Polisy Manao Be Midina Ao An-tranonà Mpitoraka Bilaogy An-dahatsary Ao Japana

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Horohorontany tao Japana 2011.

Nanao be midina tao an-tranon'ilay mpitoraka bilaogy amin'ny alalan'ny lahatsary, Yuzuru Kaneko, monina ao Fukuoka ny polisy avy ao amin'ny prefektioran'i Fukui ny 1 Oktobra 2012 teo. Izy dia nitatitra ny hetsi-panoherana manohitra ny resaka nokleary any Japana tao amin'ny fantsony youtube.

Hatramin'ilay loza mahatsiravina ara-nokleary tao Fukushima taorian'ilay horohorontany tamin'ny 2011 tany Japana, very ny finoana ny anganongano amin'ny fisian'ny angovo ‘azo antoka’, niteraka hetsi-panoherana manohitra ny resaka nokleary nanerana ny firenena.

Raha toa ireo mpampahalala vaovaom-bahoaka any Japana tsy dia miresaka loatra ireo hetsi-panoherana manohitra ny resaka nokleary, dia ireo lahatsarin'ny fihetsiketsehana noraketin'ireo olom-pirenena sy media avy eny ifotony kosa no nitondra ny feon'ny vahoaka; nanome porofo ho an'ireo polisy koa anefa izany hamantarany sy hanenjehana ireo nanao fihetsiketsehana.

Ity ambany ity ny lahatsary faran'ny akaiky indrindra noraketin'i Yuzuru Kaneko otamin'ny Zoma 9 Novambra. Izy ity dia mitahiry ny hetsika ‘tsy mila-nokleary’ teo anoloan'ny Kansai Electric Power Co., Inc (KEPCO) – orinasa mpamokatra herinaratra-, toerana nitakian'ireo mpanao hetsi-panoherana ny hanatsaharan'ireo mpiasan'ny KEPCO ny famokarana herinaratra avy amin'ny nokleary ao amin'ilay orinasa.

Ity fihetsiketsehana ity dia ampahany ihany amin'ireo hetsi-panoherana ‘tsy mila-nokleary’ izay nitranga tamin'ny toerana samihafa isaky ny andro Zoma manerana an'i Japana.

KEPCO, izay tomponandraikitra amin'ny famatsiana herinaratra ny faritr'i Kansai no manodina ny hany sisa orinasa mamokatra herinaratra azo amin'ny nokleary mbola amperinasa ao Japana, antsoina hoe Ōi nuclear plant. Ny fiverenan'ny orinasa Ōi nuclear mihodina indray dia mahabe resaka noho ny toerana misy azy; mety hisy fizaràn-tany mbola mihetsika ao ambaniny ao .

Location of Ōi Nuclear Power Plant

sary avy amin'ny Wikipedia (CC BY-SA 3.0)

Yuzuru dia nitatitra ny hetsika manohitra ny nokleary nataon'ireo vondron'olon-tsotra izay mandà  ny famerenana ny orinasa Ōi nuclear hiasa indray ao amin'ny prefektioran'i Fukui. Noraketiny anaty lahatsary ny fihetsiketsehana iray izay nibahanan'ireo mafàna fo sy olon-tsotra ny vavahadin'ilay orinasa mpamokatra herinaratra tamin'ny 30 Jona, mba hisakanana ny fanohizan'ilay orinasa indray ny asany.

Taty aoriana dia voasambotra ny iray tamin'ireo mafàna fo tamin'ny hetsiky ny 30 Jona [ja], ny 20 Septambra noho ny fiahiahiana ho nanimba zavatr'olona, fandratràna, fandrahonana ary fananihana ny vavahady, ary noho izany antony izany no nikarohan'ny polisy ireeo lahatsary tany an-tranon'i  Yuzuru izay mety ho nirakitra porofo nanohanana ny fiampangàna. Milaza i Yuzuru fa tsy manan-draharaha iraisany velively amin'ilay voampanga mihitsy, satria teny an-toerana handrakitra fotsiny ny hetsika no nataony, saingy nogiazan'ny polisy ny solosainy, ny ‘disque dur’ ary ireo karatra kely SD tany aminy, ny 1 Oktobra.

Ny 5 Novambra, nisy fanentanana[ja] iray natombok'ireo mpanohana azy nangatahana tamin'ny polisy hamerenana ny fanànany. Ny 8 Novambra, niantso an'i Yuzuru tamin'ny alalan'ny antso an-telefaona ny polisy nampilaza fa hamerina ny fitaovany sy ny angony rehetra.

Hajian-tsary: Orinasa 3 sy 4 ao amin'ny Ōi Nuclear Power Plant, sary avy amin'ny Wikipedia, CC BY SA 3.0

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Horohorontany tao Japana 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.