Nampisaritaka Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Zon'ny Mpamorona Any Japana

Nihatra ampahany nanomboka ny voalohany Oktobra lasa teo ka mahavoasazy ny fitrohana [telechargement] tsy ara-dalàna sy ny fikiahana DVD ho amin'ny fampiasana ho an'ny tena manokana ilay lalàna voahitsy momba ny fizaka-manana [copyright] any Japana. Raha voasambotra ny olona iray dia higadra hatramin'ny roa taona na voasazy handoa onitra 2 tapitrisa yen, izay manakaiky ny 25.680 dolara Amerikana.

Efa nampiseho ny ahiahiny amin'ity lalàna vaovao ity ny mpisera aterineto. Efa namoaka fanambarana [ja] ho fanoherana ny lalàna ireo hetsika maro miaro ireo mazoto misera aterineto tamin'ny mbola vita volavola.

  1. 摘発されるのは理解していない子どもたちです
  2. 適法・合法の区別をつけることができません
  3. 捜査権の乱用を招くおそれがあります
  4. 慎重な議論が必要です
  1. Ny tanora tsy dia misy fotoana hahazoana ny lalàna no tena ho tratrany
  2. Malalaka sy sarotra itsarana ny famaritana ny ara-dalàna sy tsy ara-dalàna
  3. Mety hitarika mankany amin'ny fihoara-pahefan'ny polisy izany
  4. Mila adihevitra ifanazavana tsara io

Ny ho voasazy no niteraka saritaka sy tahotra teo amin'ny mpisera aterineto. Hevitra iray ao amin'ny Twitter no manazavazava ny fomba fivadihan'ny fampahalalana ho fahadisoam-baovao [diso fandraisana vaovao]:

Twitter伝言ゲーム難しすぎ。「違法ダウンロード刑罰化10/1より」→「著作権違法サイトの取締り」→「二次創作は著作権違法?」→「二次創作禁止令10/1より」→「10/1までに反対が10万人集まらなければコミケ・ニコニコ動画・pixivがなくなります!拡散希望!」←こうなった

Izao no mampiova ny vaovao. “Sazy amin'ny fitrohana [telechargement] tsy manara-dalàna manomboka amin'ny 1 oktobra” –> “Fanasaziana ho an'ny vohikala manitsakitsaka ny Copyright” –> ” fanitsakitsahana ny fizaka-manana [copyright] ve ny sangan'asa nitarina [nosintonina] avy aminy?” –> ” Voarara ny fanaovana itatr'asa [miainga avy amin'ny zavatra efa nisy namorona na sinton'asa ihany koa?] manomboka amin'ny 1 oktobra” –> “Soniavo ny fanangona-tsonia! ilaina ny sonia 100.000 na hikatona ny sarimihetsika niconico, habaka pixiv sy ireo mpaninjara mahaleotena!” Jereo anie ny fahadisoam-[baovao] rehefa tonga any amin'ny farany.

Misy ny mpisera Twitter mandefa fampitandremana momba ny fahadisoam-baovao. Milaza ny mpisera @fu_ryukei:

【拡散希望】「二次創作禁止令の法律が10月1日からに決まった」というツイートが拡散されていますが、正しくは「違法ダウンロード刑事罰化が10月1日から」です。 二 次 創 作 そ の も の を 禁 じ る も の で は あ り ま せ ん

Mahita sioka sasantsasany aho milaza fa “mandrara ny itatr'asa [sinton'asa? derivative work] manomboka amin'ny 1 Oktobra” fa tsy marina izany. Ny fanasaziana amin'ny fitrohana tsy ara-dalàna no manomboka amin'ny 1 Oktobra. Tsy miresaka fandraràna itatr'asa [sinton'asa?] io.

Nisy mpisera hafa koa nampitandrina:

「二次創作禁止令」という法律は存在しない。ただのデマ。 ただし、無許諾の二次創作は著作権法違反。親告罪なので、原作者からの黙認・削除依頼・告訴…といった形で折り合ってきた。 10/1違法DL刑罰化施行からは、音楽・動画の無許諾二次創作に限り、ダウンロードも刑罰対象(親告罪)。

Tsy misy izany “Lalàna momba ny fandraràna itatr'asa [sinton'asa]” izany. Tsaho diso izany. Saingy, ny sinton'asa tsy nahazoana alalana avy amin'ny mpamorona dia fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona [copyright]. Fandikàn-dalàna mety hitsarana anao raha vao misy mitory, koa raha mibaiko na miangavy ny hanesorana azy ny mpamorona, dia mety ho any amin'ny fitsarana ny vokatr'izany. Aorian'ny voalohany Oktobra, raha mitroka sinton'asa tsy nahazo alalana avy amin'ny mpamorona ianao dia mety ho voasazy raha voatory.

Ny 24 Jolay, namoaka fanontaniana niverina matetika [ja] momba ny lalàna ny sampan-draharaha Japoney misahana ny raharahan-kolontsaina, saingy sarotra ny hilaza fa hitondra famariparitana mahatafiditra ny zavatra rehetra sy hahatakaran'ny olona ny momba ny fizaka-manana ny antsipirihan'ny zava-boalaza ao. Namoaka ny antsipirihan-dalàna vaovao momba ny fizaka-manana [copyright] ihany koa ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny daholobe. Voazavazavan-dry zareo ao amin'ny takelaka [ja] fa ny tanjon'ny lalàna dia ny hisorohana amin'ny piraty izay manimba ny tombontsoan'ny mpisitraka izany, tahaka ny ampaham-bola azo avy amin'ny fanapariahana sangan'asa andoavam-bola sy ny fivarotana CD sy DVD.

Misy mpisera Twitter iray nijery todika tamin'ny adihevitra amin'ny fanasaziana ny fitrohana tsy ara-dalàna rehefa hita fa Japana no mitana ny lohany amin'ny fividianana CD isaky ny mpanjifa; mandany ny vola betsaka indrindra manerantany:

つまり、ダウンロード刑事罰化の議論とはいったいなんだったのか、と。 .@biac_ac さんの「TV「世界番付」を見て、「CDを買う国」ランキングの1位が日本だと知った人の反応」をお気に入りにしました。 togetter.com/li/361017

Ka inona moa izany no nahatonga ny fampidirana ny fanasaziana ny fitrohana tsy ara-dalàna ho an'ny mitàna ny lohany? .@biac_ac Indro ny rohy manatsonga ny fihetseham-pon'ny mpisera Twitter izay nahita fa Japana no mpanjifa CD betsaka indrindra manerantany, araka ny fandaharan'ny fahitalavitra. togetter.com/li/361017

Hajian-tsarin'i HikingArtist.com CC BY NC-ND 2.0

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.