Nampijaliana ho Faty Ilay Bilaogera Iraniana Sattar Beheshti

Pikantsary tao amin'ny bilaogin'i Sattar Beheshti, http://magalh91.blogspot.se

Nanangana tadio an-tserasera [fa] goavana ny mpiserasera Iraniana taorian'ny nandrenesana ny vaovao nahafatesana bilaogera iray tao amin'ny toera-pamotorana nivoaka voalohany [fa] tany amin'ny Habaky ny mpanohitra. Araka ny tafatafa nifanaovana tamin'ny fianakavian'i Sattar Beheshti sy ny tatitra tao amin'ny habaky ny mpandala ny zon'olombelona, nosamborina izy ny 28 Oktobra 2012 ary nolazaina fa maty rehefa tokotokony ho folo andro taty aorian'ny nisamborana azy.

 

Sattar Beheshti. Loharano: Fanentanana tao amin'ny Facebook ho an'i Sattar Beheshti

41 ny gadra politika nahasahy namoaka[fa] fanambarana fa nanatri-maso ny marika fampijaliana hita tamin'ny vatana mangatsiaka an'i Sattar.

Fikambanana Iraisampirenena maro izay ahitana ny Reporters Sans Frontières no mandrisika ny manampahefana Iraniana hanazava ny toe-javatra marina nitranga tamin'ny fahafatesan'ilay bilaogera sy miantso ny fiarahamonina iraisampirenena tsy hamela ny tsy fanasaziana ny heloka bevava.

Ny zoto an-tserasera ananan'i Beheshti, ka tafiditra amin'izany ny blaogy [fa] manokany no heverina ho nahatonga ny fiambaorana, ny fampijaliana ary ny heverina ho fahafatesany teo amin'ny faha-35 taonany izao. Mivaky toy izao raha adika avy amin'ny teny Farsi (persiana) ny tarigetran'ny blaoginy: “Tsikera. Ho ela velona Ny Iraniana sy Iran. Ny Fiainako ho an'i Iran.” Rehefa nojerena dia hita fa nivoaka tamin'ny 26 Oktobra ny lahatsoratra navoakany farany. Nosamborina izy roa andro taty aoriana.

Tao amin'ny lahatsoratra farany dia nitsikera ny filohan'ny Antenimierana Iraniana, Ali Larijani, izy. Nolazainy fa mpihatsaravelatsihy amin'ny fitsikerana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny firenen-kafa Larijani sy ny Repoblika Islamika. Hoy i Beheshti nanoratra [fa]:

Miresaka fanitsakitsahana zon'olombelona any Arabia Saodita, Bahrain… Firenena tandrefana ianao, tahaka ny hoe nahatsangana ny lanitra eto an-tany eto Iran. Tsia, tsy nahatsangana ianao. Raha nahaforona tokoa io lanitra io ianao, maninona no tsy manasa ny olona ho tonga eto Iran hahita izany?

Naneho firaikàna tamin'ity “heloka bevava” ity ny mpiserasera Iraniana izay mampahatsiahy antsika indray fa mety ho  lasa sorona noho ny zavatra virtoaly ataony ny blaogera.

Nisy pejy natsangana tao amin'ny Facebook [fa] izay mitondra ny lohateny hoe “Tokony ho entina eny amin'ny fitsarana ireo tompon'andraikitra amin'ny fahafatesan'i Sattar Beheshti”.

Ahmad Sharifi (@sharifi123) nisioka:

وبلاگ نویس مملکت رو گرفتن به جرم وبلاگ نویسی تو زندان اوین کشتن. بعد رییس جمهور مملکت رفته اجلاس جهانی دموکراسی از دموکراسی غرب انتقاد میکنه

Nalainy ho any amin'ny famotorana ilay bilaogera ary novonoiny tany am-ponja, avy eo ny filoha nandeha tany amin'ny Vovonana Mondialy ho amin'ny Demokrasia tany Indonezia, mitsikera ny demokrasian'ny Tandrefana.

Hasan Ejraei namoaka izao tao amin'ny Horirana Google+ [fa]:

Fa misy inona mitranga fa misy hatrany ny olona tsy maintsy vonoina? Fa inona no nataony no entina any amin'ny toera-pamotorana ny olona? Fa inona no nataon-dry zareo an'i Zahra Bani Yaghoub no nataony izay nahafaty io vehivavy io? Inona no nataony an'i Zahra Kazemi ka nahafaty azy? Fa inona no nataony ireo hafa rehetra nalefa tany amin'ny toera-pamotorana? Ny rafi-pitsarana no tokony hotazonina ho tompon'andraikitra tamin'izany. Tsy tokony ve? Ok, Tsy tokony. Miala tsiny aho.

Telo taona lasa izany, bilaogera hafa, Omid Reza Mir Sayafi no maty tany amin'ny fonja Iraniana iray izay mampiahiahy ny fomba nahafatesany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.