Sarina Tanàna Haolo Jiosy Yemenita

Bilaogera Yemenita Rooj Alwazir (@Rooj129) nizara sary mahavariana nandritra ny fivahiniany tao amin'ny tanàna haolo Jiosy, Beit Baws, izay miorina ambonin'ny tendrombohitra vatolampy, 15 minitra miala ao Sanaa.

Tamin'ny diaporama, Alwazir nampiseho sary nandritra ny fitsangatsanganany.

Misisika ao anaty fiara fitateram-bahoaka fotsifotsy, nanapa-kevitra ny efatra ambinifolo taminay fa handeha hiaraka hitsangatsangana ary hitsidika ilay tanàna kely Jiosy nilaozana, Beit Baws, tanàna miorina amin'ny tendrombohitra vatolampy, 15 minitra miala ao Sanaa.

Indreto roa amin'ireo sary nozarainy:

Beit Baws - Perched on the Mountains

Beit Baws – miorina ambonin'ny tendrombohitra. Sary nalain'i Rooj Alwazir

Homes chiseled into the mountain side in Beit Baws

Trano fonenena  miorina amin'ny hatsambato akaikin'i Beit Baws. Sary: Rooj Alwazir

Maro tamin'ireo Jiosy Yemenita no nifindra monina tao Isiraely nandritra ny ““Hetsika Karipetra Majika” tamin'ny fiafaran'ny taona 1940, taona voalohany nisian'ny firenena Jiosy. Nisafidy ny hijanona ao Yemen ny sasany, saingy niha-nihena hatrany ny isan'izy ireo satria marobe ireo nandao ny firenena noho ny fandrahonana nataon'ny Islamista mahery fihetsika. Ao amin'ny faritra avaratry Yemen indrindra no hitehirizany sy hanatanterahan'ny fiarahamonina Jiosy ny kolontsainy ary fanta-daza amin'ny asa-tananany izay matihanina amin'ny fanefena firavaka.

Ahitàna ny fiainana ao Yemen ity lahatsary navoakan'i omrisharaby ity. Hiran'ilay mpihira malaza efa any amin'ny varotsimifody, Ofra Haza, izay Teratany Jiosy Yemenita, ny hira amin'ny lahatsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.