Iran: Fakafaka Ataon'ny Mpiserasera Momba ny Efa-taona Fanampiny Ho an'i Obama

Nivoaka voalohany tao amin'ny Arseh Sevom nosoratan'i Peyman Majidzadeh

Efa niraraka avokoa ny confetti (poti-taratasy maro loko fanao amin'ny fety) ary efa tsy vaovao malaza intsony ny momba ny fifidianana Amerikanina. Nifidy ny Filoha Barack Obama ny Amerikana tamin'ny Talata 6 Novambra 2012 izay nanasonia ny fifidianana azy indray. Tao amin'ny fifidianana nandaniam-bola be indrindra hatramin'izay teo amin'ny tantaran'i Etazonia, araka ny tatitra nataon'ny Center for Responsive Politics [en], Nahazo mpifidy lehibe 332 i Obama raha 206 kosa ny azon'i Romney. Na dia ny olom-pirenena Amerikanina ihany aza no afa-mifidy dia narahin'ny vahoaka manerana izao tontolo izao akaiky ny valim-pifidianana. Koa satria moa anisan'ny firesaky ny politika ivelany ao Etazonia i Iran, tsy mahagaga raha liana dia liana amin'io fifidianana io ny Iraniana. Ny ankamaroan'ny Iraniana nitady an'i Obama handresy hisorohana amin'izay mety ho ady hitranga, na dia maro amin'izy ireo aza no mahita ny sazy ara-toekarena tsy latsaka ambanin'ny ady mangina mamely ny olo-tsotra ao Iran.

Maro ny adihevitra nitranga teo amin'ny Iraniana. Tamin'ireo Iraniana maro nanaraka akaiky ny vali-pifidianana, nanoratra i Soroush [en]:

“The world moved a step farther from insanity of war, I hope.”

“Nihemotra dingana iray amin'ny ady tsy amin'antony izao tontolo izao, manantena aho”

Amin'ny sata navoaka farany, namoaka ny sarintanin'ny vokatra miaraka amin'ny fanazavana tahaka izao:

“I strongly believe this was a milestone in the history of Iran, too. Future will show us how!”

“Mino tanteraka aho fa dingana tsara ho an'ny tantaran'i Iran koa io. Ny hoavy no hanambara antsika izany!”

Ho setrin'ny fampielezan'ny mpaneho hevitra iray ny fironany amin'i Romney noho ny fiakatry ny vidi-javatra tsy zaka  sy ny vidi-piainana miakatra tahaka ny balafomanga any Iran, hoy kosa i Soroush [fa]:

“Aleoko mandoa vola avo roa heny hahazoana jiro toy izay tsy manana mihitsy. Tena miahiahy fatratra aho hoe aorian'ny ady mety ho nisy teto Iran dia ho tafavoaka tsaratsara kokoa noho i Afghanistan isika (izay tsy azo sainina velively). Leon'ny ady naharitra valo taona aho. Raha ny marina, tena mihoatra noho ny leo aza. Farafaharatsiny ankehitriny mba misy fanantenana [tsy isian'ny ady]…”

Ali Abdi namoaka naoty tao amin'ny Facebook-ny [fa] talohan'ny fifidianana:

“Samy tsy mety amin'ny vahoaka Iraniana na i Obama na i Romney. Samy manohana ny fanasaziana izaitratra ny vahoaka Iraniana ny roa tonta no miaradia amin'ny fitondrana manavakavaka ao Isiraely… Obama no mahafantatra bebe kokoa momba ny tantara ara-politika, sosialy, kolontsaina, ary ny toe-javatra ara-jeografia tao Iran sy tao amin'ny reni-paritra misy antsika. Izy no manohitra ny fanafihan'i Isiraely an'i Iran ary tsy mazoto ny hanomana fanafihana ara-miaramila an'i Iran. Tsy izy no safidy tsara indrindra saingy izy irery no azo nofidiana ka tsy manohina loatra ny Iraniana. Tsy manan-jò hifidy ao amin'io firenena io aho, fa raha izany moa ka monina amin'iray amin'ireo fanjakana tena ianteherana, dia nifidy an'i Barack Hussein Obama aho.”

Ahmad namoaka indray ny lohateny avy amin'ny Al-Alam ao amin'ny bilaoginy [fa], izay nanoratra fa efa manakaiky ny zero amin'izao fotoana izao ny mety hisian'ny fanafihana an'i Iran na Syria.  Raha mijery ny politikan'i Obama eo amin'ny fe-potoana faharoa, izao no nosoratany:

“Tsy hisy ny ady amin'i Iran.”

Ao amin'ny lahatsoratra antsoina hoe “Ny Fandresen'i Barack Obama sy ny fiantraikany eo amin'ny fiaraha-monina Iraniana”, aingam-panahy avy ao no mampahatsiahy ny voka-pifidianana tamin'ny 2009 ary mampivoitra avy amin'io voka-pifidianana io, fa 15%n'ny Iraniana ihany no mahay manavaka an'i Bush sy i Obama. Hoy ny mpanoratra:

“After Obama’s victory, implicit congratulatory messages could be found on various websites.”

“Taorian'ny fandresen'i Obama, misy hafatra fiarahabana ankolaka ihany hita amin'ny habaka samihafa”

Avy eo izy nanontany izay niova tamin'ny fahazoana politika nandritra izay efa-taona izay.

Nargess miarahaba an'i Obama tamin'ny famoahana indray ny sombin-kabarim-panekena tao amin'ny bilaoginy:

” … I believe we can keep the promise of our founders, the idea that if you're willing to work hard, it doesn't matter who you are or where you come from or what you look like or where you love. It doesn't matter whether you're black or white or Hispanic or Asian or Native American or young or old or rich or poor, able, disabled, gay or straight, you can make it here in America if you're willing to try…”

“… Mino aho fa afa-mitàna ny fampanantenan'ireo mpanorina [ny firenentsika] isika, ilay hevitra hoe raha vonona ny hiasa mafy ianao, tsy maninona hoe iza ianao na avy aiza na tahaka ny ahoana ianao na izay tianao. Tsy maninona ianao na mainty na fotsy na hispanika na aziatika na Amerikana zanatany [teratany] na tanora na antitra na manankarena na mahantra, salama tsara na manana fahasembanana, pelaka na tsotra, azonao atao eto [miasa] izany rehefa vonona ny manandrana an'izany…”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.