Bahrain: Iza no naheno ny fanapoahana baomba ary iza no niharany?

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Bahrain 2011/12.

Nilaza ireo manamboninahitra ao Bahrain androany fa mpiasa vahiny roa no maty ary ny fahatelo naratra mafy nandritra ny fanapoahana baomba dimy samihafa tany amin'ny faritr'i Gudaibiya sy Adliya, any amin'ny renivohitra Manama.

Tao amin'ny Twitter, tamin'ahiahy ihany no nandraisana izany vaovao izany niaraka tamin'ny antso ho an'ny vahaolana ara-politika mba hampitsaharana ny korontana any amin'ny firenena, taorian'ireo tolona manohitra ny fitondràna izay nanomboka tamin'ny 14 Febroary 2011.

Nandefa tweet tany an-tsesitany i Adel Marzooq, mpanao gazety [ar]:

٥ تفجيرات وهمية واعلان مقتل الاسيويين ليس عبثيا، يريدون امتصاص الادانات الدولية لقرار منع التظاهر والمسيرات وتحويلها لادانة الارهاب

@adelmarzooq: Tsy kisendrasendra ny fipoahana dimy noforonina sy ny fanambaràna fa nisy Aziatika maty. Te-hanalefaka ireo fanamelohana iraisam-pirenena noho ny fanapahan-kevitra handrara ny tolona sy famoriam-bahoaka izy, ka namadika izany ho fanamelohana noho ny fampihorohoroana

Manontany Ahmed Habib :

اذا كانت الانفجارات استهدافا للأجانب فهم بكثرة في القرى ولم يتعرض لم أحد فما الداعي للذهاب للعدلية وام الحصم؟!

@ahmdhabib: Raha nikendry teratany vahiny ireo fipoahana, misy tanàna maro be ireo nefa tsy nisy nanafika azy tany. Ka inona ny antony nandehanana tany Adliya sy Umm Al Hassam [faritry ny renivohitra Manama]?

Ary Mansour Al Jamri, tonian'ny famoahan-daahatsoratra ao amin'ny gazety Al Wasat, dia manoratra:

نأمل من وزارة الداخلية ان تنشر في مؤتمرها الصحفي اسماء وجنسيات القتلى والجرحى، اذ من حق وسائل الاعلام معرفة التفاصيل. وشكرا.

@MANSOOR_ALJAMRi: Manantena izahay fa holazain'ny Minisitry ny Atitany amin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny anarana sy zom-pirenen'ireo maty sy naratra. Zon'ny fampielezam-baovao ny ahafantatra ny antsipiriany. Misaotra anao

Mamaly i Sabeeka Al Shamlan, sady maneso ihany:

@Sabeeka_A: Tafaverina hatrany amin'ny voalohany indray. Andraso aloha, iza moa no niteny hoe efa nanainga avy teo isika?

Avy eo izy manontany [ar]:

في أحد سمع التفجيرات؟ بأذونه؟ لاترد على هالسؤال إذا ماسمعت/سمعتي بأذونك/ج

@Sabeeka_A: Nisy olona naheno ireo fipoahana ve? Nandre tamin'ny sofiny roa mihitsy? Aza mamaly ity fanontaniana ity raha tsy naheno ny fipoahana tamin'ny sofinao ianao

Somary lasa lalina kokoa i Noor Bahman:

@noorbahman: Mamono ny olona nokendrena ny baomba nefa koa manimba ny ampahany amin'ny faritra nisy ny lasibatra.

Dia manontany i Salma :

@salmasays: Eh.. Lasa aiza ny fampielezam-baovao malalaka sy mahaleo tena rehefa tena ilaina..

Efa lalim-pototra izany fahatezerana izany. Manamarika i Eyad Ebrahim [ar]:

الكل يجذب و أنا صرت ما اصدق أي أحد، لا حكومة ولا جمعيات ولا بطيخ.

@eyade: Mandainga daholo ny rehetra ary tsy mino na iza na iza aho – na ny governemanta, na ny mpanohitra, na iza na iza.

Manao antso ho an'ny vahaolana ara-politika i Murad Alhayki. Milaza izy:

كل ما تأخر الحل السياسي تعقدت الأمور أكثر وصعب حلها … دماء الناس تقوض العقل

@muradalhaiki: Arakaraka ny hanemorana ny vahaolana ara-politika no mahasarotra ny raharaha sy ny famahàna azy. Miantso fahendrena ny ràn'olona

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Tolona Bahrain 2011/12.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.