Niafara Tamin'ny Gidragidra Ny Lalao Baolina Kitra Tao Tajikistan

Voatery nofaranana ny lalao baolina kitra tao avaratr'i Tajik, tanànan'i Istaravshan, taorian'ny gidragidra niseho tao amin'ny kianja filalaovana.

Tonga tao an-tanàna avaratra ny ekipa Energetic avy ao Dushanbe tamin'ny 8 Novambra mba hanatrika ny lalao nasionaly hifaninanana amin'ny ekipa ao an-toerana, Istaravshan. Ireo vahiny no nahatafiditra baolina voalohany, kanefa nihetsika mafy ny mpilalao an'i Istaravshan tamin'ny fizarana faharoa alohan'ny nahatafidirany baolina ka nahasahala ny isa teo amin'ny faha-81 minitran'ny lalao.

Araka ny filazan'ny Federasion'ny Lalao Baolina Kitra Tajikistan [ru], nampisafoaka ireo mpilalao vahiny avy amin'ny Energetic ny fitovizan'ny isa ka nihevitra izy ireo fa tokony tsy ekena ilay baolina tafiditra. Rehefa avy nandroaka ireo mpilalao roa vahiny noho ny “fitondrantena tsy mendrika” ny mpitsara, dia nanaovan'ireo mpilalao marobe angaredona avy eo. Nivadika gidragidra avy eo ny zava-nitranga satria niditra an-tsehatra ireo mpanohana ny roa tonta ka savoritaka tanteraka avy eo rehefa nirohotra tao amin'ny kianja ny vahoakan'i Istaravshan. Voatery nahemotry ny tompon'andraikitry ny baolina kitra arak'izany ny lalao.

Avy hatrany dia naneho hevitra mikasika izany voina izany ireo mpiserasera ao Tajikistan.

Jasur Ashurov (@jashurov) nisioka hoe [ru]:

@jashurov: Футбол в Таджикистане больше, чем футбол… Похоже, что на этот матч вместо футбольных команд послали боксеров. Позор!

@jashurov: Tena lalao Baolina Kitra ny tao Tajikistan fa tsy lalao baolina kitra tsotra fotsiny… Tahaka ny hoe mpilalao ady totohondry no nalefan'izy ireo tao fa tsy mpilalao baolina kitra nandritra ny fifaninanana. Mahamenatra!

Hoy izy nanohy avy eo:

@jashurov: Зато наши рефери хорошо знают, что подсуживать нельзя. Народный суд в футболе неизбежен!

@jashurov: Farafaharatsiny, mba mahafantatra tsara ny mpitsarantsika fa tsy tokony hanome tombony mpilalao. Amin'ny lalao baolina kitra, ny vahoaka no manafay anao amin'izany!

Bilaogera Beparvo nanoratra [ru] hoe:

Это же позор всему Таджикистану. Итак нас по всему миру пальцами показывают, рисуют как кисточки и шпатели, теперь мы сами себя тоже позорим. Как такое возможно что в игре высшей лиги такой бардак происходит! Почему футболисты думают что такое поведение им разрешено! Непонятно почему милиция не смогла ничгео сделать.

Manala-baraka ny Tajikistana rehetra izany. Na dia tsy nisy aza izany, faritan'izao tontolo izao tahaka ny borosindoko sy fandalorana isika, ary ankehitriny, mbola manala-baraka ny tenantsika ihany isika. Nahoana no niafara tamin'izao korontana izao ny lalao amin'ny Ligy ambony? Nahoana ireo mpilalao baolina kitra no mihevitra fa azo ekena ny karazam-pitondrantena tahaka izao? Tsy azoko hoe nahoana ny polisy no tsy mba nirotsaka an-tsehatra.

Ho famaliana ny lahatsoratr'ilay bilaogera, Rishdor naneho-hevitra hoe [ru]:

Футбол в Таджикистан это политика. Кто во главе федерасии футбола? Сын президента. Чей команда вегда побеждает? Сын президента. Слишком много политики. И все знают что наши рефери продаются и покупаются. Это очевидно в каждом матче. Футболисты и зрители ведь не дураки, они все видят. Вот все и злые готовые взорваться в любую минуту.

Politika ny lalao Baolina Kitra ao Tajikistan. Iza no mitantana ny Federasion'ny Lalao baolina kitra? Zanaka lahin'ny filoham-pirenena ihany. Iza no ekipa mpilalao baolina mandresy foana? Ny ekipan'ny zanaky ny filoha. Tena politika tanteraka. Ary fantatry ny  tsirairay avy fa afaka vidiam-bola sy amidy ny mpitsarantsika. Mibaribary izany isaky ny lalao. Tsy adala ny mpilalao baolina sy ny mpankafy, mahita zavatra izy ireo. Izany no mahatonga azy rehetra ho tezitra ary vonona hitroatra amin'ny fotoana rehetra.

Mpisera hafa, Isfandiyor Zarafshoni kosa tsy niombon-kevitra [ru] tamin'izany:

Но политика тут совсем непричем. У нас во всей стране такой бардак и никто не может навести порядок.

Tsy misy idiran'ny politika mihitsy izany. Be korontana toy izao avokoa ny firenena rehetra ary tsy mba misy olona afaka hitondra filaminana.

Mpiserasera sasany nihevitra fa mahatonga ny lalao baolina kitra Tadjika ho be mpankafy hatrany ny zava-doza nitranga farany teo. Tomiris (@tomiristj), ohatra, nisioka hoe [ru]:

@tomiristj: Зато теперь нашему футболу добавится зрелищности :). Все захотят ходить на футбол, если там постоянно такое будет твориться.

@tomiristj: Ankehitriny, ho lasa tena fialamboly ny lalao baolina kitrantsika:). Hoavy hanatrika ny lalao baolina kitra avokoa ny rehetra raha mitranga ao foana ny loza tahaka izany .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.