Mpiasa voaroaka iharan'ny fandoavan-trosa ao Taiwan

Zava-mitranga toa somary manaraby ihany, fa dia mitady hitory ireo mpiasa izay noroahin'ny tompon'orinasa efa ho enina amby folo taona lasa izay, ny Vaomieran'ny raharahan'ny mpiasa (CLA) ao Taiwan, ity farany izay misahana amin'ny fiarovana ny zon'ny mpiasa. Mitady vola amin'ny fitoriana an'i Mpanao lalàna Yuan any amin'ny fitsarana ity vaomiera itya noho ny filazan'ireo mpiasa efa mihoatra 2.000, ho tsy namerina velively ny “fampisamborana” natolotry ny governemanta ho sandan'ny fandroahana.

Naneho fihetsiketsehana entina hanoherana ny fanapahan-kevitry ny CLA [zh], hatramin'ny Jolay 2012 teo ireo mpikambana ao amin'ny Fikambanan'ny Mpiasa-na Orinasa Nikatona” sy ny mpanohana azy ireo. Iray amin'ireo tolona matetika voambara amin'izany ny fibodoana ny métro ao Taipei ny faha-10 Aogositra 2012.

Ireo lasibatra indray no mitrosa

Ny 10 Aogositra 2012, nampiasa ny Toby Métro ao Taipei ireo mpiasa avy amin'ny AWCF hanoherana ny fanenjehana ataon'ny CLA. Saripika avy amin'ny coolloud.org. Nahazoana alalana tsy ampiasaina ara-barotra.

Ny taona 1998 no niatombohan'ny tantara, rehefa nifindra tao Shina sy firenena hafa [zh] ireo orinasa maro tao Taiwan hampihenany ny vola laniana ho an'ny mpiasa. Nanambara ho bankirompitra ireo tompon'orinasa ary nandà tsy handoa ny karaman'ireo mpiasa, ny fisotroan-drononony ary ny tambin-karama hafa. Nitsoaka any amin'ny firenen-kafa ny ankabeazan'ireo tompon'orinasa ireo ka nanokatra indray ny orinasany ka namela irery ireo mpiasa ao Taiwan manao fihetsiketsehana ao anatin'ny fahakiviana .Nirahina avy eo ny CLA hanelanelana ny mpiasa sy ny tompon'orinasa. Saingy nandà ny handoavana ny onitra hatrany ny tompon'orinasa, nanapa-kevitra ary ny CLA hamaha ny olana amin'ny alalan'ny “fampisamboram-bola” ireo mpiasa hialany amin'ny olana ara-bola mandra-pahitan'izy ireo asa vaovao indray. Ny fahazoana azy dia hoe tsy mamerina ity lazaina hoe “fampisamboram-bola” iny mpiasa satria lasibatra.

Saingy nivadika tamin'ny fanekena ny tao amin'ny CLA ka nitaky tamin'ny antenimiera Yuan vola 20,56 tapitrisa NTD (eo ho eo amin'ny 709 000 USD eo) hitoriana ireo mpiasa efa maherin'ny 2.000 izay tsy “namerim-bola”. Tamin'ny fandrenesana izany fanapahan-kevitra izany ary, nanohitra manoloana ny antenimiera Yuan [zh] ny AWCF ny 31 Oktobra. Manafintohina ny nataon'ny CLA, araka ny nasongadin'i [zh] Tiny fatty ao amin'ny bilaoginy:

一個勞工工作了近半輩子結果領了退休金竟然還要做償還,
如果事件發生在你我身上的話,你不會想上街頭為自己討回公道嗎?

Nandany ny antsasam-piainany tamin'ny asa ny mpiasa iray ka nahazo ny karamanyfisotron-dronony ny farany ny mpiasa iray. Ankehitriny, tsy maintsy mamerim-bola izy. Raha sendra mahazo ahy na ianao ve ny toy izany, dia tsy hangataka na hitaky ny rariny ianao?

Mba hisorohana ny mety fifandirana hafa indray, dia tapa-kevitra fa hampiato ny raharaha ny CLA, saingy mandà [zh] kosa ny fanafoanana ny teti-bola ho fitoriana, izay midika fa mety mbola hitory indray aoriana. Ny tena marina anefa araka ny nolazain'ny fampahalalam-baovao mahaleo tena ao Taiwan, coolloud.org [zh], nikiry hatrany ilay solotenan'ny CLA Keng-Pei (李庚霈) nilaza fa “Fampisamborana” ihany ny vola nozaraina tamin'ireo mpiasa 16 lasa izay:

不管過去的政府跟工人們談過什麼,現在也沒有記錄作憑證,目前勞委會只想找到一個雙方都能接受的處理方式。

Tsy maninona izay fifampiraharahan'ny governemanta tamin'ireo mpiasa ireo, tsy manana atontan-taratasy ho porofo izahay. Ny hany tadiavin'ny CLA sisa dia ny mitady vahaolana izay azon'ny roa tonta ekena.

Nanontany ny fomba fiasan'ny CLA i Jack and the beanstalk:

勞工局不是應該要替勞方權益著想嗎?
現在竟然為了控告勞工,編列了2千萬預算……

Moa ve tsy andraikitry ny CLA ny mikarakara ny zon'ny mpiasa? Mifanohitra amin'izay anefa, mangataka teti-bola 20 tapitrisa dolara ny CLA hitoriana ireo mpiasa ireo…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.