Maoritania: Avadiky ny Mpampianatra Korano ho Mpangataka ny Ankizy Madinika

Mahita ankizy madinika fantatra amin'ny hoe Al Mudat [ar], ankizy eo anelanelan'ny 4 ka hatramin'ny 14 taona ianao, eran'ny renivohitra Maoritaniana, Nouakchott, eny amin'ny sampanan-dalana sy eny ambany hazo eny, mitondra kapoakanà voatabia mangata-bola amin'ireo mpandeha tongotra. Tsy mangata-bola hoan'ny tenany ireo ankizy ireo. Ilainy aza ilay vola mba ahafahany mandoa ny karaman'ny Mpampianatra Korano ary ireo. Izany no ataony satria tsy manana fahefa-mividy hanarama azy ho takalon'ny fampianarana azy ireo ny ray aman-dreniny.

Etsy andanin'izany, avelan'ny ray aman-dreniny koa ireto ankizy hanararaotra hangataka toy izao, izay mametraka ireto ankizy anoloanà loza maro isan-karazany toy ny zava-mahadomelina. Matetika izy ireo no lasa mpamono olona ary any am-ponja no iafarany. Tsara marihana ihany koa fa ny zavatra tokana mba hain'ny ankizy sisa dia ny mangataka eny an-dalana.

صورة لأحد الأطفال وهو نائم في الشارع نشرتها مدونة الكاشف

Sarin'ny iray amin'ireo mpangataka matory eo amin'ny làlana, sary naseho niaraka tamin'ny fahazoan-dalana avy amin'ny bilaogin'i Al Kashiv

 

أ

Nanoratra tatitra an-tsary milaza mikasika ireo ankizy ireo ilay Maoritaniana mpitoraka bilaogy Mohamed Abdou [ar]:

قابلت الكثيرين منهم، ممن يتجولون بداية من ساعات العصر وحتى ساعات متأخرة من الليل يحملون عبوات طماطم فارغة يجمعون فيها مايحصلون عليه من التسول في الشارع، هم مجموعات أطفال أعمارهم بين 4 و12 سنة يرسلهم معلمهم الذي يدرسهم القرءان للتسول وايصال ما جمعوه له بعد نهاية الجولة، “الحسن، عالي، آمادو…….. ” وغيرهم من الأسماء قابلتهم واستفسرت عن بعض تفاصيل حياتهم في ظل الظروف التي يعيشونها.

Nifanena tamin'ny maro tamin'izy ireo ny tenako, mirenireny eny an-dalambe eny. Manomboka amin'ny fiandohan'ny tolakandro izy ireo ka hatramin'ny hariva alim-be, mitondra ireny kapoakam-boatabia ireny izay anangonany izay mety ho hitany amin'ny fangatahana eny amoron-dalana. Vondron'ankizy madinika izy ireo, manomboka ny efatra taona hatramin'ny 14 taona, alefan'ny mpampianatra Korano hangataka ary hitondra any aminy ny vola azony. “Al Hassan, Ali, Amadou ….” ary maro hafa no hitako sy nanotaniako mikasika ny pitsopitsony amin'ny fiainan'izy ireo sy ny fomba fiainany.

Afaka mamaky mikasika izany lohahevitra izany koa isika ao amin'ny bilaogy Stolen Dreams [ar]:

ان الشارع المدرسة الأم والرصيف الكرسي الذي جلسوا عليه لتلقي علم التسول… والأساور ملاذا لنوم يطارده الخوف والجدران كهف لأحلام تصارع البقاء.. يموجون في جناح الليل بين الأزقة يلاحقون سيارات فاخرة لترمي لهم دراهيم تدفع البلاء ومتجولون ضعف الطالب والمطلوب.. أوعيتهم لا تحمل ما يسمن من جوع أو يغني من عطش.
في الصباح يبدؤون رحلة الشتاء والصيف في أحياء العاصمة, تري في عيونهم قسوة الحياة وطفولة شابت قبل حصادها , وبراءة أجهضت قبل مخاضها ,ثيابهم البالية التي لا تقيهم حرارةالشمس تكفي لمداومة دون إدارة.

Ny làlana no reny sy sekoly ary ny sisin-dalana no seza hipetrahan'izy ireo hianarany mangataka amoron-dalana… fisindàna hiatrika torimaso tandindonin'ny tahotra no fefin'izany ary ny rindrina no lavaka ho an'ny nofy miady mba ho velona ihany… mirenireny eny anelanelan'ny làlana eny izy ireo amin'ny alina, manenjika ireo fiara raitra amin'izay mba hanipazan'ny tompony vola madinika mety hanosika ny fahoriany, ny akanjon'izy ireo tsy maneho endrika voky na afaka hetaheta. Rehefa maraina, manomboka eny amin'ny làlan'ny renivohitra ny tontolo andron'ny ririnina sy lohataona izy ireo. Hitanao eny amin'ny masony, ny hetraketraky ny fiainana sy ny fahazazana izay nanjary hadalàna raha mbola tsy nanomboka ho matotra akory. Tsy fananan-tsiny izay noesorina talohan'ny nilàna azy. Tsy mahavita miaro azy ireo amin'ny masoandro akory ireo fitafiana ratsy anaovany.

Ali interviewed by Al Kashiv blog, photo used with permission

Ali nanontanian'ny bilaogy Al Kashiv, sary nampiasaina miaraka amin'ny fahazoan-dalana

Mandray ireo zava-misy sy ohatra an-tsary i Mohammed Al Amine Ould Yeyha [ar] :

قد أشار تقرير منظمة حقوق الإنسان الموريتاني في تقريره لسنة 2009 إلى (وجود حالات استمرار للرق والمتاجرة بالأشخاص، تشير إلى أطفال صغار دون السن 15 يسمون (Talibes) ويعرفون في الأوساط الاجتماعية بـ”آلمودا” يأتون من داخل البلاد وكذلك من مالي ومن السنغال وقال التقرير أنهم يتعرضون لسوء المعاملة من قبل معلمي دين يجبرونهم على التسول).

Tatitra iray nataon'ny Fikambanana Maoritaniana mikasika ny Zon'Olombelona tamin'ny  2009 no manambara fa misy foana ny trangana varotr'olona sy ankizy madinika latsaky ny 15 taona antsoina hoe Talibes ary fantatry ny Al Mouda eny amin'ny toeram-piarahamonina izay avy any anatin'ny firenena ka hatrany Mali sy Senegal. Milaza ny tatitra fa olona niharan'ny fampianaran-diso nataon'ny mpampianatra finoana izy ireo izay manery azy ireo hangataka.

Hoy izy manampy:

وبالرغم من وجود هذه الظواهر التي يجرمها القانون وينتقدها العرف الموريتاني وتحرمها الشريعة الإسلامية، فإن الدولة الموريتانية ما تزال عاجزة عن توفير آلية جديدة تحد من انتشار هذه الظاهرة وتأمين حاجيات هؤلاء المتسولين أو فتح مراكز إيواء لحضانتهم، من اجل خلق إطار لتمدرس الطفل وتوفير الظروف الملائمة له.

Na dia eo aza ny fisian'ny trangan-javatra izay mbola voasazin'ny lalàna sy kianin'ny fomban-drazana Maoritaniana, ary voararan'ny Shariaa any Islam, dia mbola tsy afaka manome rafitra fomba fiasa vaovao ny firenena Maoritaniana hamerana ny fiparitahan'izy ity sy hamatsiana ny filàn'ireo mpangataka amoron-dalana na koa hoe manokatra ivontoerana hialofan'izy hahafahana mametraka toerana hampianarana ho an'ny ankizy ary manome fenitra milamina ho azy ireo .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.