Teny Hafa Mampiavaka Ny Sinoa Irery ny Teny Hoe Freedamn

Nivezivezy manerana ny fampahalalam-baovao sosialy ny lisitra misy “teny Anglisy” tao anatin'izay andro vitsy lasa izay. Tamina endrika sary no nozaraina ny lisitra ahitana lohateny: ny teny anglisy tena mafana indrindra ao amin'ny Twitter, voalohany ny Sina Weibo, avy eo any Facebook (via Co-China) sy ny sehatry ny fampahalalam-baovao sosialy. Nampiasana ho fanebahana ireo voambolana anglisy fanahy iniana nodisoina mba hamaritana ny kolontsaina ara-politika ao Shina. Ireto ambany ireto ny dika sy fanazavana fohy momba ireo teny vaovao noforonina:

Freedamn 中國特色自由 – Fahalalahana amin'ny sorateny Sinoa.

Smilence 笑而不語 – Mitsiky tsy mila miteny na inona na inona [Fanehoana ny endriky ny sivana ataon'ny tena manokana]

Togayther 終成眷屬 – Zon'ny pelaka ny miaraka [mifanambady].

Democrazy 痴心妄想 – Filàna tsy voafehy [ho amin'ny demokrasia].

Reniranon'ny foza (river crab), fiteny iraisana hoentina hilazana ny sivana ao Shina. Sary: inmediahk.net. Nahazoan-dalana.

Shitizen 屁民 – Ny olona hany manan-jo hangery [tsy misy zon'ny olo-pirenena].

Innernet 中國互聯網 – Aterineto Sinoa [fifandraisana ao anatiny ihany].

Departyment 政府(有關)部門 – [Komonista Sinoa] Antoko ao anatin'ny minisitera iray.

Chinsumer 在外瘋狂購物的中國人 – Mpanjifa Sinoa izay tahaka ny adala rehefa miantsena ivelan'ny firenena.

Emotionnormal 情緒穩定 – fihetseham-po milamina tsara [ampiasana matetika rehefa hamaritra ny fihetseham-po taorian'ny famotorana].

Sexcretary 女秘書 – Vehivavy mpitan-tsoratra [izay manome fahafinaretana ara-nofo ho an'ny lehibeny].

Halfyuan 五毛 – Dimam-polo cents [mpaneho hevitra amin'ny aterineto izay karamain'ny governemanta mba hamily lalana ny hevitry ny olona].

Canclsensor 審查 – [Karazana] sivana amin'ny fanesorana na famafana.

Ireo teny Anglisy mafana indrindra ao amin'ny Twitter. Avy amin'ny hirani’ By Gao Xiao tao amin'ny Weibo

Wall-e 防火牆 -

Yakshit 亞克西 – Yakexi [Amin'ny teny Uyghur, midika hoe fifaliana ny Yakexi. Namoaka ilay hira Yakexi ny Foiben'ny fahitalavitra Sinoa nandritra ny Rindran-kira lohataona tamin'ny 2010, volana vitsy monja taorian'ny fifandonana tamin'i Urumqi. Midika hoe mihinan-diky ny voambolana Yakshit vaovao .]

Animale 男人天性 – Ny itovizan'ny olona amin'ny biby

Corpspend 撈屍費 – vola aloa mba hangalàna ny faty ao anaty renirano. [Raha misy olona natelin'ny rano ao Shina, tsy misy olona maka ny razana raha tsy mandoa vola, izay tena lafo dia lafo. Indraindray misy ny vaovao fa nitsambikina tao anaty renirano na farihy ny olona ao amin'ny fianakaviana iray mba hitady ny havany nilentika tao satria tsy manam-bola be aloa amin'izany izy ireo.]

suihide 躲貓貓 – fiafenana sy fitadiavana [herisetra mandritra ny fitazonana ataon'ny polisy. Maro ireo olona namoy ny ainy tsy tamin'ny fomba natoraly ao amin'ny tobin'ny polisy, sy ny toby fananerana. Tamin'ny taona 2009, tanora iray no namoy ny ainy tao amin'ny tobin'ny polisy tao Yunnan, nilaza ilay tobin'ny polisy tamin'izany fa niharan-doza izy nandritra ny fanenjehana azy (fiafenana sy fitadiavana). Nanomboka hatreo, lasa fampiasa ny teny mba hoentina hilazana ny herisetra ataon'ny polisy.]

Nuibility 牛逼 – Ompa mahery [Teny vazivazy Sinoa].

Antizen 蟻民 -olona tahaka ny vitsika [mihamafy].

Gunverment 槍桿子政權 – governemanta mitondra amin'ny alalan'ny fampiasana basy.

Propoorty 房地產 – fivarotana trano mitarika amin'ny fahantrana.

Stuck Market 股市 – tsenam-bola mihitsoka.

Livelihard 生活 – fiainana sarotra.

Stupig 苯豬 – kisoa mitapy

Z-turn 折騰 – Manao Zip-zap [Tamin'ny 2009, ny Filoha Sinoa Hu Jintao nampiasa ny teny hoe Bu-Zhe-Teng mba hilazany ny politikany. Maro ireo nandika ny teny hoe “aza varimbariana”, izay tena tsy marina.]

Don'train 動車 – Lamasinina haingam-pandeha (TGV) [Nisinisy ireo lozan-dalamby niseho tao Shina. Nampiseho ny lozan-dalamby Wenzhou fa nisy fahasimbany teo amin'ny fitaova-panairana tao an-toerana ka maro ireo olona no tsy natoky intsony amin'ny fitangenana lamasinina Sinoa.]

Foulsball 中國足球 – Lalao Baolina Kitra sinoa [matetika tsy mahay milalao mihitsy].

Gambller 干部 – Governemanta manampahefana Sinoa [Ny fahenoina ny teny hoe Gambler (Mpiloka) dia mitovy amin'ny fanononana ny teny Mandarin hoe 干部 na Gan-Bu. Ampiasaina mba hanehoana ny toetra mpanao kolikoly ataon'ireo manam-pahefana ny teny vaovao hoe, gambller.]

Goveruption 政府 – Governemanta miaraka amin'ny voambolana kolikoly.

Harmany 河蟹 – Rindra (harmony) ny teny niaviany, sivana (reniranon'ny foza) ny dikany vaovao.

Profartssor 叫獸 – profesora ny teny niaviany. Maneho ny biby mahatsiravina (monstre) izay tsy mahay afa-tsy ny miteny mafy ny dikany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.