Inona Ny Anjara Asan'ny Tafika Eto Afrika ?

Matetika ny Tafika no nitana anjara toerana nampiova zavatra saingy manalasala teo amin'ny fiainana politika teto Afrika. tanelanelan'ny taona 1950 sy 2000, 53 ny firenena afrikana nizaka fanonganam-panjakana 85 izay tonga tamin'ny fiovan'ny fitondrana. Taorian'ny fiatoana kely nandritra ny taompolo 90, mbola fanta-daza tamin'ny fisiana fanonganam-panjakana be indrindra nandritra ny taompolon'ny taona 2000 izay nahitana fikasana hanongam-panjakana 27. Noho izy afa-manamafy na afa-manozongozona fitondrana, voatondro [molotra] any amin'ny ankamaroan'ny firenena ny tafika ary tahaka ny tsy mahay mifandrindra amin'ny fiovan'ny toe-tsaina.

l'armée entoure Rajoelina lors de la prise de pouvoir en mars 2009 - Domaine publique via Topmada

Nanohana an-dRajoelina ny tafika malagasy tamin'ny fandraisana ny fahefana tamin'ny marsa 2009 – valam-bahoaka Topmada

 

Olana ara-pahaizana sy karama

Tany Mali, ny tsy fisian'ny faharesen-dahatra hamaha ny olana any avaratr'i Mali no antony voalohany nolazain'ny kapiteny Sanogo ho nakana ny fahefan'i Amadou Toumani Touré. Nefa hatramin'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 22 Marsa 2012, tsy mahahetsika haka indray ny faritra avaratry ny firenena ny tafika ary tahaka ny rafotsibe very laona ka miandry izay igadònan'ny tafika iraisampirenena handroaka ny vondrona islamista any amin'ny faritra. Raha tahaka ny mamela ny fitarihana ny firenena ho an'ny fahefana sivily sy ny filoha vonjimaika Dioncounda Traoré ny kapiteny Amadou Sanogo, dia mijanona ho olona tsy azo ihodivirana amin'ny tetezamita ankehitriny sady mitoetra ho mpitarika ny Komity nasionaly ho fanarenana ny demokrasia sy ho famerenan-kasina ny Fanjakana (CNRDRE).

Ny Kapiteny Sanogo, mpitarika ny miaramila mpioko, saripika @Youngmalian

Nanomboka ny fiofanana ara-miaramila tao amin'ny Prytanée militaire de Kati ny kapiteny Sanogo avy eo tany Etazonia tany Lackland, Texas tamin'ny voalohany ary tany Fort Benning, Géorgie rehefa nandalo tany Fort-Wachica tany Arizona. Nandritra ny fotoana fohy dia fohy nitarihan'i Sanogo ny firenena, dia nandrombaka manontolo ara-miaramila ny tapany avaratr'i Mali sy nnambara ny fahaleovantenan'i Azawad ny MNLA izay niara-dia tamin'ny vondrona islamista isan-karazany ahitana ny AQMI. Raha azo atao ny miady hevitra amin'ny fahaizana ara-miaramilan'i Sanogo, dia tsy isalasalana loatra fa tsy manana ny fahaiza-manao ara-politika ilaina ny lehilahy raha jerena ny fitsabahana maro sy ireo fanapahan-kevitra samirery nataony tamin'ny fitarihana ny firenena. Indro ny lahatsarin-tafatafa nifanaovana tamin'i Sanogo taorian'ny nanomezana ny fahefana tamin'ny filoha vonjimaika nataon'ny MrMaliweb:

Teto Madagasikara, nanana anjara toerana fototra tamin'ny fiposahan'ny krizy politika ankehitriny ny tafika. Nisy lahatsary iray voarakitra nandritra ny fotoana nandraisan-dRajoelina ny fitondrana mampahatsiahy ny fizotry ny fanonganam-panjakana sy ny anjara toeran'ny tafika tamin'ny fandraisana ny fahefana:

Mpamaky iray ao amin'ny Tananews no nanoratra fa nanao sorona ny iraka ampanaovina azy ny tafika malagasy noho ny resaka karama :

En effet, l’argent et la corruption ont joué un rôle déterminant en faveur de cette interminable crise.
Devant le monde entier, l’Armée Malagasy aura fort à faire pour redorer son blason !
Nombre d’officiers ont préféré sacrifier leur Honneur et leur Fierté, pour accéder à des postes éphémères! Sont-ils fiers de porter leurs nouveaux galons, qu’ un pouvoir Illégal, leur a attribué ?
qu’ils se posent eux même la question [..] Pour sauver notre pays, il n’y a pas trente six milles solutions:
– Soit l’Armée Malagasy se reprend en main et vienne grossir les rangs du vahaoaka;
– Soit l’Armée Malagasy continue de jouer les marionnettes..

Eny, nitana anjara toerana nahatonga ity krizy tsy mety tapitra ity ny vola sy ny kolikoly. Mila miezaka mafy ny tafika malagasy raha te-hampamirapiratra indray ny asany manoloana izao tontolo izao!

Maro ny manamboninahitra no nisafidy hanao sorona ny Hajany sy ny Reharehany, mba hahazoana toerana mandalo! Manan-kambo ve ry zareo amin'ny fitondrana ny gradiny vaovao, izay nomen'ny fahefana tsy ara-dalàna azy ireo? Aoka ry zareo hanontany ny tenany [..] Tsy misy vahaolana maro hanavotana ny firenentsika:

- Na miavotra ny Tafika Malagasy ka miaraka amin'ny vahoaka;

- Na manaiky ny hatao marionety hatrany ny Tafika Malagasy..

Juvence Ramasy, mpandalina politika eto Madagasikara, namoaka lahatsoratra mikasika ny anjara toeran'ny tafika amin'ny fanamarina-toerana ara-politika sy demokratika amin'ny fananganana Filankevitra ho fampandrosoana ny fikarohana ara-tsiansa sosialy eto Afrika. Hoy izy nanazava:

Afin que la neutralité politique de l’armée soit réellement effective, la démilitarisation du pouvoir politique doit être réalisée, car le retrait du personnel militaire de l’exercice direct du pouvoir politique exécutif et la subordination de l’institution militaire aux décisions civiles ne suffisent pas à assurer cette neutralité politique. Ce retrait s’est réalisé à travers la troisième vague de démocratisation. Cependant la transition va là où vont les militaires.

Mba ahafahana mampahomby ny tsy fitongilanana ara-politikan'ny tafika, tsy maintsy tontosaina ny fisintahan'ny miaramila amin'ny fahefana politika, saria tsy ampy hahazoana antoka io tsy fironana ara-politika io ny fialan'ny miaramila amin'ny fitantanana mivantana ny fahefana politika sy ny fanoavan'ny rafitra ara-miaramila ny fanapahan-kevitra sivily. Tontosa izany fisintahana izany nandritra ny onja fahatelon'ny demokratizasiona. Saingy mandeha any amin'izay andehanan'ny miaramila ny tetezamita.

Mathieu Pellerin, mpikaroka ao amin'ny Institut Français des Relations Internationales IFRI (Ivo-toerana Frantsay Misahana ny Fifandraisana Iraisampirenena), manazava fa isaky ny misy ny krizy, dia miezaka ny hahazo ny “fitiavan'ny” tafika ny mpanao politika malagasy:

L'armée malgache a une tradition légaliste [..] Cela ne veut pas dire pour autant que l'armée ne joue aucun rôle, bien au contraire. Je la qualifierai de force de dissuasion en raison de la menace qu'elle fait peser. Chaque camp sait qu'il devra se soumettre à son bon vouloir. En 2002, le ralliement des forces réservistes à Marc Ravalomanana a pesé dans le rapport de force. [..] Andry Rajoelina s'est entouré de militaires, en premier lieu le Général à la retraite Dollin Rosoloa qui fut son directeur de cabinet à la Mairie d'Antananarivo, et les Généraux Blake et Organes qui servaient sous Marc Ravalomanana. Ils doivent de ce fait avoir une influence sur certaines franges de l'armée malgache.

Manana fahazarana legalista [manaja ny ara-dalàna] ny tafika malagasy [..] Fa tsy midika izany fa tsy manana anjara toerana ny tafika, tsia fa ny mifanohitra amin'izany aza. Tononiko eto hoe herim-panindriana noho ny fijoroana mandòdona [manaloka] be ananany. Samy mahalala ny andaniny sy ny ankilany fa tsy maintsy manaiky ny sitrapony. Tamin'ny 2002, nanan-danja teo amin'ny fifandanjan-kery ny niarahan'ny rezervista tamin-dRavalomanana. [..] Nohodidinina miaramila i Andry Rajoelina, ka voalohany amin'izany ny jeneraly misotro ronono Dollin Rasolosoa izay talen'ny kabinetrany tao amin'ny Fiadidiana ny tanànan'Antananarivo, sy ny Jeneraly Blake sy Organes izay efa niasa nandritra ny fitondran-dRavalomanana. Tsy maintsy hoe manana [ambaindaim-] fahefana amin'ny tafika malagasy ihany ry zareo.

Ao amin'ny bokiny “Madagascar, le coup d'Etat de mars 2009” [Madagasikara, ny fanonganam-panjakana tamin'ny marsa 2009], ny profesora Solofo Randrianja no mnazava ny fizotran'ny fanangolena ny tafika mandritra ny krizy ankehitriny :

Rajoelina accorde différents avantages [aux militaires] afin s'assurer de leur soutien et de leur fidélité. L'octroi de primes de 3,2 milliards d'ariary à l'ensemble des forces armées lors de la fête de l'indépendance de 2009 relève de cet esprit [..] pour éviter que la redistribution clientéliste ne perdure, il faudrait que l'institution militaire soit sous contrôle démocratique et non plus sous un contrôle civil.

Manome tombontsoa isan-karazany [amin'ny miaramila] Rajoelina hahafahany mahazo antoka amin'ny fanohanany sy ny firaiketam-pony. Ao anatin'izany fikendrena izany ny nahazoan'ny ankapoben'ny mpitandro ny filaminana tambin-karama mitentina 3,2 miliara ariary [..] Mba tsy hampaharitra izany fanambitambazana izany intsony, tokony hapetraka ambany fifehezana demokratika ny rafitra ara-miaramila fa tsy ambany fifehezana sivily intsony.

Tafika voateritery sy voasaraka matetika

Any Côte d'Ivoire, taorian'ny ady an-trano izay namela takaitra, mbola eo ambany fanindrian'ny milisy mpanohana ny fitondrana teo aloha an'i Gbagbo hatrany ny tafika (FRCI). Nisy fifandonana nitranga tamin'ny aogositra 2012 teo akaikin'ny renivohitra Abidjan, izay nahiana hampiverina indray ny tsy-fandriampahalemana. Richard Banegas, profesora ao amin'ny Ceri-Sciences-Po, nanamafy fa voamarina ny fanahiana:

Beaucoup d’anciens miliciens de Gbagbo sont encore dans la nature, au Ghana ou au Liberia, voire à Abidjan, dans une clandestinité très relative. Les plus radicaux sont dans une logique va-t-en-guerre messianique et alimentent une «rhétorique du retour» de leur leader.[..] De plus, les réformes pour une armée nationale sont bien en cours, mais cachent parfois un renforcement des cadres issus de la rébellion pro-Ouattara, au détriment d’une hiérarchie régulière et donc plus juste.

Maro amin'ny milisin'i Gbagbo no any amin'ny tsy fantatra any, any Ghana na any Liberia, mety ho ao Abidjan, toa miafina toa tsy miafina. Manana lojikana tsy hihemotra mesianika ireo tena hiringiriny ary mamelona hatrany ny “kabarim-piverenan” ‘ny mpitarika azy ireo.[..] Ankoatra izay, an-dalana ny fanitsian-drafitry ny tafi-pirenena, saingy matetika izany no manafina ny fanomezam-bahana ny fahefana eo am-pelatanan'ireo mpitarika avy amin'ny fiokoana mpanohana an'i Ouattara, ka voa mafy ny rafitra ara-dalàna sy ara-drariny kokoa.

Tany Ginea, ny fanonganam-panjakana tamin'ny desambra 2008 no nametraka teo amin'ny fitondrana ny kapiteny Moussa Dadis Camara. Tapitra ny fitondrany taorian'ny fifidianana demokratika voalohany tao amin'ny firenena tamin'ny 2010 sangy tsy maintsy nandalo ilay famoretana nisiana ra mandriaka tamin'ny 2009 izay nahafatesana olona an'arivony nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondra-miaramila. mbola tsapa hatrany ny fizarazaran'ny tafika raha jerena ny fihenjanana misy ankehitriny.

Any Maoritania, nisy nitifitra tamin'ny basy vao haingana teo ny jeneraly nanongam-panjakana sady filoha ankehitriny Aziz izay nahatonga ny fandefasana azy hotsaboina any Frantsa. Maro dia maro ny siosion-dresaka nihavian'ny tifitra sy ny fepetra mety horaisin'ny miaramila raha fotoana lavalava kokoa noho ny noheverina ny fialan-tsasatr'i Aziz any ivelany.

Tranga tsy iadian-kevitra intsony ny fiverenan'ny pretorianisma [anjara toerana lehibe ananan'ny miaramila eo amin'ny fananganana governemanta] any amin'ny firenena Afrikana maro. Araka ny nohamafisin'i Juvence Ramasy, taratra fa vaindohan-draharaha ny fisintahan'ny miaramila eo amin'ny sehatra politika ary terena ny hahamatihanina ny tafika any amin'ny firenena mbola marefo ny demokrasia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.