Maika Hihaona Momba an'i Gaza Amin'ny Ahoana ny Ligy Arabo?

Nandefa fampiantsoana ny Filan-kevi-piarovana ao amin'ny Firenena Mikamba ary nanatontosa fivoriana maika tamin'ny Alarobia alina teo mba hiresaka momba ny fanafihana an'habakabaka niseho farany teo tao Gaza, sy ny vokadratsin'ny fanafihana tifitra balafomanga nataon'ny Hamas tao Israely. Nilaza kosa ny Ligy Arabo tetsy andaniny fa hihaona izy ireo amin'ny Asabotsy [17 Nov 2012] mba hiresaka momba ny korontana farany teo, niteraka hanihany sy hatezerana teo amin'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo izany – noho ny tsy fandraisana [andraikitra] haingana.

Tao amin'ny Twitter, Amr nanesoeso hoe:

@3amrB: – Namono olona izy ireo tamin'ny alina! – Eny, andeha hiresaka momba izany afaka telo andro.

Hoy izy nanampy:

@3amrB: Rahoviana ny tontolo Arabo vao hampandroso ny teknolojia avo lentan'ny fihaonana an-tserasera?

Brazilian Carlos Latuff shares this cartoon on the latest Gaza-Israel conflict

Breziliana Carlos Latuff nizara ity sariitatra momba ny ady farany tao Gaza-Israel ity

Ary hoy izy nanohy:


@3amrB
: Eritretreto hoe eo efa anatin'ny finday ny [radio] FM, tsy misy mahafantatra amin'izy ireo hoe bokotra inona no tsindriana, samy miara-miteny ny tsirairay, tsy fantatra intsony hoe iza no miteny.

Ilay Ejipsiana Lilian Wagdy nieritreritra hoe [ar]:

وليه اجتماع الجامعة العربية يبقى يوم السبت؟ امال لو مكانش اجتماع طاريء كانوا هيعملوه امتى؟!

@lilianwagdy: Nahoana ny fivorian'ny Ligy Arabo no hotontosaina amin'ny Asabotsy? Ary rahoviana no mety hotontosain'izy ireo izany raha toa ka tsy ‘maika’ ny fivoriana?

Libanezy Octavia Nasr niantso ho amin'ny tsy fahombiazan'ny Ligy Arabo:

@octavianasr: Tandremo Tsy fahombiazan'ny Ligy Arabo: Fivoriana “maika”: olona manan-tsaina no manatontosa izany avy hatrany FA TSY 3 andro aty aoriana!! #Israel #Gaza #Syria

Palestine Video nanampy hoe:

@PalestineVideo: Satria sahirana ny minisitry ny raharaham-bahiny ao amin'ny ligy [J]Arabo, tiany ho fantatrao fa voatery nahemotr'izy ireo amin'ny Asabotsy izao ny fivoriana momba ny fanafihan'i Isiraely tao Gaza

Ary hoy izy nanohy:

@PalestineVideo: Nilaza ny Ligy Arabo [J] fa vonona hanatontosa ny fivoriana maika, azo atomboka raha vao tonga avy hatrany ny sakafo sy ny zava-pisotro haitraitra

Syriana Sakhr nanamarika hoe:

@syrianews: Mikarakara fivoriana *maika* ny Ligy Arabo. Rahampitso. Na angamba afaka andro vitsivitsy. (Tena marina).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.