Azerbaijan: “Firenena manaratsy ireo mpampiasa tambajotra sosialy ho marary saina”

Raha nitodika tany amin'ny fifidianana filoham-pirenena tany Etazonia ny mason'ny rehetra, nisy fivoriana iraisam-pirenena kosa nanomboka tamin'ny Talata tany Baku, renivohitr'ilay Repolika Sovietikan'Azebaijan taloha. Ny Valan-dresaka ho an'ny Fitantanana ny Aterineto (IGF) faha-fito karakarain'ny Firenena Mikambana dia mitaky ny fitondràna ireo “mpandray anjara rehetra” ho mpiara-miasa mitovy mba hiadian-kevitra momba ireo olana lehibe mifandraika amin'ny hoavin'ny aterineto, ary koa ireo olan'ny fitsipika, fandrindràna, ary mazava ho azy, ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny aterineto.

Niadian-kevitra foana ny fifidianana ny Baku hampiantrano izany hetsika izany. Zara raha fantatra i Azerbaijan raha ny resaka fanajàna zon'olombelona.

Araka ny Human Rights Watch, misy mpanao gazety valo sy mpiaro zon'olombeloona telo farafahakeliny any an-tranomaizina any Azerbaijan. Noraràn'ireo manampahefàna ny famoriam-bahoaka  am-pilaminana tsy nahazoan-dàlana any Baku na any amin'ny faritra hafa any amin'ny firenena.

Emin Milli, mpitoraka blaogy Azerbaijani malaza sady tanora mahery fo, dia nanasongadina ireo olana sedrain'ireo mpampiasa aterineto sy ireo mafana fo ara-politika any amin'ny firenena, rehefa namoaka taratasy misokatra ho an'ny Filoha Ilham Aliyev izy ny Talata 6 Novambra, nitsipaka ny fanambaràn'ireo manampahefàna fa malalaka ny aterineto. Manoratra izy:

Noho izaho nogadraina fa nampiasa aterineto mba hitsikeràna anareo sy ny politikanareo, hitako ny marina mahasosotra – tsy malalaka ny aterineto aty Azerbaijan ary tsy afaka amin'ny tahotra mihitsy.

Tamin'ny Talata, ny fiaraha-miasan'ireo fikambanana miaro ny zon'olombelona any Azerbaijan, ny Tetikasa Fanehoan-kevitra amin'ny Aterineto, dia namoaka taratasy misokatra momba ny olana manodidina ireo “fandikàna ireo fitsipika fototry ny Firenena Mikambana” izay lazain'ny vondrona fa mitranga mandritra ny fivoriana tohanan'ny Firenena Mikambana. Manambara ny vondrona fa ny Fitan-tsoratry ny IGF, tompon'andraikitry ny fikarakaràna ny hetsika sy ny fanekena ireo mpandray anjara, dia nandà ireo fangatahana hahazo tranoeva tao amin'ny tanànan'ny IGF. Araka ilay taratasy, tafahoatra lavitra noho izany ireo fandraràna:

Ny Fitan-tsoratra dia niezaka ny nanakana ny fizaràna ireo tatitry ny Tetikasa Fanehoan-kevitra amin'ny Aterineto Mikatsaka ny Fahalalahana: Ny Fanehoan-kevitra amin'ny Aterineto aty Azerbaijan sy Ny Zo Hitàna ny Fahanginana: Fahalalahana Maneho hevitra aty Azerbaijan manoloana ny Valan-dreesaka Fahafito ho an'ny Fitantanana ny Aterineto. Ny mpandrindra ny IGF dia nilaza ireo solotenanay “Tsy mahazo mizara ireo tatitra ireto anatin'ny faritry ny IGF ianareo” Ny ezakay hizara ireo tatitra ireo, izay mandalina ireo olana any  Azerbaijan izay mifandraika mivantana amin'ny IGF, dia noraisin'ny Fitan-tsoratra tahaka ny ezaka “famelezana ny iray amin'ireo vondrona mpandray anjara,” izany hoe ny governemanta Azerbaijani.

Milaza ihany koa ny Tetikasa Fanehoan-kevitra amin'ny Aterineto fa tsy nitsahatra ny nanontany ny iray tamin'ireo solotenany ny tompon'andraikitry ny fisoratana anarana raha mitetika ny hikarakara tolona ao amin'ny hetsika izy, ary avy eo dia nomeny ireo manampahefàna tao an-toerana ny karatr'ilay solotena.

Mba hisarihana ny saina amin'ireo olana sedrain'ireo mpampiasa aterineto any Azerbaijan, Amnesty International dia mamoaka rakitra izay mitanisa ireo tranga lehibe maro izay nanenjehana ny olona noho ny asany tamin'ny aterineto. “Misy fifandiran-kevitra lalina amin'ny fikarakaràna valan-dresaka iraisam-pirenena momba ny fitantanana ny aterineto any Azerbaijan,” hoy ny lazain'ny mpiaro ny fikambana any . Manampy izy, “Izy io dia firenena manana governemanta izay mitsikilo ny fifandraisan'ny olon-tsotra amin'ny tsy antony, managadra mpitoraka blaogy, ary milaza fa marary saina ireo mpampiasa tambajotra sosialy.”

Tamin'ny Talata, talohan'ny fisokafan'ny fivoriana tamin'ny fomba ofisialy, nitatitra ny IGF Watch fa ilay fikambanan'ny fiaraha-monina sivily Indoneziana ICT Watch dia tsy nahazo nizara “carte postale” nisy soratra hoe “Sivan'ny Governemanta: Miaro anao amin'ny Zava-marina.”

Nisy tompon'andraikitry ny Firenena Mikambana naka ireo “cartes postales” ireo, araka ny IGF Watch, noho izy mety hahatezitra ireo governemanta sasany. Mitatitra ny vohikala fa taorian'izay dia nandà io fanambaràna io ny Fitan-tsoratry ny IGF, ary nilaza fa noho ny olana ara-dokambarotra sy fanekena ihany no nakàna ireo “cartes postales” ireo.

Fikambanana fiaraha-monina sivily maro any Baku no niara-nametraka fanambaràna mitaky fanazavàna avy amin'ny fitan-tsoratry ny IGF momba izany tranga izany, izay lazain-dry zareo fa “azo melohina mafy” ary “tsy azo ekena velively.”

Tsy vao voalohany izao no niteraka adihevitra ny firenena mampiantrano ny fivoriana IGF. Nitranga koa izany tamin'ny nametrahana ny fe-potoana fiasana voalohany an'ny IGF tany Tonizia notantanin'i Ben Ali tamin'ny 2005. Tahaka izany koa ny tany Ejipta nisy an'i Mubarak tamin'ny 2006. Ireo mpitarika roa ireo dia samy nieritreritra fa afaka mifehy ny herin'ny Aterineto izy ireo sady mampiseho endrika fivelarana amin'ny tontolo ivelany. Samby tsy nahomby izy ireo. Tokony hatahotra ve ny Filoha Aliyev ? Ny fotoana no aoka hilaza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.