“Niraraka Toy Ny Orana Ny Baomba Tao Gaza”

Tsy natory i Gaza nandritra ny alina satria nanohy nanafika ny Palestiniana i Isiraely. Nanomboka ny toe-draharaha raha nifampitifitra i Isiraely sy Gaza – izay mbola mitohy hatramin'izao – rehefa matin'i Isiraely nandritra ny fanafihana an'habakabaka an'i Gaza ny mpitarika ara-miaramilan'ny Hamas antsoina hoe Ahmed Al-Jabari [afak'omaly].

Araka ny tatitra nataon'ny gazety, nahafatesana Gazaita 13 sy Isiraeliana 3 ity fanombohan'ady ity. Avoakan'i Ebaa Rezeq ao amin'ny Twitter ny isan'ny iharam-boina amin'ny lafiny misy ny Palestiniana:

الحصيلة حتى الآن| 15 شهيد (منهم 3 أطفال, سيدة حامل بتوأم, وعجوزين) + 140 إصابة. #غزة

@Gazanism: niharam-boina hatramin'izao: maritiora 15 (anatin'izany zaza telo, vehivavy bevohoka iray sy ny zanany kambana ary zokiolona maromaro), ary 140 ny isan'ny naratra #Gaza

Khaled Shawa shares a photograph of his neighbour's house burning after being shelled by Israel

Khaled Shawa nizara ny sarin'ny akaikin'ny tranony may rehefa voadarok'i Isiraely. Sary inoana avy amin'i @KhaledShawa

Wael Ouda mitantara ny hasesin'ny fianjerana baomba manodidina azy:

@WillOuda: Tena “mandehandeha” ao amin'ny toera-pandraisam-bahiny mihitsy ny drones [voromby baikoan-davitra]….mitalakotrokotroka sy mitabataba ambony loha. #Gaza

Amin'ny sioka hafa, mandefa ny isan'olona ihara-pahavoazana iz taorian'ity fifampitifirana ity:


@WillOuda
: Isan'ny maty: 14-15 ary mihoatra ny 120 naratra #Gaza

Gaza Under Attack

Gaza mizàka fanafihana. Saripikan'i @journeytogaza hita Twitter

Mikotaba i Majed Abusalama :


@MajedAbusalama
: Miraraka sahala amin'ny orana ny baomba eto Gaza avaratra #GazaUnderAttacks

Mandritra izany fotoana izany, mamoaka lahatsary tsy mampino i Abu Omar hitao amin'ny YouTube mitondra ny lohateny hoe, Milalao baolina fandaka ny ankizy na dia misy aza ny daroka baomba:

Lahatsary mampiseho ankizy milalao – raha mitohy manodidina ny fipoahana.

Milaza ny heviny i Ola Anan:


@olanan
: #GazaUnderAttack ary dia misy ny vondron'ankizy nanapa-kevitra hilalao baolina fandaka eny an-dalambe! Mampianatra ny fiainana izahay ry izao tontolo izao!

Ary manampy i Majed Abusalama:

المعنويات عالية في #غزة, فليحطموا كل شي, يقتلوا أطفالنا ولكن لن يقتلوا ارادنا وأجلامنا, والى التحرير انشا الله

@MajedAbusalama: Ambony ny maoralinay aty Gaza. Avelao potehiny ny zava-drehetra ary vonoiny ny zanakay fa tsy hahafaty na oviana na oviana ny faniriana sy ny nofinofinay ry zareo. Ho amin'ny fanafahana avy amin'ny sitrapon'Andriamanitra!

People queue outside a bakery to get bread in Gaza

Olona milahatra hividy mofo ao Gaza. Sary nozrain'i mpisera Twitter @sarahussein

Mandritra izany fotoana izany ny mpanao gazety Sara Hussein, izay afa-nivezivezy tao Gaza, mizara sarim-pilaharan'olona ivelan'ny mpivaro-mofo iray.

Nisioka izy:


@sarahussein
: yfrog.com/nws02mjj filaharana ivelan'ny mpivaro-mofo #Gazay. Matahotra tsy fisian-kanina ny olona. #Israel #Palestinians

Inona ny manaraka?

Mampanontany tena ny fandehanana any Gaza raha hisy ny fanafihana an-tanety:

@journeytogaza: Misy vaovao avy amin'ny governemanta #Israeli ve raha misy na tsia ny fanafihana an-tanety any #Gaza?

Tenifototra Twitter:

Raha te-hanaraka ny resaka amin'ny Twitter hafa, amarino ny tenifototra: #PrayForGaza, #GazaUnderAttack ary #Gaza.

Vakinteny hafa (teny anglisy):

Mondoweiss: Two new resources: Timeline of Israeli escalation in Gaza and Israel’s history of breaking ceasefires

The Guardian: Israel and Gaza militants in deadly exchanges – live updates

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.