Mankalaza ny Faharesen'i Romney Ny Mpiserasera Isiraelianina

Nanaraka akaiky ny fifidianana tany Etazonia ny mpiserasera Isiraelianina, maro tamin'izy ireo no niari-tory mandra-maraina hahitany hoe iza tamin'ny kandidà no nahahoatra ny isan'ny mpifidy lehibe 270 nilaina. Maro an'isa ny Isiraeliana ao amin'ny tambajotra an-tserasera sy ny tontolon'ny bilaogy no manana fironana ankavia ka manantena indray ny hahavoafidy an'i Obama. Amin'ny ankapobeny ny Liberaly Isiraelianina no diso fanantenana tamin'ny tsy fihetsehan'i  Obama teo amin'ny fandaminana isian'ny fandriampahalemana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Isiraely, saingy jerena ho ratsy kokoa amin'izy roa i Romney. Ny fanohanana miafin'i Netanyahu an'i Romney, sy ny fijoroan-kevitra mandala ny mahazatra an'i Romney manoloana ny zon'ny vehivavy, zon'ny pelaka ary ny rariny ara-tsosialy no mahatonga azy ho tsy tian'ny mpiserasera Isiraelianina.

Ao anatin'ny tontolo politika Isiraelianina amin'ny ankapobeny no hanehoan'ny mpiserasera Isiraelianina ny fihetseham-pony mijery ny fandresen'i Obama – ho fahapotehan'i Netanyahu, sy ny mpanampy ara-bola an'i Netanyahu sy Romney, dia ilay miliaridera Sheldon Adelson, izay tompon'ny gazety tsy miankina mivoaka isan'andro mpanohana an'i Netanyahu Israel Hayom.

Bilaogera mpiròna ankavia Kurt Tucholski nanoratra toy izao tao amin'ny Facebook [heb]:

הרשו לי לנבא את הכותרת של ישראל היום מחר: במירוץ לנשיאות ארצות הברית הגיע רומני למקום השני, אובמה הגיע למקום הלפני אחרון!

Avelao aho haminany izay ho lohatenin'ny Israel Hayom rahampitso: tamin'ny fifaninanana ho filoham-pirenena tany Etazonia, Faharoa i Romney raha filaharana mialoha ny farany kosa i Obama!

Na tsy marina aza iny faminaniana mampihomehy iny, namoaka hevitra manokana [op-ed] mitondra ny lohateny toy izay ilay gazety “Nifidy ny Sosialisma i Etazonia” taorian'ny fandresen'i Obama.

Asafsky Levy namoaka ity sarin'i Adelson ity ao amin'ny Facebook:

Bilaogera mpanandratra ny vehivavy H. B. Hoffman manazavazava ny rivotra iainana ankapobeny amin'ny Isiraelianina ao amin'ny Twitter:

הפיד שטוף בשמחה לאיד וקריאות לאובמה להיכנס בנתניהו בכל הכוח, ואני רוצה להגיד שזה ממש לא יפה, שלא חיכיתם לי כדי שאוכל להצטרף. אובמה, כנס בו

@vandersister: Feno hafalian-dratsy (schadenfreude) eo amin'ny famahanako (feed) ka miantso an'i Obama hikapoka mafy an'i Netanyahu. Te-hiteny aho hoe tsy tsara mihitsy izany. Tsy tsara mihitsy ny niandrasanareo ahy hiaraka aminareo. Alefa ry Obama, darohy.

Mpihira sady mpanoa gazety Yuval Ben Ami nanoratra tao amin'ny Facebook:

לשלדון אדלסון נשפכו מאה מליון דולר לג'ורה. רק העובדה שזה גרושים בשבילו פוגמת לי בעונג השמחה לאיד.

Vao nanary vola zato tapitrisa dolara izany i Sheldon Adelson. Fa ny fahitana fa toa kely ilay vola very ho azy no nanimba ny hafalian-dratsiko (Schadenfreude).

Ouriel Daskal nisioka momba ny filokan'i Netanyahu tamin'ny fanohanana an'i Romney:

איך ששלדון אדלסון, שעוסק בהימורים למחייה, וביבי, שעוסק כל היום בהימורים על החיים שלנו, נכשלו כל כך בגדול בהימור שלהם?

@odaskal: Ahoana moa ry Sheldon Adelson, izay miaina amin'ny filokana [nahazo ny harenany tamin'ny fananganana casinos ranamana] sy ry Bibi [Netanyahu], izay tsy mitsahatra ny milalao [miloka] ny fiainantsika, no resy tanteraka tamin'ny filokana nataony?

Nifaly tamin'ny fijerin-dry zareo ho faharesen'i Netanyahu ny mpiserasera Isiraelianina:

Eyal Brave namorona ity sary ity izay nifampizarana tao amin'ny Facebook:

“Benjamin, inona ny vaovao? Lazao, tsaroanao ve ny nitsabahanao sy niezahanao hanova ny fizotry ny fifidianana taty Etazonia?”
Netanyahu: “Ie. Nahoana?”
Obama: “Tsy misy antony ka”

Israelianina avy amin'ny fironana havia John Brown namoaka ity sary ity:

Miresaka momba ny fahadisoan'i Netanyahu niloka an'i Romney, namorona ity sary ity ilay Isiraelianina mpanao hetsikana Amir Schiby:

Netanyahu: “Ataovy eo amin'i Romney ny volako rehetra”. “Hitanao? Ataovy eo koa ny silipiko sy Isiraely”
Obama eo akaikin'ny trano misy soratra hoe: “Nakatona” sy “Amidy”: “Tsy misy zavatra adinonao ve?”

Tamin'ny fanomezana feo ny fanantenan'ny Isiraelianina sasany fa hankany amin'ny faharesen'i Netanyahu ny fifidianana ho avy, Shachar B. Cotani namorona ity sary betsaka nizara ity:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.