ny vehivavy 10 nohadihadiana no nitatitra ho niaina herisetra natao azy ireo. Tiako ny hisaotra ireo izay nijoro teo anilako nandritra ity fotoana mangidy ity nefa mangataka anareo koa aho tsy hanao izany ho an'i Tino fotsiny. Eo amoron-tevan'ny fanombohana 16 andron'ny hafanam-po hiadiana amin'ny herisetra atao amin'ny tsy mitovy fananahana isika izao. Ndeha hiara-hirona isika ka HITENY TSIA AMIN'N HERISETRA. Ny olona sasany nilaza tamiko mba tsy hiresaka mikasika azy ity. Ny sasany niteny tamiko tsy hamoaka azy ity hivoaka ny tokantrano. Nisy olona aza niteny tamiko hoe “Chakafukidza dzimba matenga [Tsy izay rehetra hitan'ny masonao akory dia ho azonao avokoa] ary tokony tsy hiloa-bava aho. Tsy hangina aho, tsy hangina velively aho.

 

Fanehoakevitra tety anaty aterineto

Nanazava ny antn'ny fifandirana ilay mpampiasa Twitter, @nqabamatshazi :

@nqabamatshazi: Ilay mpilalao fahiny tao amin'ny Studio 263, Tino Katsande, fantatra tamin'ny hoe Joyce, dia voavelively toy ny koba taorian'ny nitenenany tamin-dralehilahiny mba hanasa lovia, raha izy kosa mbola nanadio trano.

Ny fanehoan-kevitra voalohany avy amin'i Elizabeth Gandah, mpiondana aterineto, dia ny hoe hadisoan'i Tino ny nizara ny tantarany tamin'izao tontolo izao. Na izany aza, taoriana kely izy dia nanova ny fomba fisainany ary niarahaba azy indray tao amin'ny pejiny Facebook :

Vantanyvao nahita azy ity aho dianihevitra hoe  ‘oh Tino tsy tokony nizara ity tmain'izao tontolo izao izy satria sady hizara fombàna no hitsikera ny olona, nefa tonga saina ihany aho hoe diso, tena feno fahasahiana izy hisolo tena ireo vehivavy tsy hita isa sy lehilahy iharan'ny tsindry hazolena ao anatin'ny fiarahan'olon-droa. Na inona na inona mitranga ao anatin'ny fiarahanareo, na manana ny marina na tsia ny iray, na nandranitra na inona koa dia tsy misy na iza na iza afaka hanainga ny tànany hamely ny iray. Tamin'ity taona ity fotsiny isika dia nahita ny famonoana tamin'ny fomba feno habibiana nahazo an'i Monalisa Chinomona naterak'ity karazana hatezerana ity. Mila manamafy ireo fepetra isika mba hiadiana amin'ity aretin-dratsy ity izay tonga hanimba ny fiarahantsika. akomana, Zavatra mahafinaritra loatra ny fitiavana , aoka tsy hoararaotintsika. Ho an'i Tino dia hoy aho hoe nahay azy ianao r'ikala, mahery fo iray ianao, avelao ry zareo hitsara anao na asa koa hoe hanao inona, fa ambonin'ny zavatra rehetra efa nahavita nitana ny anjara toeranao ianao tamin'ny ady hanoherana ny herisetra an-tokantrano. Andrimanitra anie hanasitrana anao ara-nofo sy ara-pihetseham-po.

Bongzmotswana Vincent niteny fa mendrika ho an'ilay sipan'i Tino ny halefa any am-ponja noho ilay daroka nataony :

Halako ny lehilahy manisakisaka vehivavy. ny fijerena ity sary ity dia afaka hampahafantatra anao hoe ahoana no ahafahanao manainga tànana hidaroka vehivavy, na iza na iza manao izany dia mendrika ny ho lo any am-pigadrana [ity sary ity] dia ahafahanao mahalala raha manohitra ny herisetra an-tokantrano ianao @TinTin263: pic.twitter.com/ITVMoVZK

Raha i Tumai Chitava Nyasuro kosa nanoratra oe :

Tsy misy fialàna tsiny mihitsy amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy.

Sarah Chishiri-Bosha nipao-tsatroka an'i Tino tamin'ny nizarany ny tantarany ho an'ny daholobe :

Vevhivavy be erim-po ianao ry Tino ary tena mipaoa-tsatroka aminao aho amin'ny tsy nisalobonanao na niafenanao, tsy misy zavatra tokony hahamenatra anao, ilay bandy mpanao herisetra no tokony ho menatra !

Chris Nyamandi nanamarika fa vehivavy maro no mangirifiry anaty fahanginana :

Tena vehivavy matanjaka tokoa i Tino … maro no miharitra hirifiry anaty fahanginana nefa iharan'ny herisetra tafahoatra!

Mandritra izany i Watson Chiyangwa dia nanao fanamby tamin'ilay sipan'i Tino :

Sitràna haingana ry Tin Tin, raha avelanareo manao iray sy iray amin'ilay sipanao aho dia ho ampianariko lesona lery. Ilazao izy handalo mba haka bandy mifandanja aminy ary azoko antoka fa sahaza azy tsara aho.TK, lazao ahy fa tsy ho avelanao handalondalo fotsiny ity. Sitràna haingana ry Tin Tin-ko.

Saingy tsy ny rehetra no maneho fanohanana

Nyasha Chaps nihevitra fa ny hangataka lehilahy iray hanasa lovia dia zavatra tsy fahita anaty kolontsaina afrikana :

Tinopona … Unowanza chiSALAD!!! pasina futi like foreal. [Maka fomba Amerikanaloatra ianao] tiako ianao saingy izao ry sipa aaaa….!! nivady nandritra ny 28 taona nyray sy reniko fa tsy mbola nandre ny reniko aho na indray mandeha aza nangataka tamin'ny raiko mba hanampy azy! ary izy dia lehilahy malemy fanahy indrindra, azoko antoka fa ho nataony izany raha nisy saingy aiza koooosa e chero ndiwewo. Momz ndopavachazo kumbira mdara kusuka maplates like TF ?! [Na ianao aza. Tsy ho vitan'ny reniko mihitsy ve ny hangataka amin'ny raiko mba hanasa lovia?] tsy ampy fahalalana ny fitondra tokantrano ianao!! Nanala ny fony taminao marina tokoa izy [nidaroka anao tamin'ny fomba henjana], ary tsy mankasitraka herisetra an-tokantrano mihitsy aho na endrika toy inona na toy inona, saingy tsapako hoe satria ianao niseho tamin'ny 263 [horontsary], sady ianao koa ao amin'ny fampielezam-peom-pirenena, dia mihevitra ianao fa “tàfa”. NO MAAM. zvana vehivavy mahaleotena bla bla bla manana ny toeran-tsarobidiny sy anaty tokantrano izay tokony hisahananao ny asa tsotra ao an-tokantrano amin'ny maha-vehivavy anao, etsy ankilany tokony koa ianao mahafanatra tsara ny rangahinao ry malala. Sitràna haingana na izany aza saingy chisalad chachibhadhare !!! [Tsy mitondra mankaiza ny maha-Amerikana] teboka mifampitohy ary teboka [famaranana]!!!!!!!

Norman Mpofu nanampy tamin'ny fiteny Shona ao an-toerana hoe:

voadaroky ny sipany…..kikiki …mapoto muchinyanyawo vana sister. unogarirei nemunhu asina kuroora [Be loatra ireny tokantranomaso ireny. Inonano ijanonanao miray trano amin'olona tsy mbola vadinao]

Araka ny ambaran'ny UNICEF, tahaka ny mirongatra ny herisetra mifandray amin'ny maha-lahy na vavy ao Zimbaboe miainga avy amin'ireo fomban-drazana sy foto-kevitra izay mirakitra fampanompoana ny vehivavy, any izay azon'ny lehilahy atao tsara, ara-kolontsaina, ny “manafay” ara-batana ny vadiny sy ny zanany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.